2019
Sao dia tsy fantatrao ity lafiny tena manan-danja ao anatin’ny fanompoana ity?
Ôktôbra 2019


Ireo fitsipika momba ny fanompoana

Sao dia tsy fantatrao ity lafiny tena manan-danja ao anatin’ny fanompoana ity?

Ny atao hoe manompo dia ny “[miaraka] mifaly amin’izay mifaly” tahaka izay atao rehefa “[miaraka] mitomany amin’izay mitomany” ihany koa (Romana 12:15).

Sary
man at a party holding a tray with people dancing on it

Sary nataon’i Augusto Zambonato

Rehefa mieritreritra mikasika ny fanompoana isika dia mora ny mieritreritra momba ny fanampiana ireo izay mila fanampiana. Resahintsika ao anatin’izany ny fanaovana ny zaridainan’ny mananotena, ny fanaterana sakafo ho an’ny marary na ny fanolorana fanomezana ho an’izay sahirana. Tadidintsika ny torohevitr’i Paoly mba “[hiaraka] hitomany amin’izay mitomany,” saingy moa ve mba ifantohantsika ihany ilay ao amin’ny ampahany voalohany ao amin’izany andininy izany, dia ny hoe “[miaraka] mifaly amin’izay mifaly”? (Romana 12:15). Ny fiarahana mifaly amin’ireo izay tompointsika, na izany midika hoe mankalaza ny fahombiazany na manampy azy hahita fifaliana ao anatin’ireo fotoan-tsarotra, dia lafiny tena manan-danja ao anatin’ny fanompoana toy ny ho nataon’ny Mpamonjy.

Ireto misy hevitra telo izay afaka manampy (ary anankiray izay tokony hosorohina) rehefa miezaka ny mifantoka amin’ny zavatra tsara apetrak’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika.

1. Aoka ianao hahafantatra

I Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia manampy antsika hahatakatra fa ilaintsika ny mahita ireo izay tompointsika, tsy hoe mahita ireo enta-mavesany sy ny fahasahiranany fotsiny fa ny tanjany sy ny talentany ary ny fahombiazany koa. Nilaza izy fa isika dia tokony ho “olona mpandresy sy azo itokiana, olona iray izay mahafantatra ny toe-javatra iainan’izy ireo sy manohana azy ireo amin’ireo zavatra antenain’izy ireo sy irin’izy ireo.”1

Ao amin’ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy, dia nilaza ny Mpamonjy fa ireo izay ho eo ankavanany dia hanontany hoe: “Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?

“Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay?” (Matio 25:37–38).

“Ry rahalahy sy rahavavy, ny teny fototra dia hoe hita,” hoy ny Rahavavy Cordon. “Ny olo-marina dia nahita ireo sahirana satria nandinika izy ireo ary nahita. Isika ihany koa dia afaka ny ho maso mahay mandinika mba hanampiana sy hampaherezana, mba hanaovana fankalazana sy hanofisana mihitsy aza.”2

2. Mitadiava antony hanaovana fankalazana

Ankalazao ireo fahombiazana na lehibe izany na kely. Mety hoe tafavoaka velona tamin’ny homamiadana izany na tafarina taorian’ny fisarahana tamin’olona, na nahita asa vaovao na nahita kiraro very, na tafarina iray volana taorian’ny fahafatesan’ny olon-tiana iray na tafavoaka velona rehefa nifady siramamy nandritra ny herinandro.

Miantsoa mba hanolorana fiarahabana, na mametraha karatra kely misy hafatra, na mandehana miaraka misakafo antoandro. Amin’ny alalan’ny fiarahana mizara ireo fitahiana azontsika, sy ny fiainana ombam-pankasitrahana ary ny fankalazana ireo fitahiana sy fahombiazana azon’ny hafa dia “manam-pifaliana ao amin’ny fifalian’ny rahalahin[tsika]” isika (Almà 30:34).

Sary
woman clapping while people dance

3. Jereo ny tanan’ny Tompo

Indraindray ny atao hoe miara-mifaly amin’ny hafa dia manampy azy ireo hahita ireo antony tokony hifaliana, na inona na inona zava-tsarotra na zava-tsoa tonga eo amin’ny fiainantsika. Ilay fahamarinana tsotra hoe, fantatry ny Ray any An-danitra ny momba antsika ary vonona ny hampitraka antsika Izy dia efa loharanom-pifaliana mahatalanjona.

Afaka manampy ny hafa ianao hahita ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny nahitanao izany teo amin’ny fiainanao manokana. Aoka ianao hisokatra tsara eo amin’ny fizarana ny fomba nanampian’ny Ray any An-danitra anao tao anatin’ireo olanao. Afaka manampy ny hafa hahita sy hahafantatra ny fomba nanampiany azy ireo izany fijoroana ho vavolombelona izany (jereo ny Môzià 24:14).

4. Aza ferana ny fahafahanao hifaly

Mampalahelo fa indraindray isika dia afaka mametra ny fahafahantsika miara-mifaly amin’ny hafa, indrindra rehefa miahiahy ny amin’izay hatolotsika sy ny toerana misy antsika eo amin’ny fiainantsika isika. Raha tokony hahita fifaliana ao anatin’ny fifalian’ny olona iray hafa isika dia lasa tafalatsaka ao anatin’ny fandriky ny fampitahana. Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fampitahana ireo fitahiana dia tena azo antoka fa handroaka ny fifaliana. Tsy afaka ny ho sady mpankasitraka isika no sady mpitsiriritra.”3

“Ahoana no ahafahantsika mandresy izany fironana saika arahin’ny rehetra izany?” hoy ny fanontanian’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “… Afaka manisa ireo fitahiana maro azontsika isika ary afaka midera ireo zava-bitan’ny hafa. Ny tena tsara indrindra, dia afaka manompo ny hafa isika, izay asa atao faran’izay tsara ho an’ny fo natolotra hatramin’izay.”4 Aleo isika midera an’ireo izay tompointsika toy izay mampitaha. Zarao amim-pahalalahana ny zavatra tianao mikasika azy ireo na ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo.

Nampahatsiahy antsika i Paoly fa isika rehetra dia mandrafitra ny momba ny tenan’i Kristy ka raha “omem-boninahitra ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena” (1 Korintiana 12:26). Miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra dia afaka ny hahafantatra ireo zavatra niainan’ny hafa isika, hankalaza ireo fahombiazana lehibe na kely, hanampy azy ireo hahatsapa ny tanan’ny Tompo ary handresy ny fialonana mba hahafahantsika rehetra miara-mifaly marina amin’ireo fitahiana sy talenta ary fifaliana azon’ny hafa.

Fanamarihana

  1. Bonnie H. Cordon, “Lasa mpiandry ondry,” Liahona, nôv. 2018, 75.

  2. Bonnie H. Cordon, “Lasa mpiandry ondry,” 75.

  3. Quentin L. Cook, “Rejoice!” Ensign, Nov. 1996, 30.

  4. Jeffrey R. Holland, “The Other Prodigal,” Liahona, May 2002, 64.

Hamoaka printy