Namana nizara ny hazava ny tamiko
Mipetraka any Basse Californie, Mexique ny mpanoratra.
Nahatsapa ho natahotra sy irery aho. Dia nifindra tany amin’ny firenena iray hafa aho ary izay indray vao nandeha nivavaka tao anatin’ny fotoana tena naharitra.
Niara-nipetraka tamin’ny reniko tao amin’ny tanàna kely iray tao Mexique aho ary nifankafantatra daholo ny olona tao. Nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy aho, saingy niroaroa saina aho ary izaho no hany zatovovavy navitrika tao amin’ilay tanàna iray manontolo.
Naniry ny hoeken’ny fiarahamonina aho ka dia nanao zavatra izay toa nety tsara tamin’izany fotoana izany: hiaraka aman’olona. Iray fotsiny amin’ireo fahadisoana voalohany natomboko natao izany. Nanomboka nilefitra tamin’ny tsindry avy amin’ny namana aho ary nihevitra fa efa lehibe aho ka tokony hihevitra ny amiko, ary ny dikan’izany dia hoe ho lasa zatovovavy malaindaina niaina lavitra ny filazantsara.
Niaina tao anatin’ny haizina nandritra ny herintaona aho, ary nihamaizina hatrany izany isan’andro. Ireo fanapahan-kevitra ratsy noraisiko dia nitarika ady hevitra teo amiko sy ny fianakaviako, ary nahatsapa aho fa tsy afaka nanohy niara-niaina tamin’izy ireo intsony. Saingy tsy tonga saina aho hoe nisy zavatra tsy ampy raha tsy tamin’ny fotoana nahafatesan’ny namana akaiky Olomasin’ny Andro Farany iray. Indrisy anefa fa nanome tsiny an’ Andriamanitra sy ny filazantsara aho. Lasa tsy nino intsony aho fa tonga avy amin’ny fankatoavana ny fitahiana. Fantatro fa raha tsy nanapa-kevitra ny hanomboka hiaina ny filazantsara aho dia ho nanohy tsy niraharaha ny fifandraisako tamin’ny Fiangonana ary nanohy niaina tamin’ny fomba araka ny fanaon’izao tontolo izao.
Nipetraka teo amin’ny fandriako tao amin’ny efitrano maizina iray aho, nitomany ary nalahelo ny tenako rehefa nahatsapa fa natahotra aho, natahotra ny hijanona irery tao tsy nanana olona niresahana, natahotra ny tsy ho afaka hanonitra ireo ratsy rehetra vitako, natahotra sao dia tsy hisy olona hamela heloka ahy, indrindra fa Andriamanitra.
Taty aoriana dia nifindra tany Minnesota Etazonia aho, niaraka tamin’ireo ray aman-drenibeko izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Niara-nandeha fiaramanidina tamiko ny raikeliko, ary tamin’ny alahadiko voalohany tany dia nandeha nivavaka izahay, saingy handeha hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo fotsiny. Rehefa nifarana ilay fivoriana dia efa nanapa-kevitra ny handao ilay Fiangonana aho, saingy tsy nampoiziko fa raha iny izahay nandeha nankeny amin’ny fiara iny dia nahita ny eveka nihazakazaka mba hiresaka taminay aho. Nametraka fanontaniana vitsivitsy taminay izy ary nanasa anay hiverina ny alahady manaraka, ary dia niverina izahay.
Ny alahady manaraka, raha vantany vao vita ilay fivoriana fanasan’ny Tompo, ary tsy mbola tafatsangana akory aho, dia nohodidinin’ny zatovovavy avy ao amin’ilay paroasy aho. Zatovovavy izay hanampy ahy hanova ny fiainako.
Tampoka teo aho dia niditra tao anatin’ny tontolo iray tena hafa tanteraka: tontolo nisy eveka sy filohan’ny Zatovovavy izay tia ahy, ary ny tena zava-dehibe indrindra dia zatovovavy izay niezaka niaina ny filazantsara isan’andro, izay niezaka niaina fenitra ara-pitondrantena ambony ary nanao izay tsara tamim-pahatokiana. Namiratra tokoa izy ireo ka dia afaka nanazava ny lalana teo anoloako.
Teo vao fantatro ny tokony hataoko hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazava[ko], mba hahitany ny asa soa atao[ko] ka hankalazany ny Rai[ko] Izay any an-danitra” (jereo ny Matio 5:16). Ka noho izany dia nanomboka izany aho tamin’ny alalan’ny fandehanana mivavaka sy namonjy ny Fiaraha-mientana Ifanakalozana isan-kerinandro, namaky ny bokin’i Môrmôna sy nivavaka isan’andro, nanao fitafy maotina, nampiasa fiteny tsaratsara kokoa, nandeha tany amin’ny tempoly, ary nanomana ny tenako hahazo ny tsodranon’ny patriarikako.
Niova tanteraka aho, saingy tsy tsapako izany raha tsy tamin’ny lasin’ny Zatovovavy, rehefa nahatsapa ny Fanahy Masina aho ary nahita fa nanana fijoroana ho vavolombelona aho, fijoroana ho vavolombelona izay hampahatsiahy ahy fa tia ahy Andriamanitra, fa manana drafitra ho ahy Izy, ary tsy tiany ho irery aho. Fijoroana ho vavolombelona mazava sy matanjaka ka nanova ahy mihitsy. Fijoroana ho vavolombelona hozaraina ary tsy hoe hanazava ny lalako fotsiny fa ny lalan’ny hafa ihany koa. Fijoroana ho vavolombelona tsy matahotra ny hamiratra ao anatin’ny haizina.