Ireo fitahiana avy amin’ny fomba fijery araka ny filazantsara
Avy amin’ny lahateny iray, “Fomba fijery araka ny filazantsara,” natao nandritra ny fampaherezam-panahy iray tany amin’ny Brigham Young University–Hawaii tamin’ny 19 septambra 2017.
Ny fomba fijery araka ny filazantsara dia hanome fahazavana lehibe kokoa ho anao mikasika ny fomba fieritreretanao ireo laharam-pahamehanao eo amin’ny fiainana sy ny fomba famahanao olana ary ny fomba fiatrehanao ireo fakam-panahy eo anoloanao.
Tena fitahiana lehibe ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ao anatin’izao fotoampitantanana izao, ka ny famerenana ireo fanalahidin’ny fanjakana sy ny fahatanterahan’ny faminaniana dia manome fahafahana antsika ho vavolombelona voalohan’ny “[fikodiadian’ny] filazantsara hatrany am-paran’ny tany, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo.”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2).
Izany faminaniana nataon’i Daniela ao amin’ny Testamenta Taloha izany, izay avy eo naverimberina nandritra ity fotoampitantanana ity, dia toa efa eo an-dalam-pahatanterahana noho ny fahitantsika ny fitsanganan’ny tsatòka miisa 3.300 ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny 50 taona lasa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana dia niainga teo amin’ny 2,1 tapitrisa ary lasa nitombo 16 tapitrisa mahery.1
Na dia mahatalanjona aza izany fivoarana sy fiovana haingana izany dia tsy miova ireo fitsipika sy fomba fanao ao amin’ny filazantsara, ka tafiditra ao anatin’izany ilay lamin’ny fitantanana masina izay nambara ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Io lamina io dia manome fahafahana hananganana tsatòka izay narafitra mba hanomezana “fiarovana sy fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6).
Ry rahalahy sy anabavy, malala-tanana ny Tompo eo amin’ny fanomezana ireo fitahiana ho antsika. Fitsipika manan-danja tokony hianarana ny fahatakarana fa ireo fitahiana dia vokatry ny fankatoavantsika ireo didy ary ny fitandremana ireo didy dia fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo. Ny fitsipiky ny filazantsara tahaka ireo dia manolotra fomba fijery manan-danja ho antsika.
Mitondra any amin’ny zavatra anankiroa izay tiako hamafisina izany. Marihiko fa ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia efa nizara ireo zavatra anankiroa ireo tany aloha tamin’ireo tanora tokan-tena tamin’ny 2015.
Manàna foana fomba fijery araka ny filazantsara
Nilaza ny Loholona Dallin H. Oaks fa “ny fananana fomba fijery dia midika hoe fahafahana mahita ny zava-misy rehetra ao anatin’ny fifandraisana manan-danja iray. Izy iray manontolo no miaraka hita.”2 Ireto misy zavatra sasantsasany izay takatrao rehefa manana fomba fijery araka ny filazantsara ianao:
-
Zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24).
-
Misy antony ny maha-eto an-tany anao ary nomena fahafahana hanao safidy ianao (jereo ny 2 Nefia 2:27; 10:23).
-
“Satria tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11).
-
I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanalalana antsika amin’ny Ray (jereo ny 1 Jaona 2:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4).
Eritrereto ny zavatra mitranga raha toa ilay fomba fijery araka ny filazantsara no lasa veran-tsolomaso ijerenao ireo lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainanao. Ny fomba fijery araka ny filazantsara dia hanome anao fahazavana lehibe kokoa mikasika ny fomba fieritreretanao ireo laharam-pahamehanao eo amin’ny fiainana sy ny fomba famahanao olana ary ny fomba fiatrehanao ireo fakam-panahy eo anoloanao. Tena hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fanomoranao ny fiainanao iray manontolo sy eo amin’ireo fanapahan-kevitra isan-karazany horaisinao eny an-dalana eny izany.
Rehefa hita izany dia fantatsika fa ny Tompo dia maniry ny mba handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ary maniry ny handalinantsika ny soratra masina sy ny hivavahantsika Aminy isan’andro. Ankoatra izany dia fantatsika fa haka fanahy antsika i Satana mba tsy hanaraka ny Mpamonjintsika na tsy hihaino ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina. Afaka ny hahafantatra bebe kokoa isika avy eo fa ilay fahavalo dia miezaka ny manaisotra ny fahafahantsika misafidy sy ny fahafahantsika manohitra ny ezaka ataony amin’ny alalan’ny fiankinan-doha amin-javatra, tafiditra ao anatin’izany ny zava-mahadomelina sy ny pôrnôgrafia.
Mifanohitra tanteraka amin’izany ny veran-tsolomason’ny filazantsara izay manome anao fahitana mazava ny maha-zava-dehibe ny fanorenana fianakaviana, ny fisafidianana ny hanambady sy hitaiza ny zanaka ao anatin’ny fahamarinana. Izany fahitana izany koa dia manokatra ny masontsika mba hahita fa ilay fahavalo dia te hanimba ny vondron’ny fianakaviana iray manontolo sy hampisafotofoto ny anjara asan’ny lahy sy ny vavy, ka mitarika any amin’ny fihenan’ny fanomezan’ny fiarahamonina lanja ny fiorenan’ny fianakaviana sy ny fanorenana fianakaviana.
Miezaha hanana filaminana ara-panahy
Hoy ny Filoha Oaks hoe: “Rehefa manana ilay fomba fijery ireo tanora, ilay fahitana iray manontolo ny zavatra rehetra, dia zava-dehibe ho azy ireo ny miezaka hanana filaminana ara-panahy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mba hanatanterahana izany dia tsy maintsy manalavitra ny sasany amin’ireo zava-mahasarika an’izao tontolo izao ianao ary koa manao ireo zavatra ilaina mba hanakaikezana bebe kokoa ny Mpamonjy.”3
Amin’ny lafiny iray ianao dia manana olana maro ilaina vahana maika sy laharam-pahamehana maro eo amin’ny fiainana izay samy hafa ny habeny sy ny karazany, ary ilaina atrehina sy ifantohana ary tantanina daholo izy rehetra. Mety tsy mitovy ny ao anatin’ny lisitry ny tsirairay izay mifototra amin’ny toe-javatra iainanao, saingy azo antoka fa ao anatin’izany dia ho hitanao ny hoe fianarana, asa, fanambadiana, ary ny zava-mahasoa ara-pihetseham-po sy ara-batana. Mazava ho azy fa ny fanamby miandry anao dia ny hampifandanja ireo asa manan-danja eo amin’ny fiainana ireo amin’ny fiainam-panahinao.
Nanoro hevitra koa ny Filoha Oaks fa tsy maintsy mitandrina ianao rehefa “mitsinjara ny fotoanao mba tsy ho mosarena ara-panahy ianao mandritra ny fotoana izay ahitana fa mifanotona amina zavatra hafa ireo fiaraha-mientan’ny kilonga efa voalamina izay sahaninao. Izany fitsipika izany dia manazava ny antony maha-manan-danja ny fanarahan’ny tanora ilay torohevitra mba hanatrika ireo fivoriam-piangonana, hanompo ao amin’ny Fiangonana, handalina ny soratra masina isan’andro, handohalika isan’andro hanao ny vavaky ny mpianakavy, ary hanompo amin’ny alalan’ireo antso ao amin’ny Fiangonana.4
Ao anatin’ireo zavatra ilainao manokana sy ireo zavatra samihafa ilaina, mba hampifandanjana ny fiainam-panahinao sy ireo zavatra tratrarina ary ireo olana atrehana eo amin’ny fiainana, dia ho tsapanao fa azo atao tsara izany fampifandanjana izany. Tsy mitaky anao mba hanao zavatra tsy ho vitanao ny Tompo. Naheno imbetsaka ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) aho nanoro hevitra fa “izay antsoin’ny Tompo dia omanin’ny Tompo.”5 Miantefa manokana amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana izany araka ny eritreritro.
Na toa mampitahotra aza ny fihazonana io fampifandanjana io, dia mampanantena aho fa ny iray amin’ireo fahagagana lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao eto an-tany dia ny fahafahanao nampifandanja ny fiainam-panahinao sy ireo andraikitra manan-danja hafa eo amin’ny fiainana. Izany dia mety hiseho amin’ny fomba izay tsy hoe hanome fahafahana anao hihazona fotsiny ny fiainam-panahinao sy ireo andraikitra manan-danja hafa eo amin’ny fiainana ho eo amin’ny haavony misy azy, fa hanome fahafahana anao koa mba hivoatra sy hivelatra eo amin’ireo sehatra roa manan-danja ireo.
Ny antony voalohany mahatonga izany ho azo tanterahina dia noho ny Tompo izay andrin’izany. Izy no tena ivon’izany fampifandanjana izany. Ary manana lanja masina manokana ianao Aminy satria iray amin’ireo zanany ianao. Saingy io vokany io dia mifototra amin’ny fifantohanao sy ny ezaka ataonao araka ny tokony ho izy mba hihazonana ilay fifandanjana.
Raha ny zavatra hitako sy ny zavatra niainako manokana dia toa mirona amin’ny fianteherana bebe kokoa amin’ny fomba iray na amin’ny fomba iray hafa isika mandritra ny fiainantsika. Mitaky ezaka sy fikarakarana tsy tapaka ny fihazonana ny fahaizana mampifandanja. Safidio amim-pahavitrihana ny hanohy izany hatrany.
Ny mahagaga dia mety hiseho koa ny tsy fifandanjana. Mety hisy fotoana izay ahitanao fa mila manao fandaminana ianao mba hifantoka mazava tsara amin’ny fianaranao na ny asanao, ka amin’ny fotoana tokony hanaovana ny “asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana ihany vao tanterahina ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana.”6 Saingy tadidio ny hihazona ny Tompo ho ilay andrinao mba hahafahanao mahita ilay filaminana ara-panahy araka ny tokony ho izy.
Hanampy anao ny Tompo
Rehefa manana fomba fijery araka ny filazantsara isika dia mora ny mahatakatra ilay fahamarinana fototra fa hanampy antsika ny Tompo. Ny fitsipika fototra iray an’ny filazantsara dia ny hoe zanaky ny Ray aman-dreny any An-danitra be fitiavana isika. Tena tsotra ho Azy ireo ny manampy antsika amin’ny fomba rehetra mba hiverina any amin’ilay fonenana any an-danitra.
Te hizara ohatra iray mikasika ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao aho. Nozarain’i Thad Carlson izay iray tamin’ireo mpitarika ny zatovo nisy ahy izy ity, taona maro lasa izay. Nisy fiantraikany lehibe teo amiko nandritra ireo taona nitomboako ny fisian’i Thad, izay vao nodimandry vao haingana. Lehibe nandritra Vanim-potoan’ny Korontana ara-toekarena Lehibe izy. Fahasivy tamin’ireo zanaky ray aman-dreniny niisa 14 izy. Nivelona tamin’ny fambolena sy fiompiana omby ny fianakaviany. Fotoam-pahasahiranana ara-bola tamin’izany, ka ny tena fananan’izy ireo dia ireo andian’ombiny.
Fony i Thad mbola zatovo dia iray amin’ireo andraikiny ny mikarakara ireo omby ary rehefa ilaina dia miambina azy ireo ka manao izay hahitan’izy ireo sakafo tena tsara. Asa goavana izany ho an’ny zatovolahy kely iray. Afaka nanao izany izy niaraka tamin’ny fanampian’ny soavaly bozeny marani-tsaina iray izay nahafantatra tsara ny zavatra tokony hatao miaraka amin’ny torolalana kely fotsiny. Old Smoky no anaran’ilay soavaly bozeny. Saingy nanana fahalemena iray i Old Smoky: tsy tiany velively ny samborina. Isaky ny misy olona manatona azy dia mitsoaka izy noho ny fahafantarany fa ho ampiasaina izy.
Indray andro rehefa voasambotra i Old Smoky ary nasiana lamboridy sy lafika fipetrahana teo aminy, dia nandeha tany amin’ny tanim-bilona izay niraofan’ny omby vilona i Thad kely. Maina ilay tany ary torak’izany koa ny vilona, saingy tsikaritr’i Thad fa ny ahitra tany ivelan’ilay tanim-bilona nanaraka ireo sisin’ny lalamby dia lava kokoa sy maitso kokoa. Noho izany dia nieritreritra izy fa hitondra ireo ombivavy any ivelan’ilay tanim-bilona voafefy ary hamela azy ireo hankafy sakafo tsara manaraka ny lalamby.
Nentin’i Thad tany ivelan’ilay tanim-bilona ny omby niaraka tamin’ny fanampian’i Old Smoky, ka nanomboka nivezivezy nanaraka ny lalamby izy ireo nihinana ahitra tsara kokoa sy maitso kokoa. Toa samy nikarakara ny tenany ireo ombivavy afa-po, ka dia niakatra teo ambonin’ny soavaliny i Thad ary nipetraka teo ambonin’ny lamboridin-tsoavaly, nankafy ny manodidina azy, ary nilalao sy nampifalifaly ny tenany. I Old Smoky anefa dia mba te hiraoka ahitra koa ka lasa nirifatra tamin’ny farany ary niporitsaka avy tao ambanin’i Thad ilay lamboridiny.
Niato tamin’ny fomba nahazendana ary tampoka ilay fotoana tena tsara sy feno fahatoniana, rehefa naheno feo mafy avy tany lavitra tany i Thad. Ny kiririokan’ny fiaran-dalamby iray efa manatona ilay izy, izay mandeha mafy midina amin’ilay lalamby ahitana ny andian’ombiny izay nandehandeha tsy taitra akory teo anoloany teo! Tsapany fa hahatsiravina ny fiantraikany eo amin’ireo andian’omby sy eo amin’ny fianakaviany raha toa izy ka tsy mandray andraikitra haingana mba hamerina ny andian’omby ao amin’ilay tanim-bilona sy hanalavitra ilay fiaran-dalamby efa mananontanona. Nahatsapa izy fa tsy ho vitany velively ny hamela heloka ny tenany noho ny tsy fanatanterahany ilay andraikitra nomena azy.
Nitsangana haingana i Thad ary nihazakazaka nisambotra ny lamboridin’i Old Smoky. Hitan’i Old Smoky fa nanatona i Thad ka dia nitsoaka azy izy satria tsy te hosamborina. Rehefa sempotra sy kivy ary nahita sary an-tsaina ireo ombivavy maty sy ny fahorian’ny fianakaviana i Thad, dia fantany fa nila nandray andraikitra haingana izy.
Taty aoriana dia nosoratany ny zava-nitranga: “Nampianatra anay mba hivavaka ny mpampianatra anay tao amin’ny Kilonga ary nanamafy ireo fampianarana nianarako avy tamin’ny reniko. Rehefa tsy hitako intsony izay natao dia nandohalika aho ary nanomboka nivavaka mba hahazo fanampiana hanalana ireo ombivavy teo amin’ny lalamby.”
Tsy naheno feo i Thad, saingy nisy eritreritra mazava tonga tao an-tsainy: “Jereo fa afaka mandeha eo akaikin’i Old Smoky ireo ombivavy ary tsy mitsoaka izy. Noho izany … efa mandohalika ianao izao, dia mandadia koa. Mody manaova toy ny ombivavy ary mandadia mankeny amin’i Old Smoky.”
Hoy i Thad hoe: “Nataoko izany. Ary tsy nihetsika izy. Nosamboriko ny fihazonana ny lamboridiny, ary notarihiko nankeny amin’ilay fefy izy, dia nihanika teo amboniny aho ary nirifatra toy ny rivotra izahay namerina ireo ombivavy ho eny amin’ny tanim-bilona. Tsy mbola mailaka toy izany i Old Smoky tao anatin’ny fiolanana rehetra.”
Taty aoriana rehefa tany amin’ny lisea i Thad dia tena nahatsapa izy fa naharay valim-bavaka mazava tao anatin’ilay fotoam-pahasahiranana. Nilaza izy hoe: “Nitarika an’i Old Smoky nihoatra ny fahafahako nanao izany ireo anjely ary tsy tra-pahoriana ny fianakavianay.” Nilaza izy taty aoriana hoe: “Izany no anisan’ny iray tamin’ireo bitsika maro izay [tonga] teo amiko. -Ary na inona na inona hangatahinareo ny Ray amin’ny anarako, ka rariny, rehefa mino ianareo fa handray, dia indro homena anareo izany-(3 Nefia 18:20).”7
Samy manana ireo ombintsika izay tokony hesorina eo amin’ny lalamby mialoha ny hahatongavan’ny fiaran-dalamby isika rehetra. Tonga amin’ny endriny sy halehibeny samihafa ireo loza mianjady amintsika. Ny sasany aza tena goavana toy ny toe-javatra nampidi-doza nianjady tamin’i Thad, izay loza manambana ny aina na ny fanahy ho antsika sy ho an’ireo olon-tiantsika.
Ireo toe-javatra hafa atrehantsika dia mety tsy misy fiantraikany goavana saingy mitambesatra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika na dia izany aza. Ny zavatra iray azo antoka dia samy handalo fahoriana sy fijaliana isika eo amin’ny fiainantsika satria tafiditra ao anatin’ireo zavatra iainantsika eto an-tany izany. Tsarovy anefa fa hanampy antsika ny Tompo!
Tiako ity teny hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ity: “Hitantsika fa Andriamanitra dia mahatsiaro ny vahoaka tsirairay, na aiza na aiza tany mety misy azy; eny, manisa ny vahoakany Izy, ary ny kibon’ny famindram-pony dia manerana ny tany manontolo” (Almà 26:37).
Midika hoe isika tsirairay izany. Tena mampahery ny mahafantatra fa hanampy antsika ny Tompo.
Finoana, fanantenana ary fijery araka ny filazantsara
Hamintinana azy dia mamporisika anareo aho mba hahatsiaro ny hihazona fomba fijery araka ny filazantsara. Jereo amin’ny alalan’ny veran-tsolomason’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tontolo manodidina anao.
Miezaha hanana filaminana ara-panahy. Miatrika olana sy fahafahana manao zavatra isika rehetra eo amin’ireo andraikitsika eo amin’ny fiainana ary vitantsika tsara ny miatrika azy ireny rehefa lanjalanjaintsika miaraka amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.
Farany, manàna finoana sy fanantenana fa hanampy anao ny Tompo. Ny fahalalana izany no manampy anao hiatrika amim-pahatokian-tena ireo olana izay ampahany iray tsy azo ihodivirana ao anatin’ny asa nanirahana anao eto an-tany.