2019
Efa toy izay mihitsy ve sa toy izay teo aloha: izay no fanontaniana mipetraka
Ôktôbra 2019


Efa toy izay mihitsy ve sa toy izay teo aloha: izay no fanontaniana mipetraka

Andrandraina mba hitsara isika. Tsy maintsy. Saingy tsy tokony hitsara an-tendrony na hamaritra na iza na iza avy amin’ny alalan’ny toetra iray manokana isika.

Sary
variety of different people

Sary nataon’i David Habben

Taona maro lasa izay dia nandeha nanao fitsidihana tany amin’ny Château de Kronborg tao Elseneur Danemark izaho sy ny vadiko. Io lapabe io dia lasa nalaza noho ny tantara an-tsehatra Hamlet nataon’i Shakespeare. Rehefa nandeha teo amin’ireo lalantsara malalaka tao amin’ilay lapabe izahay dia henik’ireo tantara an-tsehatra sy ny resaka nifanaovana avy ao amin’ilay tantara an-tsehatra ny sainay, indrindra fa ilay fanontaniana malaza napetrak’i Hamlet hoe: “Inona no hitranga, na tsy hitranga: izany no fanontaniana mipetraka.”

Saingy taorian’izay aho dia nieritreritra fanontaniana manan-danja kokoa noho izany mba hapetratsika hoe: “Efa toy izay mihitsy ve sa toy izay teo aloha: izay no fanontaniana mipetraka.”

Manomeza fahafahana hivoatra

Mampalahelo fa matetika isika no mampiasa famaritana avy amin’ny alalan’ny toetra iray manokana rehefa miresaka ny hafa. Ohatra, mety hilaza zavatra toy izao isika:

  • “Misiônera kamo i Elder Brown.” Ho solon’izay dia tokony hiteny isika hoe: “Tsy dia niasa mafy i Elder Brown tato ho ato, saingy mino aho fa afaka mivoatra izy.”

  • “Tsy olona mpivavaka i Mary.” Kanefa afaka milaza isika hoe: “Tsy liana tamin’ny fivavahana i Mary teo aloha, saingy mety hahatsapa ny Fanahy izy raha mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako aminy aho.”

Rehefa milaza isika fa amin’izao fotoana izao dia toy izao na toy izao ny olona iray, dia mety hiafara amin’ny famaritantsika olona avy amin’ny toetra iray manokana izany na amin’ny fitsarana an-tendrony, mitsara kanefa tsy manome fahafahana mba hiovana sy hivoarana. Saingy rehefa milaza isika hoe teo aloha, dia maneho isika fa azo heverina ny hisian’ny fitomboana sy ny fivoarana.

Tsy mety ve ny mitsara?

Ny ankamaroan’ny dikanteny ao amin’ny Baiboly dia manome ity fomba fandikana ny fampianarana iray avy amin’ny Mpamonjy ity: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo” (Matio 7:1). Kanefa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manome fanazavana hoe: “Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana ianareo … , fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina” (ao amin’ny Matio 7:1; nampiana fanamafisana).

Tena azo ekena tokoa, ary andrasana mihitsy aza, ny hitsarantsika rehefa manombantombana sy mandrefy ny zava-bita ary mahay mamantatra ireo toe-javatra misy sy mandray fanapahan-kevitra isika. Ary tena manan-danja tokoa ny hanaovantsika fitsarana marina rehefa mifanerasera aman’olona isika.

Ohatra, tokony hanadihady tsara isika ny amin’izay olona hovadintsika, hampiasa fahaizana mamantatra mba hahatakarana ny fikasana ananan’ny olona, na handrefy ny fahafahana manao zavatra an’ny tena manokana mba hanatontosana andraikitra nomena eo amin’ny lafiny arak’asa.

Tokony handrefy mandrakariva ny zavatra ataon’ny olona sy ny toetrany amin’ny alalan’ny fenitry ny Tompo isika, araka ny voarakitra ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Ary ambonin’ny zava-drehetra, isika dia tokony hahazo antoka fa ny fitsarantsika dia tsy mikasa ny hamaritra amin’ny fomba feno haratsiam-panahy, na hitsara an-tendrony maimaika, na hamaritra olona iray amin’ny toetra iray manokana amin’ny fomba tsy ara-drariny.

Afaka miova

Manao fitsarana tsy marina isika rehefa mamariparitra ny hafa amin’ny fomba tsy marina, indrindra moa fa raha te hilaza isika rehefa manao izany fitsarana izany fa tsy afaka miova izy ireo. Amin’ny fifaneraserana rehetra ataontsika amin’ny hafa, dia tokony hahatsiaro isika fa noho ny sorompanavotan’ny Tompo dia manana fahafahana ny hihatsara ny tsirairay avy amintsika. Eritereto ireto ohatra avy amin’ny Mpamonjy ireto:

  • Hoy Izy tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga hoe: “Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:11).

  • Hoy Izy tamin’ny iray tamin’ireo lehilahy voahombo teo akaikiny hoe: “Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43).

  • Rehefa lasa olona efa nitsangana tamin’ny maty Izy dia mbola nahita ny hery anaty hahavitan-javatra nananan’i Petera ihany Izy ary nanohy nampianatra azy, na dia efa nandà Azy intelo aza i Petera (jereo ny Matio 26:34 sy ny Jaona 21:15–17).

  • Nasainy nibebaka i Saoly, izay efa nanenjika ny Olomasina teo aloha. I Saoly izay lasa i Paoly dia nankatò ary lasa olo-marina. (Jereo ny Asan’ny Apôstôly 9:3–6.)

I Jesoa Kristy Tompo dia tompon-daka amin’ny fanomezana fahafahana hanova zavatra indray, na fanindroany izany, na fanintelony, na faninefany koa aza. Nampianatra antsika Izy ny hamela heloka “hatramin’ny [fito-polo im-pito]” (Matio 18:22). Izy no ilay hany olona niaina fiainana tonga lafatra teto ambonin’ity tany ity, kanefa noho ny fiainany, ny sorompanavotany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsarany, dia afaka ny ho lasa tonga lafatra ihany koa isika indray andro any. Ny firesahana ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny fomba mampita tsy finoana fa afaka ny hiova izy ireo dia hampita ihany koa tsy finoana ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ety ivelany sy ao anaty

Zava-misy marina eo amin’ny fiainana ny hoe matetika isika no mitsara (sy tsaraina) amin’ny fahitana antsika avy hatrany ety ivelany. Atahorana hanao fitsarana tsy marina anefa isika rehefa mitsara miainga avy amin’ny zavatra hita avy hatrany ety ivelany fotsiny ary tsy manadihady tsara ny tena toetra marina ananan’ny olona iray.

“Fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7). I Jesoa dia niantso ireo mpihatsaravelatsihy tamin’ny androny hoe: “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.”(Matio 23:27).

Tsy nampianatra akory ny Mpamonjy hoe ratsy izany manana endrika ivelany tsara sy maotina izany, fa hoe manan-danja lehibe kokoa ny toetran’ny lehilahy na ny vehivavy iray ao anatiny (ny toetra ara-pitondrantena sy ara-panahy). Eritrereto ireo tempolintsika kanto sy mahatalanjona: tsara ery ny tokotany saingy manan-danja lavitra noho izany ireo ôrdônansy izay tanterahina ao anatiny.

Ny misiônera ihany koa dia takina mba hanaraka ireo fitsipika mifehy ny fomba fitafy sy ny fikarakarana ny endrika amam-bika. Rehefa madio sy manao fitafy maotina ary mampiasa fiteny mendrika izy ireo, dia maneho ohatra tsara ho an’ireo izay lasa mahafantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny zavatra hitany sy reny avy amin’ny misiônera.

Mampiasa ny fahaizana mamantatra

Rehefa mikasa ny hanao fitsarana marina isika dia zava-dehibe ny mampiasa fahaiza-mamantatra. Ny Torolalana ho an’ny soratra masina dia milaza fa ny fahaiza-mamantatra dia “ny mahatakatra na ny mahafantatra zavatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy. … Ao anatin’izany ny fahatsapana ny tena toetry ny olona sy ny loharano ipoiran’ny fanehoam-panahy, ary koa ny heviny” (“Fanomezam-pahasoavana hoenti-mamantatra”).

Indraindray ireo olona izay ratsy ao anaty dia mampiasa ny endrika ivelany araka izao tontolo izao mba hamitahana antsika hieritreritra fa mendrika ny halain-tahaka izy ireo. Izy ireo dia “manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina” (Isaia 5:21; 2 Nefia 15:21). Ny Mpamonjy dia afaka nahatakatra fa tsy marina izany fomba fijery izany, ary afaka namantatra ny tanjaky ny toetra sy ny fikasana feno fahitsiana tao am-pon’ireo izay nanetry tena sy niharan’ny tsindry hazo lena indrindra aza Izy.

Nampiasa fahaiza-mamantatra toy izany i Almà rehefa niresaka tamin’ireo izay “amavoin’ny olon-drehetra … noho ny fahantrany” kanefa notahina satria izy ireo dia lasa “mietry am-po tokoa” (jereo ny Almà 32:5–8).

Tokony hotadidiantsika fa “izay an’ny Fanahin’Andriamanitra … [dia] araka ny Fanahy no amantarana izany” (1 Korintiana 2:14). Rehefa mihevitra ny hafa tahaka ny hiheveran’ny Raintsika any An-danitra azy ireo isika dia mamela antsika hanao fitsarana marina ny fahaiza-mamantatra.

Fitsarana marina

Isan’andro eo amin’ny fiainantsika, dia mitsara isika amin’ny alalan’ny fanombantombanana sy ny fandrefesana ny zava-bita ary ny fahaizana mamantatra. Tian’ny Tompo hataontsika amim-pahamarinana anefa izany. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo antsika, ny tenintsika sy ny asantsika dia tokony haneho fa mpamindra fo isika, be fitiavana, ary vonona ny hanampy.

Amin’ny maha-mpitsara marina antsika dia mila maka antoka isika fa ny toetran’ny olona iray no ifantohantsika bebe kokoa fa tsy ny endriny ivelany. Mifanindran-dalana amin’izany, isika dia tokony hahatsiaro fa isan’andro dia avy amintsika ihany no hiforonan’ny fomba fiheveran’ny olona antsika avy hatrany avy amin’ny fahitana ny endritsika ivelany sy ny teny ampiasaintsika. Ny ankamaroan’ny olona dia ho voasarika hamantatra bebe kokoa momba ny toetrantsika sy ny hafatry ny filazantsara raha ahitana taratra ny lanja ambony ananan’ny hafatra zaraintsika ny endritsika ivelany.

I Jesoa Kristy Tompo sy Mpampianatra antsika dia efa naneho antsika ny ohatra tonga lafatra tokony harahantsika eo am-piezahantsika mitsara amim-pahamarinana. Isika dia tokony hampifandanja, tahaka ny nataony, ny zavatra hitantsika ety ivelany amin’ny zavatra mitranga ao anatin’ny olona tsirairay.

Hamoaka printy