Ny feon’ny Olomasin’ny Andro Farany
Namboly voa tao am-poko izy ireo
Marta Algarve
Santa Catarina, Brésil
Avy aiza aho? Inona no ataoko ety? Ho aiza aho aorian’ity fiainana ity?
Rehefa 29 taona aho dia niverina tao an-tsaiko foana ireo fanontaniana ireo. Efa nodimandry ireo ray aman-dreniko. Nalahelo aho noho ny namoizako ny zanako lahimatoa. Nanana zanaka telo hafa notezaina aho ary nanana fiainana feno olana.
Nanomboka namaly ny fanontaniako ny Tompo rehefa nitarika misiônera tanora roa ho any an-tranoko Izy. Rehefa nampandrosoiko tao an-trano izy ireo dia nanontany raha nisy zavatra tsapako fa banga teo amin’ny fiainako. Notantaraiko azy ireo ny momba ny ray aman-dreniko sy ny zanako lahy. Nolazaiko azy ireo fa nihevitra aho fa tsy rariny ny manan-janaka sy manangana fianakaviana raha toa ka hiafara amin’ny fahafatesana ny zavatra rehetra. Nanontany aho raha mbola hahita ny ray aman-dreniko sy ny zanako lahy indray.
“Marta,” hoy izy ireo, “afaka ny ho anao mandrakizay ny fianakavianao.”
Heniky ny hafaliana ny foko. Naniry ny hahalala bebe kokoa aho. Tamin’ny fitsidihan’izy ireo manaraka dia nampianatra ahy bebe kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Nomen’izy ireo Bokin’i Môrmôna aho ary nampanao fanamby ahy izy ireo ny hamakiako izany sy hanontaniako an’ Andriamanitra raha teniny izany. Nanaiky ny fanamby nampanaovin’izy ireo aho. Rehefa nivavaka aho dia tonga tamin’ny fomba mazava toy ny masoandro mamiratra ny valinteny avy amin’ Andriamanitra. Fantatro tao am-poko fa marina ilay izy.
Indrisy anefa, fa rehefa nanao asa iray vaovao aho, dia tapaka ny fifandraisako tamin’ny misiônera. Volana maromaro taorian’izay dia rava ny fanambadiako ary niezaka nanomboka fiainana vaovao niaraka tamin’ireo zanako aho.
Nanambady indray aho taty aoriana. Indray andro ny vadiko dia nilaza fa malahelo ny fotoana nananany an’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany izy. Nanapa-kevitra izahay ny handeha hivavaka tany amin’ny fiangonana izay falehany teo aloha. Rehefa niditra tao amin’ilay trano izahay, dia nahita ny Bokin’i Môrmôna teo ambony latabatra iray teo amin’ny lalantsara aho. Ilay Fiangonana efa nampahafantarina ahy teo aloha ihany ilay izy! Tiako ny Fanahy tsapako tao. Rehefa nandeha nody izahay dia nanontaniako ny vadiko ny fomba ahafahana manao batisa ahy.
“Mila ampianarin’ny misiônera ianao,” hoy izy.
“Efa nampianarina aho dimy taona lasa izay!” Hoy aho namaly.
Nampianarina ahy sy ny zanako ireo lesona. Ny andron’ny batisanay no andro nahafaly indrindra teo amin’ny fiainanay.
Taona maro taty aoriana dia nahatsapa aho fa tokony holazaiko an’ireo rahavavy misiônera nampianatra ahy voalohany fa lasa mpikamban’ny Fiangonana aho. Hitako tao amin’ny Facebook ny vondron’ny misiônera niverina avy ao amin’ny Misiônan’i Santa Maria Brésil. Isan’ny tao anatin’ilay vondrona ny iray tamin’ireo rahavavy misiônera nampianatra ahy. Nandefa fangatahana azy ho namana aho dia nolazaiko azy hoe iza aho, tamin’ny fomba ahoana no naha-lasa mpikamban’ny Fiangonana ahy, fa ny fianakavianay dia voafehy tao amin’ny tempoly, ary nanao asa fitoriana ny filazantsara tamin’ny fotoana feno ny zanako lahy. Nolazaiko azy fa tanteraka ireo zavatra ireo satria namboly ny voan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tao am-poko izy sy ny namany mpiara-manompo taminy.