2022
Ahoana raha toa ka tsapako fa toa tsy mitondra fiovana akory ireo ezaka ataoko mba hizara ny filazantsara?
Martsa 2022


“Inona no tokony hataoko rehefa tsapako fa toa tsy mitondra fiovana akory ireo ezaka ataoko mba hizara ny filazantsara?,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Fanontaniana sy valiny

“Inona no tokony hataoko rehefa tsapako fa toa tsy mitondra fiovana akory ireo ezaka ataoko mba hizara ny filazantsara?”

Araho ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Sary
zatovovavy

“Indray andro ny mpampianatra ahy dia nilaza fa tsy misy Andriamanitra. Namaky ny Bokin’i Môrmôna aho isan’ andro ary fantatro fa tsy marina ny zavatra nolazainy. Niezaka nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho, saingy tsy nihaino izy. Reko fa ny zavatra ataoko no tena hitan’ny olona mihoatra ny zavatra lazaiko. Manohana mafy ny fitsipika iainako ireo namako. Mijery ahy foana izy ireo satria mpikamban’ny Fiangonana aho.”

Valeria F., 18 taona, Honduras

Mangataha fanampiana

Sary
zatovolahy

“Misy fomba maro hizarana ny filazantsara. Indraindray ireo ezaka tsara indrindra ataonao dia tsy manome antoka fa horaisin’ireo namanao tsara ianao. Tsy miady irery ianao. Mangataha fanampiana avy amin’ny Rainao any An-danitra sy ny Mpamonjy. Mety hahita zavatra vaovao ianao.”

Banri O., 15 taona, Japana

Meteza ho Ohatra Tsara

Sary
zatovovavy

“Tsaroako foana ny torohevtr’ireo mpitarika ahy manao hoe: –Ny fanehoana ohatra no anisan’ny fomba tsara indrindra hizarana ny filazantsara.– Rehefa miezaka ny maneho ohatra tsara sy ho fahazavana ho an’ny hafa isika, dia ho mora amintsika ny hizara ny filazantsara amin’ny olona betsaka kokoa. Afaka mitondra fiatahiana lehibe eo amin’ny fiainantsika sy amin’ny manodidina antsika ny fisoloana tena an’i Jesoa Kristy.”

Bonnie Q., 16 taona, Bolivie

Safidin’izy ireo izany

Sary
zatovovavy

“Efa imbetsaka aho no nolavina rehefa nizara ny filazantsara. Raha ny marina dia malahelo aho indraindray satria tsy misy vokatra hitako. Nianatra aho fa tsy fahadisoako izany rehefa tsy manaiky ny filazantsara ny olona. Safidin’izy ireo izany, ary tokony hanana faharetana aho. Mety hitondra fiovana ny ezaka nataoko any aoriana any. Afaka mivavaka foana ho an’ireo olona izay asaiko aho.”

Cristina B., 18 taona, Roumanie

Mampianara sy manaova asa tahaka ny ataon’ i Kristy

Sary
zatovolahy

“Afaka mieritreritra fomba vaovao sy mahafinaritra hizarana ny filazantsara isika. Ohatra, afaka mianatra avy amin’ny fomba nitorian’i Jesoa Kristy teny tamin’ny alalan’ny fanoharana sy asa isika. Ny zavatra ataontsika no maneho ny fiiziantsika sy ny fitsipika iainantsika.”

Johann S., 16 taona, Bolivia

Mahareta

“Efa imbetsaka aho no nolavina rehefa nizara ny filazantsara. Raha ny marina dia malahelo aho indraindray satria tsy misy vokatra hitako. Nianatra aho fa tsy fahadisoako izany rehefa tsy manaiky ny filazantsara ny olona. Safidin’izy ireo izany, ary tokony hanana faharetana aho. Mety hitondra fiovana ny ezaka nataoko any aoriana any. Afaka mivavaka foana ho an’ireo olona izay asaiko aho.”

Cristina B., 18 taona, Roumanie

Miezaha hatrany

“Matetika aho rehefa manasa ireo namako ho any am-piangonana dia lavin’izy ireo ny fanasako. Mafy izany lavin’ny olona izany, saingy rehefa namaky ny sorara masina aho dia fantatro fa ny zavatra rehetra ataontsika amin’ny hafa dia ataontsika amin’i Jesoa Kristy. Mino aho fa ny fananana faharetana no fanalahidiny. Tsy fantatsika mihitsy hoe rahoviana ireo teny zaraintsika no mety hitahy olona.”

Valeria V., 14 taona, Bolivie

Mivavaha ho azy ireo

“Fomba iray mora hizarana ny filazantsara ny fanehoana fitiavana an’ireo namanao. Afaka mivavaka ianao mba hanana ny herim-po hizarana ny filazantsara. Afaka mivavaka ho azy ireo ihany koa ianao mba hanana fahatakarana tsara kokoa ny hafatry ny filazantsara.”

Yuria K., 18 taona, Japana

Hamoaka printy