Miaro ny ankizy amin’ny pôrnôgrafia
Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia milaza fa ny fitiavana no fitaovana tena lehibe hiadiana amin’ny pôrnôgrafia: “Hoy ilay don-teny malaza hoe: -mahafaty fitiavana ny pôrnôgrafia,- kanefa aoka hotsaroantsika koa fa mahafaty pôrnôgrafia ny fitiavana.” Ireto misy fomba telo izay maneho fa ny fanehoana fitiavana dia miaro ny zanaka amin’ny fitaoman’ny pôrnôgrafia.
Fiarovana: “Tiako ianao”
Manorena fifandraisana izay hahatsapan’ireo zanakao ho voaro sy tiana.
Fandraisana andraikitra: “Mbola tiako ianao”
Iresaho mikasika ny pôrnôgrafia ny zanakao ary asao izy ireo hanatona anao dia hametraka ny fanontaniana ananany.
Fanasitranana: “Ho tiako foana ianao”
Omeo toky ny zanakao fa na dia manana olana amin’ny pôrnôgrafia aza izy ireo dia tsy miova ny fitiavanao azy ireo.