2022
Afaka manampy ahy hahafantatra ny fomba hanompoana ny Fanahy
Martsa 2022


“Afaka manampy ahy hahafantatra ny fomba hanompoana ny Fanahy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Izaho sy ilay teny filamatra

Mizara ny fomba iainan’izy ireo ny voambolana ao anatin’ny fanevan’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovo.

Afaka manampy ahy hahafantatra ny fomba hanompoana ny Fanahy

“Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia miezaka aho ny ho tonga tahaka Azy. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ary mandray andraikitra eo anoloan’izany aho, ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.”

Sary
zatovovavy

Nandritra ilay valanaretina COVID-19 dia olona maro no nihena fidiram-bola na very asa mihitsy aza. Naniry ny hanamaivana kely ny enta-mvesatr’izy ireo aho. Niaraka tamin’ny fanohanan-dreniko sy ny raiko, sy ny fampiasana ny volako manokana, dia nanomboka nanome sakafo ho an’ireo izay sahirana aho. Tamin’ny fanafarana sakafo ho an’ny hafa amin’ny alalan’ny application momba ana taksi moto no fanaovako izany matetika. Indraindray dia apetrako amin’ireo toerana natokana ho an’ireo sahirana ny sakafo.

Aty Indonezia dia misy mpitondra taksi moto maro be. Mampiasa application amin’ny findainay izahay raha hampiasa ny tolotr’izy ireo. Nandritra ilay valanaretina dia sahirana ireo mpitondra vao nahita mpanjifa.

Indray andro dia nanaraka bitsika iray avy tamin’ny Fanahy aho ny hanampy mpitondra tsy fantatra iray. Nanafatra sakafo tamin’ilay application ho an’ny taksi moto aho. Saingy rehefa tonga tany amin’ilay toerana fivarotan-tsakafo izy haka an’ilay sakafo dia nandefasako hafatra izy nilaza taminy fa ho azy ilay sakafo. Gaga izy ary tsy nino hoe ho azy izany. Rehefa nilaza aho fa ho azy izany dia nisaotra ahy avy hatrany izy ary nivavaka ho ahy. Nilaza izy fa hoentiny mody ilay sakafo ary homeny ny zanany. Tena faly ny fahenoana azy. Nahatonga ahy ho faly ihany kao izany!

Na dia niatrika fanamby ihany koa aza izaho sy ny fianakaviako dia nihaino ny Fanahy aho ary nisafidy ny hanompo. Afaka niaina fifaliana sy hasambarana izahay, izay nanampy anay handresy ny fanamby natrehanay.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny Fanahy Masina. Mampahatsiahy ahy soratra masina iray ao amin’ny Testamenta Vaovao io zavatra niainana io, ao amin’ny Jaona 13:34 manao hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” Fantatro fa rehefa manao asa mifanaraka amin’izay fitaomana raisintsika avy amin’ny Fanahy isika dia handray fitahiana mahatalanjona avy amin’ny Ray any An-danitra.

Mipetraka any Java Andrefana, Indonezia ny mpanoratra.

Hamoaka printy