Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony
Ny fomba nianarako ny fihetsika tokony haseho rehefa misy olona miaiky fa manana olana amin’ny pôrnôgrafia
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Efa nahafantatra aho nandritra ny volana maro fa misy zavatra nitranga, saingy tsy fantatro izany raha tsy tamin’ilay fotoana izay niaiken’ilay namako am-bava tamiko ny marina fa nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia izy nandritra ny taona maro, efa ho hatry ny fotoana rehetra nahafantarako azy.
Raha nipetraka tao amin’ny fiara nihaino azy namboraka izany aho dia feno fankasitrahana. Aza disoina aho, nandratra ny nahafantatra fa nanana olana efa ela izy nefa tsy fantatro, saingy faly aho fa efa tamin’ny fotoana izay nahafahako miatrika izany am-pitiavana aho fa tsy tonga dia mitsaratsara.
Tsy hohamarinina mihitsy ny haratsiam-panahy
Indraindray ny fahalalana fa ratsy ny pôrnôgrafia dia mety hisy fiantraikany amin’ny fomba fijerintsika ny hafa. Fantatro fa nisy fotoana aho nanao izany. Fony aho mbola tanora kokoa raha naheno olona nanana olana amin’ny pôrnôgrafia dia hatezerana sy dikidiky no fihetsiko tao anaty. Saingy rehefa nilaza tamiko ny amin’ny olany ilay namako dia afaka nankahery azy kokoa aho satria nihanahafantatra bebe kokoa ireo fahotako aho nandritra ny fiainako.
Fantatro izao fa tsy hohamarinina mihitsy ny haratsiam-panahy. I Jesoa Kristy, ilay ohatra tonga lafatra ho antsika, dia nitady ireo olona izay nailikiliky ny hafa. Niresaka tamin’ny Samaritana sy ny mpanota Izy. I Kristy izay tsy “[m]ijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31), dia mijery “antsika, izay tsy lavorary tokoa, ka tsy hitakemotra ao anatin’ny horohoro sy rikoriko.”1 Koa rehefa nifampiresaka lalina tamin’io namako io aho dia niezaka nieritreritra ny fihetsika tokony hasehon’i Jesoa. Nanampy ahy hahafantatra ny fomba tokony hamaliana izany ny tantaran’ilay vehivavy tratra nijangajanga.
Maneho fangorahana
Ireo mpitantsoratra sy Fariseo niaina ny lalàn’i Mosesy nandritra ny vanim-potoana nanompoan’i Jesoa dia tsy nanana fangorahana firy. Nisy famaizana manokana sady mazàna henjana natokana ho an’ny fahotana, ary ny fijangajangana dia nitaky fitoraham-bato. Saingy rehefa nentina teo amin’i Jesoa ilay mpijangajanga, dia tsy rikoriko izy fa naneho fangorahana. Tsy niarahaba ireo niampanga Izy noho izy ireo nahatratra olona nanao izany fa nampahatsiahiviny an’ireo niampanga ireo kosa ny fahotan’izy ireo (jereo ny Jaona 8:3–7). Sady “samy efa nanota [avokoa isika rehetra] ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Tsy nanameloka ny mpanota i Kristy ary tsy tokony hanao izany koa isika (jereo ny Jaona 13:34–35).
Raha vantany vao lasa ireo niampanga, heniky ny fahatsapana ho meloka tao an-tsainy, dia niresaka tamin’ilay vehivavy i Kristy. Fohy ny teniny saingy lalina. Nanontany aloha Izy hoe: “Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?” Ary rehefa namaly ilay vehivavy fa lasana izy ireo dia namaly tsotra Izy hoe: “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:10–11).
Tsy ho nanampy io vehivavy io hiova ny fanamelohana, saingy fantatry ny Mpamonjy fa ny fitiavana no hanampy azy.
Mandehana ary aza manota intsony
Ny fitiavana no dingana voalohany amin’ny fanampiana olona handresy ny pôrnôgrafia. Ny dingan’ny fahasitranana dia an’ny tsirairay manokana foana, saingy misy dingana fototra izay ilaina arahin’ny olona tsirairay izay manana olana. Amporisiho izy ireo hihaona amin’ny evekany. Izy no hanana loharano sy fitaovana entina hanampiana. Rehefa azo atao dia ampio izy ireo hamantatra ny zavatra manosika azy ireo ho tafalatsaka ao anatin’ny pôrnôgrafia ary manaova drafitra hanampiana azy ireo hisoroka izany. Amporisiho izy ireo hijery matihanina na hiditra amina vondrona fanohanana. Ary tohizo hatrany ny fanehoana fitiavana sy ny fanohanana azy ireo eo amin’ny dingana tsirairay arahiny.
Naneho fitiavana an’ilay vehivavy ny Tompo ary naka antoka ny hahafantaran’ilay vehivavy fa tsy tiany hijanona ao amin’ny fahotany izy. Ny tena fiantrana dia tsy midika hoe tsy miraharaha ny fahotan’ny hafa isika, fa mahatonga antsika hahita ny zavatra tokony ho vitany kosa izany ary mamporisika antsika hanampy azy handroso.
Lalam-pinoana iray
Efa tiako ilay namako, saingy lasa tiako kokoa izy rehefa nilaza ilay tsiambaratelony tamiko. Na inona na inona zavatra vitanao na vitan’ny olona iray tianao, “tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”2
Raha mahafantatra olona manana olana amin’ny pôrnôgrafia ianao dia aza milavo lefona aminy! Anehoy fitiavana sy fangorahana izy ireo, tahaka ny hataon’ny Mpamonjy. Tsy ho mora foana izany. Tsy ho indray alina dia lasa ireo olana ireo. Manàna faharetana amin’ilay olona tianao sy amin’ny tenanao. Tsy hahafinaritra na ho mora foana ny mianatra mitia sy mahatakatra olona mandalo zavatra sarotra toy izany. Saingy matoky aho fa tsy ho zava-poana ny fitiavana rehetra izay omentsika, na manao ahoana na manao ahoana halava na vokatry ny dian’ilay olona tiantsika.