Satroka fotsy ho an’i Florence
Monina any Michigan, Etazonia ny mpanoratra.
Tonga teo amin’ny toerana nisy azy mahazatra tao amin’ilay tsena an-kalamanjana tomefy olona tao Onitsha, Nigéria i Florence Onyejekwe izay telo ambin’ny folo taona. Feno mpivarotra niantsoantso mpividy ny lalana. Niloloha entana eny am-pandehanana ny vehivavy. Vao tapitra ny fotoam-pianarana tany an-tsekoly fa tonga ny fotoam-pialan-tsasatra ary fantatr’i Florence fa nankafy ny fotoana tsy nianarana ny namany. Saingy nivarotra ravina Vernonia teo amin’izany tsena izany i Florence nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra. Izany no hany fomba ahafahany mahazo vola handoavana ny saram-pianarany.
Tsy nitaraina anefa i Florence. Na izany na tsy izany, dia mandany ora maro any an-tsena ny reniny isan’andro mivarotra vomanga mba hividianana sakafo ho an’ny fianakaviana. Tena niasa mafy i Neny. Samy niasa mafy ny ray aman-dreniny. Saingy rehefa tsy dia mianatra firy dia tsy misy zavatra betsaka azon’izy ireo atao. Efa kely sisa i Florence dia hahavita ny fianarana ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Angamba raha afaka manohy izy dia afaka mahita asa hahazoana karama tsara ary afaka manampy ny fianakaviany.
Rehefa nody i Florence dia nanatona ny ray aman-dreniny ary nanontany hoe: “Afaka mianatra any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ve aho araka ny eritreritrareo? Ary mety any amin’ny oniveriste mihitsy?”
Nijery an’i Nnam (dada) i Neny ary nihivingivin-doha. “Lafo be mihoatra ny eto am-pelatanantsika ny saram-pianarana any amin’ny oniversite,” hoy i Nnam. Niondrika nijery ny kirarony i Florence. Tsy tiany ho hitan’i Neny sy i Nnam ny halehiben’ny fahadisoam-panantenany.
Andro vitsy taty aoriana, dia nandeha tany amin’ny hôpitaly mba haka fanafody i Florence. Feno olona nitovy tamin’ny any an-tsena ny hôpitaly fa tsy dia nitabataba loatra. Nibanjina an’ireo mpanampy mpitsabo manao ireo satrony fotsy mangarahara i Florence. Naka sary an-tsaina ny tenany izy, manao akanjo toy ny azy ireo ary manampy ny marary sy mikarakara ireo zazakely any amin’ny hôpitaly lehibe iray. Angamba afaka ny ho lasa mpanampy mpitsabo izy.
Fantatr’i Florence fa marina ny an’ny ray aman-dreniny. Tsy mora ny fandrantoana fianarana. Saingy fantatr’i Florence izany miasa mafy izany. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hanandrana izy.
Na dia betsaka aza ireo raharaha nameno ny androny dia nanokana fotoana mba hianarana i Florence. Afaka tamin’ny fanadinana hidirana ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ary nindrana vola ampy mba hianarany any i Nnam. Taty aoriana dia nahita izy fa hanampy amin’ny fandoavana ny saram-pianarana ao amin’ny sekoly fianarana ho mpanampy mpitsabo ny fitondram-panjakana. Azo tanterahina ilay nofinofiny!
Saingy rehefa tonga ny fotoana hianarana any amin’ny sekoly fianarana ho mpanampy mpitsabo, dia nisalasala kely i Florence. Ahoana raha sarotra be izany? Ahoana raha ho lasa manirery izy? Nanondrika ny lohany i Florence ary nivavaka: “Ry Andriamanitra malala, mba omeo hery aho handehanako any amin’ny sekoly fianarana ho mpanampy mpitsabo sy hianarako mafy.”
Tany amin’ny sekoly fianarana ho mpanampy mpitsabo, dia nianatra ny fomba fanomezana fanafody sy ny fitandrovana ireo fitaovana mba hadio tsy hisy mikrôba i Florence. Indraindray nihatsara ireo marariny indraindray tsy nihatsara. Matetika i Florence no nivavaka mba hanana herim-po. Telo taona taty aoriana izay lava tokoa, dia nahazo mari-pahaizana i Florence niaraka tamin’ny mari-pankasitrahana noho ny naha-mpianatra nahay indrindra azy tao am-pianarany. Tanteraka ilay nofinofiny! Nanao ilay satroka fotsin’ny mpanampy mpitsabo izy ary afaka nandray karama ampy mba hanampiany ny fianakaviany.
Taona maro taty aoriana dia nitsidika sampana kely tany amin’ny Misiônan’i Accra Ghana i Florence. Filohan’ny misiôna tany i Christopher Chukwurah vadiny. Nihaona tamin’ny ankizy vitsivitsy tao amin’ilay sampana izay tsy afaka nandeha tany an-tsekoly foana i Florence. Tsy fantatr’izy ireo izay mba hataon’izy ireo any aoriana. Nampahatsiahy an’i Florence ny tenany fony izy ankizy izany. “Inona no azoko lazaina mba hanampiana azy ireo?” Nivavaka mangina aho.
Avy eo dia naharay bitsika mazava izy: Resaho azy ireo ny momba ny fiainanao.
Nieritreritra ny fiainany i Florence. Niasa tany amin’ny hôpitaly tany Nigéria sy tany Etazonia izy. Nanambady lehilahy tsara iray izy ary niaraka nahita ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Lasa renim-pianakaviana izy. Nanampy ireo misiônera mba ho salama sy hiasa mafy izy tamin’io fotoana io. Nanampy azy mba ho lasa mpanampy mpitsabo ny Ray any An-danitra. Nampiany mba hanao bebe kokoa noho ny neritreretiny izy. Afaka manao zavatra mitovy amin’izany amin’ireo ankizy ireo izy.
Nijery an’ireo ankizy i Florence dia nitsiky. “Hitanareo ireny satroka fotsy anaovan’ny mpanampy mpitsabo ireny? Nahita satroka toa an’izany aho ary nanapa-kevitra ny ho lasa mpanampy mpitsabo …”