Fanehoana ny finoana
Wilson Di Paula
San José, Uruguay
Lasa nalemy noho ny loza nateraky ny fitaingenana moto i Wilson. Herintaona taty aoriana dia nodimandry ny vadiny. Amin’ny maha-lehilahy maty vady manana zanaka vavy kely roa azy, dia tsy fantatr’i Wilson izay tokony nataony. Tsy fantany raha nisy tanjona teo amin’ny fiainana. Afaka ny ho lasa be lolom-po i Wilson. Naleony kosa anefa nanomboka nitady ny fahamarinana.
Cody Bell, mpaka sary
Taorian’ny loza nahazo ahy tamin’ny fitaingenana moto sy ny fahafatesan’ny vadiko, dia nitaiza irery zazavavy kely anankiroa aho. Tena tsy fantatro mihitsy ny fomba handeha hitaizako ireo zanako vavy kanefa aho nampiasa seza misy kodiarana. Nanova tanteraka ny fiainako io loza io.
Nanana fanontaniana maro aho. Fa nahoana no misy zavatra ratsy mitranga? Niezaka nanao ny tsara aho teo amin’ny fiainako, dia maty ny vadiko ary nalemy aho ka lasa nampiasa seza misy kodiarana, ary taorian’izay dia tsy maintsy nandidy ny lohan’ny zanako vavy ny mpitsabo mba hanaisotra fivontosana. Nanomboka nieritreritra aho hoe tsy nisy tanjona teo amin’ny fiainana.
Tonga saina aho fa nila nitady ny fahamarinana. Nanadihady antokom-pivavahana isan-karazany aho dia nahita Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsapako fa io no fahamarinana.
Nianatra aho fa misy fiainana aorian’ity iray ity, ary rehefa maty isika, dia afaka ny ho tafaraka amin’ireo olona tiantsika. Nitondra fifaliana ho ahy izany noho ireo 10 taona tena tsara niarahako tamin’ny vadiko.
Nanova ny fiainako tanteraka ny fahitana ny filazantsara. Nanomboka tsy nanahy sy tsy nenjehin’ny eritreritro aho. Tonga teo amin’ny fianakaviako ny fifaliana rehefa nandeha nivavaka isaky ny alahady izahay. Nahazo tanjaka izahay rehefa nody tany an-trano. Natao batisa izahay ary nofehezina mandrakizay tao amin’ny tempolin’i Argentine taty aoriana.
Manohy mandroso hatrany ao amin’ny Fiangonana aho amin’izao fotoana izao. Efa mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà aho, ary miezaka misintona lesona avy amin’ny zavatra niainako, avy amin’ireo sedran’ny fiainana rehetra. Manome tanjaka ahy izany. Noho izaho nalemy ka nampiasa seza misy kodiarana nandritra ny 20 taona mahery, dia nianatra aho fa avy ao anaty ny fahasambarana. Mianatra zavatra bebe kokoa isan’andro ny olona iray. Mahatsapa fankasitrahana aho noho izany.
Fantatro ankehitriny fa misy tanjona ny fisiana ety an-tany. Drafitry ny Ray any An-danitra no maha-ety antsika. Manana Mpamonjy isika izay nandresy ny fahafatesana ary nitsangana tamin’ny maty. Manome ahy tanjaka ny fahalalana izany. Ankehitriny aho dia miezaka maharitra sy mandroso hatrany. Manana tanjona aho ary fantatro fa rehefa miezaka miaina fiainana mendrika aho dia afaka manana fianakaviana mandrakizay.
Ny fandrahoana sakafo sady manisakisaka seza misy kodiarana manerana ny lakozia dia iray amin’ireo fahaiza-manao maro lasa nananan’i Wilson hatramin’ny nampalemy ny tapany ambany amin’ny vatany noho ny loza iray.
Manana fanantenana sy mahazo tanjaka avy amin’ny Mpamonjy i Wilson rehefa mandalina ny soratra masina.
Miara-misakafo amin’ny fianakaviana Di Paula ny misiônera. Tanjaka ao amin’ny fianakaviany sy ho an’ny Fiangonana ny fitiavan’i Wilson ny filazantsara.
Taorian’ny loza lehibe iray sy ny fahafatesan’ny vadiny dia nametra-panontaniana ny amin’ny tanjon’ny fiainana i Wilson. Lasa nanana tanjona izy rehefa nahita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Manana fanantenana ao amin’ny filazantsara i Wilson sy i Sofia. Ny fampiasana seza misy kodiarana nandritra ny 20 taona mahery dia tsy nanakana an’i Wilson tamin’ny fanompoana tamin’ny fomba manan-danja.
Ny tsikin’i Wilson dia porofon’ny fahafenoana eo amin’ny lafiny ara-panahy eo amin’ny fiainany. “Avy ao anaty ny fahasambarana,” hoy i Wilson. “Mianatra zavatra bebe kokoa isan’andro ny olona iray.”
Rehefa miara-misakafo ry Di Paula mianakavy dia mizara zavatra ankoatra ny sakafo amin’ny misiônera. Mizara ny fitiavany sy ny fankasitrahany ny filazantsara ihany koa izy ireo.