2019
Mitia ny hafa tahaka ny itiavan’i Jesoa antsika
Ôktôbra 2019


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mitia ny hafa tahaka ny itiavan’i Jesoa antsika

Namboarina avy amin’ny “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Liahona, nôv. 2014, 25–28.

Sary
Loving Others as Jesus Loves Us 1
Sary
Loving Others as Jesus Loves Us 2

Nomen’i Jesoa didy manan-danja ireo mpianany hoe: “Dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15:12). Noho isika mpanara-dia an’i Kristy dia tokony hiara-hiaina amim-pilaminana amin’ny hafa isika. Tafiditra ao anatin’izany ireo olona izay tsy mino ny zavatra inoantsika.

Ireto misy fomba vitsivitsy azontsika ifankatiavana tahaka ny itiavan’ny Mpamonjy antsika:

  • Meteza ho tsara fanahy amin’ny olona tsy mitovy aminao.

  • Hajao ny zavatra inoan’izy ireo.

  • Aza mampijaly na manevateva na iza na iza mihitsy.

  • Aoka ianao ho olona mahay mihaino.

  • Mahalalà fomba. Aza miady hevitra amin-katezerana.

  • Mijoroa amin’ny marina.

  • Resaho amin’ny hafa amim-panetrentena ny filazantsara. “[Resaho] ny marina amin’ny fitiavana” (Efesiana 4:15).

Ny didin’ny Mpamonjintsika mba hifankatia tahaka ny itiavany antsika angamba no fanamby lehibe indrindra ho antsika. Mivavaka aho mba hahafahantsika miezaka maneho fitiavana amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

Hamoaka printy