Miaro ny ankizy
Inona no azontsika atao mba hiarovana sy hanomezana hery bebe kokoa ny ankizy eo amin’ny fiainantsika?
Ankoatra ireo vondron’olona nampianarin’i Jesoa dia fantatsika fa ny ankizy no tena tiany indrindra. Niraharaha ny ankizy Izy na dia tamin’ny fotoana tsy tokony ho nanaovana izany aza. Nanasa ny ankizy Izy mba handray tsirairay avy tsodrano avy Aminy. Nanameloka ireo izay nanafintohina ny ankizy Izy. Ary nampianatra Izy fa ilaintsika ny hahatongavana bebe kokoa tahaka ny ankizy mba hidirana ny fanjakan’ny lanitra.1
“Jereo ny madinikareo,” hoy Izy tamin’ireo olona tao amin’ny kaontinanta Amerikana taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nisokatra ny lanitra, ary nisy anjely be fitiavana sy tia miaro nidina avy any an-danitra ary nanao faribolana nanodidina ireo ankizy, nanisy afo manodidina azy ireo. (Jereo ny 3 Nefia 17:23–24.)
Noho ny fisian’ireo loza rehetra mananontanona eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia mety maniry isika mba ho voahodidin’ny afo avy any an-danitra tsy tapaka ireo ankizikelintsika. Voatombantombana fa olona iray amin’ny olona efatra no niharan’ny fanararaotana tamin’ny fahazazany, ary mitombo io salan’isa io rehefa mijery ireo vondron’olona miavaka izay marefo kokoa ianao, toy ireo izay manana fahasembanana.2 Ny vaovao mahafaly dia maro ireo zavatra azontsika atao mba handraisantsika andraikitra amin’ny fiarovana ny ankizy.
“Alaivo sary an-tsaina [ny ankizy iray tianao],” hoy Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany. “Rehefa miteny amin’io [ankizy] io ianao hoe -tiako ianao,- dia inona no dikan’izany? … Manolotra fiarovana isika mba hahafahantsika manampy an’ireo izay tiantsika ho lasa izay tsara indrindra azon’izy ireo hahatongavana sy hiatrika ireo fanambin’ny fiainana.”3
Ny fijerena akaiky kokoa ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy angamba dia hanome hevitra mikasika ny fomba hahafahantsika miaro amin’ny fomba tsaratsara kokoa ireo ankizy eo amin’ny fiainantsika.
Nanokana fotoana ho azy ireo i Jesoa
Nanokana fotoana i Jesoa mba hifantohana tamin’ireo olona mbola kely sy marefo (jereo ny Matio 19:14). Isika ihany koa dia afaka manokana fotoana mba hihainoana ireo zanatsika sy hiezahana mahatakatra ny olana mahazo azy ireo.
“Arakaraka ny hahatsapan’ilay ankizy fitiavana bebe kokoa no hahamora kokoa ny firesahany amin-kitsim-po,” hoy Rahavavy Jones. “… Isika [no] tsy maintsy manomboka ny fifampiresahana fa tsy miandry ny zanaka hanatona antsika.”4
Misy renim-pianakaviana iray nahita fa manampy ny manontany ireo zanany isan-kariva hoe: “Nisy teny renareo ve androany kanefa tsy takatrareo ny heviny?”
Ny zavatra voalohany tonga ao an-tsain’ny zanatsika dia mety ny hitady valinteny en ligne satria ny internet dia manome fanampiana eo no ho eo ary tsy mitsara, saingy mila mandresy lahatra azy ireo isika fa isika no loharanom-pahalalana azo itokiana kokoa. Ary tafiditra ao anatin’izany ny tsy fanehoana fihetsika diso tafahoatra rehefa milaza zavatra tsy mampahazo aina amintsika ny zanatsika. Ohatra, raha maneho fihetseham-po diso tafahoatra tampoka isika rehefa mamboraka ny zanatsika fa te hijery pôrnôgrafia izy ireo, dia mety tsy hanatona antsika hitady fanampiana intsony izy ireo. Saingy raha mandray andraikitra amim-pitiavana isika, dia manana fahafahana ny handefa hafatra mazava, dia ny hoe tiantsika izy ireo hiresaka amintsika ny zavatra rehetra.
Hoy Rahavavy Jones hoe: “Ireo olana kely izay resahina amim-pitiavana dia manorina fototra iray iorenan’ny fandraisana andraikitra araka ny tokony ho izy ka rehefa misy olana lehibe mitranga, dia mbola afaka mifampiresaka tsara ihany.”5
Ny sasany amin’ireo fifampiresahana manan-danja sy mitondra fiarovana indrindra izay azon’ireo ray aman-dreny atao amin’ny zanany dia mahakasika ny vatan’izy ireo. Ireo fifampiresahana ireo dia tokony hahitana teny tsara hilazana ireo faritra amin’ny vatana, fampahalalana momba ny fitandroam-pahasalamana, ary ireo fiovana izay andrasana amin’ireo taona ho avy. Isika dia tokony hiresaka mikasika ny fiainana ara-pananahana sy ny maha-ampahany manan-danja ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fiarahana tena lalina ara-batana sy ara-pihetseham-po. Azontsika resahina ihany koa ireo lohahevitra toy ny fanararaotana sy ny pôrnôgrafia. Ireo fifampiresahana ireo dia tokony hifanaraka amin’ny sokajin-taona ary tarihina amin’ny alalan’ny fanontaniana ananan’ireo zanatsika. Ny tena tsara dia hanao fifampiresahana maro isika rehefa mandeha ny fotoana, izay hanolotra fampahalalana fanampiny rehefa mihalehibe ny zanatsika ary mitombo ny fahatakarany. (Jereo any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity mba hahitana loharanom-pitaovana manampy.)
Naneho ohatra ho azy ireo i Jesoa
Naneho ohatra tonga lafatra ho an’ny rehetra i Jesoa (jereo ny Jaona 8:12). Isika olon-dehibe dia manana ihany koa ny fahafahana sy ny andraikitra mba ho ohatra alain-tahaka. Anisan’ny fomba tsara indrindra azontsika hanampiana ny zanatsika mba ho voaro ny fijoroantsika ho fakan-tahaka amin’ny fanaovana safidy mahasoa. Ny zanaka dia mahatsikaritra ny fomba hitondran’ny ray aman-dreniny ny hafa sy ny fomba izay avelany hitondran’ny hafa azy ireo. Miangavy aho, raha toa ianao ka ao anatina fifandraisana na miady amin’ny fiankinan-doha izay mahatonga anao sy ny fianakavianao ho tandindomin-doza, dia mitadiava fanampiana. Mifandraisa amin’ny manam-pahefam-panjakana sy ireo matihanina mpanoro hevitra, ary ihany koa ny evekanao sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, izay afaka manampy anao hifandray amin’ireo loharanom-panampiana ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina. Mendrika ny ho voaro sy hohajaina ianao.
Tokony haneho ohatra ihany koa isika amin’ny fikarakarana ny tanjatsika ara-panahy. Mahita antsika mivavaka ve ireo zanatsika? Fantatr’izy ireo ve fa mamaky soratra masina isika? Efa naheno ny fijoroantsika ho vavolombelona ve izy ireo? Mitafy “ny fiadian’ Andriamanitra [rehetra]” ve isika ao amin’ny fianakaviantsika rehefa maraina alohan’ny hankanesantsika ao amin’izao tontolo izao? (Jereo ny Efesiana 6:11–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18).
Niteny ho azy ireo i Jesoa
Niteny an’ireo izay nanafintohina ny ankizy ny Mpamonjy (jereo ny Matio 18:6). Isika koa dia afaka ny ho mpisolovavan’ireo ankizy eo amin’ny fiainantsika.
“Mila ny hafa hiteny ho azy ireo ny ankizy,” araka ny nampianarin’ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “ary mila olona mandray fanapahan-kevitra izay mametraka ny mahasoa azy ireo any alohan’ireo zavatra mahaliana ireo olon-dehibe izay feno fitiavan-tena.”6
Na dia tsy mila matahotra sy miahiahy be loatra ny amin’ny hafa aza isika, dia tokony ho fantatsika ireo loza manambana ary mandray fanapahan-kevitra hendry momba ny fiarovana. Tokony hanaraka ireo torolalana momba ny fisorohana ny fanararaotana atao amin’ny ankizy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga7—mitondra fiarovana ny fananana mpampianatra roa ao amin’ny efitrano fianarana tsirairay avy sy ny fananana olona avy ao amin’ny fiadidiana manara-maso ireo kilasy.
Tokony hiara-hifanakalo hevitra ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ary hanapa-kevitra raha toa ka misy fepetra fanampiny azon’izy ireo raisina mba hampihenana ireo loza manambana voafaritra manokana. Ohatra hoe trano Fiangonana maro no misy varavarankely eo amin’ny varavaran’ny efitrano. Raha tsy manana izany ny trano Fiangonana misy anao dia azonao heverina ny mamela ny varavarana hisokatra kely mandritra ireo fotoam-pianarana ary miresaka amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana eo an-toerana mba hijerena raha azo heverina ny hametrahana varavarankely. Na inona na inona ny antson’izy ireo dia afaka maneho firaharahiana ao am-piangonana ny olon-dehibe rehetra ary manampy rehefa ilaina, toy ny fandraisana ireo mpitsidika izay mandehandeha eny amin’ny lalantsara, na ny famporisihana ny ankizy iray mandehandeha mba hiverina ao an-dakilasy.
Mampalahelo fa indraindray ny ankizy dia tafintohina noho ny ankizy hafa. Raha mahatsikaritra izay mety ho karazana fampijaliana na fifampikasohana ara-batana tsy mendrika ao am-piangonana na na aiza na aiza isika, dia tokony handray andraikitra avy hatrany. Raha mpitarika isika, dia mila vonona ny hiresaka amin’ireo fianakaviana voakasik’izany, na dia tsy hahazoana aina aza ny resaka hifanaovana, mba hakana antoka fa voaro ny ankizy rehetra. Mitenena amim-pangorahana sy amin’ny fomba mazava mba hanorenana tontolo ahitana ny fifanajana sy ny fangorahana.
Raha mino isika fa hiharan’ny fanararaotana ny ankizy iray, dia tokony hitatitra izany olana izany avy hatrany amin’ny manam-pahefam-panjakana isika. Any amin’ny firenena maro dia misy laharan-tarobia hifandraisana mivantana izay mampifandray amin’ny sampan-draharaha misahana ny vonjy taitra, hahazoana fampahalalana, ary sampan-draharaha manampy ao anatin’ny fahasarotana. Tokony holazaintsika amin’ny eveka koa ny fanararaotana izay ahiahiantsika, indrindra fa izay ahatafidiran’ny olona izay mety afaka mifanerasera amin’ny ankizy amin’ny alalan’ny Fiangonana. Ankoatra ny fandraisana fepetra hanakanana ny fahafahan’ny olon-dratsy iray hifanerasera amin’ny ankizy amin’ny ho avy, ny eveka dia afaka manolotra fankaherezana sy fanampiana an’ireo niharan’ny fanararaotana ary manampy azy ireo hifandray amin’ireo loharanom-panampiana fanampiny avy amin’ireo Sampan-draharaha misahana ny fianakaviana.
Nitsodrano azy ireo tsirairay i Jesoa
Nahafantatra sy nitsodrano ny ankizy tsirairay avy i Jesoa (jereo ny 3 Nefia 17:21). Tahaka izany koa, isika dia tokony hiezaka hahafantatra ny ankizy tsirairay avy ary hiezaka hanampy azy amin’ny fomba mahakasika azy manokana.
Ahoana no ahafahantsika manao izay hahatonga ny fiangonana ho toerana azo antoka kokoa ho an’ny ankizy manana olana ara-pahasalamana? Manana drafitra hoenti-manampy ireo ankizy manana fahasembanana ao amin’ny Kilonga ve isika? Mijery akaiky ny toe-javatra iainana samihafa any an-tokantrano ve ny leson’ny Kilonga izay ampianarintsika? Inona ihany koa no azontsika atao mba handraisana tsara kokoa ny rehetra?
Ny fanehoan-kevitra mifono fanavakavahana, ny fanamarihana feno fanambonian-tena mahakasika ny kolontsaina hafa, ary ny toetra tia manameloka an’ireo mpikambana ao amin’ireo antokom-pinoana hafa dia tsy tokony holazaina ao anatin’ny hafatra zaraintsika. Tao amin’ny kilasin’ny Kilonga iray, dia tsy dia nahay niteny loatra ny fiteny nampiasain’ny ankizy hafa ny zazalahy iray. Mba hanampiana azy hahatsapa ho voaray tsara, dia nataon’ireo mpampianatra izay hanontana ireo taratasy zaraina tamin’ireo fiteny roa. Ny asa tsotra atao amim-piheverana ny hafa dia maneho amin’ny ankizy fa mahafantatra sy miraharaha azy ireo tsirairay avy isika, ary ireo asa atao ireo dia afaka maneho ohatra ho alain’izy ireo tahaka.
Mety hahita isika fa mila fanampiana maika ny ankizy sasany. Ohatra, na dia ampahan-javatra tsy mahagaga ao anatin’ny fitomboana aza ny fiovaovan’ny hetsi-po amam-panahy, ka raha tezitra ny ankizy iray, na tsy misokatra amin’ny hafa, na malahelo mandritra ny herinandro vitsivitsy, dia mety misy olana lehibe kokoa ao izay ilana fanampiana avy amin’ny matihanina. Na dia manan-danja aza ireo fahazarana tsara toy ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina, dia matetika no ilaina ny fanampiana bebe kokoa an’ireo izay manomboka manana olana ara-tsaina na ratram-panahy miafina. Tsy hanatsara zavatra ny tsy firaharahiana ilay toe-javatra misy. Eo amin’ny lafiny maro, ny eveka dia afaka manolotra fanampiana ara-bola ho an’ireo olona na fianakaviana mba hakana torohevitra avy amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha misahana ny fianakaviana na ireo sampan-draharaha hafa afaka manolotra fanampiana.
Nampatanjaka azy ireo i Jesoa
Teo am-piarovana ny ankizy dia nampatanjaka azy ireo ihany koa i Jesoa. Nilaza Izy fa ny ankizy dia ohatra (jereo ny Matio 18:3). Taorian’ny fitsidihany tao Amerika fahiny dia afaka nampianatra “zavatra mahatalanjona” (3 Nefia 26:16) an’ireo olon-dehibe ireo ankizy madinika.
Afaka mampatanjaka ireo ankizy fantatsika isika amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo hamantatra ny fomba hiresahan’ny Fanahy amin’izy ireo ary avy eo dia hanaraka ny Fanahy rehefa mandray fanapahan-kevitra, izay hanampy azy ireo hanana fahaizana manivana ao anaty mba hitarika ny zavatra ataon’izy ireo. Nampianatra Rahavavy Jones hoe: “Ny fanampiana ny ankizy mba hananany antony [hanana faniriana handray fanapahan-kevitra azo antoka] dia tena ilaina.”8 Ireto misy hevitra vitsivitsy izay nampatanjaka ny fianakaviana hafa:
-
Nisy renim-pianakaviana iray nampianatra ireo zanany hifantoka tamin’ireo “fahatsapana tahotra sy ahiahy” nananan’izy ireo sy hitandrina tamin’ireo olona izay toa “mpamitaka.” Nivaly ny hasasarany rehefa nisy olona nanandrana nandresy lahatra ny zanany lahy hanaraka azy ireo tany amin’ny toerana fidiovana iray, ka nihaino ilay fahatsapana nampitandrina azy izy ka dia nandà.
-
Ny fianakaviana sasany dia manomana mialoha lalana hivoahana ho ampiasain’izy ireo rehefa miatrika zavatra manafintohina izy ireo. Ohatra, ny lalana hivoahana ho an’ny fianakaviana iray dia nantsoin’izy ireo hoe “manatsahatra dia milaza” ary ny natao tamin’izany dia ny famonoana ny efijerin’ny solosaina ary miteny avy hatrany amin’ny ray na ny reny raha nisy sary ratsy nipoitra tampoka. Tsy mbola nisy mihitsy fotoana tsy maintsy nanontanian’ireo zanany ny fomba hiatrehana ireo fitaovan-tserasera ratsy. Fantatr’izy ireo ny tokony natao!
-
Nisy fianakaviana iray hafa namorona teny famantarana izay azon’ireo zanany nalefa tamin’ny alalan’ny hafatra tamin’ireo ray aman-dreniny na nolazainy tamin’ny telefaonina raha nila notsenaina avy hatrany izy ireo.
-
Afaka manampy ny zanakareo hizatra hiteny hoe “Tsia!” ianareo rehefa misy olona manandrana mandresy lahatra azy ireo hanao zavatra izay mahatonga azy ireo ho sadaikatra. Ny ankizy rehetra dia tokony hahafantatra fa afaka mangataka fanampiana izy ireo, ary tokony hangataka foana izy ireo mandra-pahavoaro azy ireo.
Ny anjara andraikitsika olon-dehibe
Andeha horesahantsika indray ilay zava-niseho ao amin’ny 3 Nefia 17, rehefa “[nalain’i Jesoa] tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo. … Ary nohodidinin’ ny afo ireo; ary ny anjely dia nanompo azy ireo” (andininy 21, 24). Ny zavatra iray manan-danja ao anatin’izany angamba dia tsy vitan’ny hoe ny hampianatra antsika ny lanja ananan’ny ankizy ihany fa ny haneho ihany koa ny tokony ho anjara andraiki tsika olon-dehibe. Isika no mpiahy ny taranaka manaraka. Isika no tokony ho anjely manodidina sy manompo ny ankizy. Andeha isika hanohy hijery an’i Jesoa ho toy ny ohatra tonga lafatra ho antsika ary avy eo dia hanao izay tsara indrindra azontsika atao mba hanemitra ireo madinitsika manodidina amin’ny fitiavana sy ny fiarovana.