2019
Ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly
Ôktôbra 2019


Tantara ao amin’ny soratra masina

Ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly

Sary
Paul on a boat

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nandeha tany amin’ny tany isan-karazany i Paoly mba hampianatra ny olona momba an’i Jesoa. Tsy nisy fiara na fiaramanidina tamin’izany, ka dia be dia be ny dia an-tongotra nataony! Nandeha sambo izy indraindray.

Sary
Paul teaching

Nampianatra ny olona tao amin’ireo fiangonana sy tany an-tokantrano i Paoly. Nampianatra ny olona teny an-tampon-kavoana vatovatoina sy teny amin’ny lalambe teny an-tanàna izy.

Sary
Paul in prison

Maro ny olona tsy tia ny zavatra nampianarin’i Paoly. Indraindray i Paoly dia naiditra am-ponja. Indraindray i Paoly dia narary.

Sary
Paul smiling

Saingy tao anatin’ireo zava-tsarotra ireo dia nanam-pinoana i Paoly. Hoy izy hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy.” Fantany fa hanampy azy hatanjaka i Jesoa.

Sary
girl riding bike

Afaka manampy ahy mba hatanjaka ihany koa i Jesoa Kristy. Tia ahy Izy ary izaho tia Azy!

Hamoaka printy