Ny feon’ny Olomasin’ny Andro Farany
Pejy roa feno fankasitrahana
Dahlen
Utah, Etazonia
Nampijaly ny raiko nandritra ny androm-piainany ny fiheverany ny tenany ho ambany sy ny fahatsapany ho tsy nisy nilana azy. Izy dia notezain’ny ray mpisotro toaka izay nilaza taminy matetika fa tsy nisy nilana azy mihitsy ny fiheverany azy. Soa ihany fa tsy lasa mpisotro toaka mihitsy ny raiko, saingy tsy mbola nilaza tamiko sy tamin’ireo mpiray tampo amiko mihitsy izy hoe nirehareha noho ny aminay na nidera anay noho ny zavatra izay vitanay tsara. Rehefa nihalehibe aho dia niezaka nanao zavatra nahafaly azy, saingy tsy nahavita namalifaly azy mihitsy aho. Nahatonga anay hanana fifandraisana tsy dia tsara izany.
Indray taona izay dia nolazaiko tamin’ilay evekako hendry izany. Nanoro hevitra ahy izy ny hanoratra taratasy ho an’ny raiko izay milaza aminy ny antony rehetra ankasitrahako azy. Tena ho sarotra ho ahy tokoa ny hanao izany. Nanana ratram-po lalina aho, ary tsy tiako ho lasa taratasy hankahalana ahy ny taratasy fankasitrahana hosoratako. Ka dia nivavaka aho. Noho ny fitarihan’ny Fanahy ahy dia nanomboka nisosa ho azy tao an-tsaiko ireo antony naha-feno fankasitrahana ahy ny amin’ny raiko. Lava ny fotoana nanaovana izany, kanefa rehefa vitako ilay izy dia nahafeno pejy roa aho.
Nalefako ny taratasiko, ary tsy fantatro akory izay ho fandraisan’ny raiko izany. Saingy fantatro fa tsy afaka nisafidy izay ho fihetsika hasetriny izany aho. Nila nijery ny tao am-poko fotsiny aho ary nitadidy ny antony nanoratako ilay taratasy.
Ny ampitso marainan’io dia nahazo antso an-telefaonina avy amin’ny renikeliko aho. Nitomany izy. Nilaza tamiko izy fa namerimberina namaky ilay taratasy ny raiko. Nilaza izy fa tsy afaka niresaka tamiko ny raiko satria nitomany be tokoa izy.
“Misaotra anao,” hoy izy. “Nila izany ny rainao.”
Ny harivan’io andro io dia niantso ny raiko mba hisaotra ahy. Niantso ahy izy nandritra ny andro maromaro mba hilaza ny lanjan’ilay taratasy ho azy.
Raha mba afaka niteny mantsy aho hoe sitrana tamin’ny fomba mahagaga ny fifandraisanay, saingy mbola betsaka ny zavatra nilainay natao. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nihatsara ny zavatra tsapako, ary nihatsara ny fifandraisanay. Taty aoriana dia afaka namela heloka aho.
Taona vitsy taty aoriana, rehefa avy niady mafy tamin’ny homamiadana ny raiko, dia maty izy. Mino aho fa mahatsapa fifaliana lehibe izy amin’izao fotoana izao eo am-panampian’ny Mpamonjy azy ho sitrana amin’ny fanararaotana nihatra taminy nandritra ny taona maro. Fantatro fa niaina fanasitranana aho tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny Mpamonjy dia mahatakatra ny zavatra ilaintsika ary afaka manampy antsika hanaisotra ao amintsika ny poizina avy amin’ny fahatafintohinana sy ny fankahalana. Fantatro fa ny fankasitrahana, ny famelan-keloka, ary ny fitiavana dia fanasitranana mahery vaika.