2022
Feon’i Linahei
Martsa 2022


“Feon’i Linahei,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Feon’i Linahei

Miainga amin’ny mozika ka tonga hatramin’ny tantaram-pianakaviana, ampiasan’i Linahei ny feony mba hanaovana soa.

Sary
Zatovovavy eo amoron-dranomasina

Sary nalain’i Stephane Sayeb; fanehoana nataon’i Claire Lock

Fantatr’i Linahei D. avy any Tahiti ny fomba hampiasana ny feony mba hitahiana ny hafa—amin’ny fomba mihoatra ny iray. Ohatra, manaraka fianarana izy mba ho lasa mpitsabo olona manana fahasahiranana amin’ny fitenenana. “Te hanampy ny ankizy amin’ny fomba fanononany teny sy ny fomba firesahany aho,” hoy izy.

Fiantombohany fotsiny anefa izany. Teraka tao anaty fianakaviana manan-talenta amin’ny mozika i Linahei izay 14 taona, ary manana fahafahana betsaka izy hampiasana ny feony hihirana. “Tia miara-mihira izaho sy ny zandriko lahy. Izy matetika no manao feo ambony, ary izaho no manao ny ambany!”

Ary mahavita ôrikesitra iray koa ny fianakaviana manontolo. “Ny reniko no mitendry piano mba hampianarana hira anay, ary ny dadako no milalao gitara sy ukulele.” Ary inona moa ny dikan’ny fianakaviana manao ôrikesitra raha tsy misy zavatra velezina? “Tianay sy ny dadako ny mitendry to‘ere, aponga polineziana nentim-paharazana.”

Sary
Zatovovavy iray mitendry ukelele

Ekipa iray manontolo mpanao mozika ny fianakaviany izay manohana azy, ary manampy azy hanao zavatra mihoatra ny mozika fotsiny. “Mamporisika ahy amin’ny fianarako foana ny ray aman-dreniko, ary manome ahy tsodranon’ny fisoronana ny raiko.” Rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia fantany fa afaka mitodika amin’ny Rainy any An-danitra ihany koa izy. “Fantatro ny halehiben’ny fitiavan’ny Tompo ahy ary eo foana Izy ho an’ireo zanany.”

Sary
Fianakaviana mihira sy mitendry zava-maneno

Tsy vitan’ny hoe mampiasa ny feony fotsiny i Linahei hanaovana mozika sy vavaka, fa miresaka momba ny fanampiana ireo havana any ampitan’ny voaly ihany koa.

Feon’ny fitiavana ho an’ny fianakaviana any ankoatra ny voaly

“Nanonofy aho indray alina ka nahita olona an-jatony, saingy tsy nisy afaka nifampiresaka izy ireo,” hoy izy. “Nieritreritra aho fa fantatro izy ireo, saingy tsy azoko antoka tsara.”

Tsy fantatr’i Linahei ny dikan’ilay nofy tamin’ny voalohany. Avy eo izy dia nanana hevitra mampientanentana: “Talohan’ny fotoana fihibohana noho ny COVID-19 dia nahavita batisa mihoatra ny 100 ho an’ireo razambeko aho, mety maneho ireo fianakaviako ireo ireo olona hitako tao amin’ny nofiko!”

Sary
Zatovovavy iray miaraka amin’ny sarin’ny razambe

Nientam-po kokoa noho ny hatrizay i Linahei hanao ny tantaram-pianakaviana, ary nanao izay rehetra azony natao izy mba hamindrana ireo anarana ireo ho any amin’ ny tempoly mba handraisan’izy ireo ireo ôrdônansy fanampiny ho azy ireo. Fotoana fohy taorian’izay dia voantso ho tompon’andraikiry ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana tao amin’ny paroasiny i Linahei sy ny reniny.

“Nanampy vehivavy iray tao amin’ny paroasinay izahay mba hiditra ao amin’ny kaontiny FamilySearch. Rehefa nahita ny tetiarany izy dia tena faly tokoa, sambany tamin’izay no nahita ireo razambeny rehetra!”

Sary
Zatovovavy sy ny reniny manao ny tantaram-pianakaviana

“Natahotra aho taloha rehefa manatona olona ao amin’ny paroasiko,” hoy i Linahei niaiky. “Fa amin’izao ny reniko miaraka amiko izao dia matoky tena kokoa aho mampianatra ny olona momba ny tantaram-pianakaviana.”

Asandrato ny feonareo

Sary
zatovovavy

Izao i Linahei dia miandrandra ny hanampy olona hianatra momba ny razamben’izy ireo. “Tiako ny mahita ny olona faly rehefa manao ny tantaram-pianakaviany. Ary mino aho fa faly ny razambentsika fa liana ny amin’izy ireo sy ny fanatanterahana ôrdônansy ho azy ireo isika.”

Tamin’ny antsony amin’ny maha-tompon’andraikitry ny tantaram-pianakaviana azy dia namolavola fiaraha-mientana iray izy ho an’ny zatovovavy ao amin’ny paroasiny. Tsy vitan’ny hoe nanampy azy ireo hahita anaran’ny fianakaviana hoentina any amin’ny tempoly fotsiny izy, fa nanampy ihany koa ireo ankizy tao amin’ny Kilonga hanokatra kaonty ao amin’ny FamilySearch mba hahafahan’izy ireo mandray anjara.

“Tsy ho ela izahay dia ho any amin’ny tempoly,” hoy izy.

Sary
Zatovovavy sy ny reniny eo amin’ny tempoly

Te ho mahafinaritra tahaka an’i Linahei ve ianao? Aza manahy fa tena azo atao izany. “Afaka mampandroso ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknôlôjia ny zatovo,” hoy i Linahei. “Izay rehetra manampy antsika hieritreritra ny razambentsika dia mahatalanjona. Fantatro fa hitondra fifaliana bebe kokoa eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana. Nampanatona ahy ho akaiky kokoa ny razambeko sy i Kristy ny tantaram-pianakaviana.”

Noho ny asa rehetra ataony ho an’ny razambeny dia izao no azo antoka: tsy tantara fotsiny ny momba ny fianakavian’i Linahei!

Hamoaka printy