Lasa mahomby kokoa ao amin’i Kristy: Fanoharana momba ny solampy
Ao amin’ny fotoanan’ny Tompo dia tsy ny toerana nanombohantsika no manan-danja kokoa, fa ny toerana izay ho alehantsika.
Nanana hetaheta maro aho fony zatovolahy. Indray andro raha avy nianatra aho dia nanontany hoe: “Neny a! Inona no asa tokony hataoko rehefa lehibe: mpilalao baskety matihanina sa artista malaza?” Indrisy anefa, tsy nahitana soritra hoavy mamiratra amin’ny resaka fanatanjahantena na mozika teny amin’ilay Clark “bangaridana.” Ary na dia teo aza ireo ezaka maro dia imbetsaka aho no tsy voaray hisondrotra amin’ny fandaharam-pianarana ambony tao amin’ny sekoly nisy ahy. Nony farany dia nanoro hevitra ireo mpampianatra ahy fa tokony hifantoka amin’ny kilasy fototra aho. Rehefa nandeha teny ny fotoana dia lasa nanana fahazarana nanao fanampi-pianarana aho. Saingy tsy tsapako ho nanomboka nipoitra ny fivelarako ara-tsaina sy ara-panahy raha tsy tany amin’ny misiônako tany Japana. Nanohy niasa mafy aho. Kanefa sambany teo amin’ny fiainako aho no nampiditra tsy tapaka ny Tompo teo amin’ny fivoarako, ary dia nampisy fiovana tokoa izany.
Ry rahalahy sy anabavy, ato amin’ity Fiangonana ity, isika dia mino ny fahafahana ananan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ho lasa andriamanitra sy ny fahafahantsika ho lasa mahomby kokoa ao amin’i Kristy. Ao amin’ny fotoanan’ny Tompo dia tsy ny toerana nanombohantsika no manan-danja kokoa fa ny toerana izay ho alehantsika.1
Hampiasa fitsipika fototra amin’ny matematika aho hanehoana io fitsipika io. Ankehitriny dia aza matahotra raha mandre ny teny hoe matematika ato amin’ny fihaonam-be. Nanome toky ahy ireo mpampianatra antsika ao amin’ny sampana matematika an’ny BYU–Idaho fa na dia ny tsy mahay matematika aza dia hahatakatra ity fitsipika fototra ity. Manomboka amin’ny raikipohy maneho tsipika izany. Ny fiantombohan’ny tsipika, ho an’ireo tanjontsika no teboka fanombohana. Mety ho any ambany na any ambony no fiantombohan’ny tsipika eo amin’ilay teboka fiantombohana. Ny solampin’ilay tsipika, dia mety hitongilana miakatra na midina.
Samihafa avokoa ny teboka iantombohantsika eo amin’ny fiainana—niainga tamin’ny toerana samihafa isika sy toe-piainana samihafa. Ny sasany dia teraka tao anatina teboka fanombohana ambony sy fahafahana mahomby betsaka kokoa. Ny hafa kosa miatrika fiantombohana toe-javatra sarotra sy toa tsy rariny.2 Avy eo isika dia mivoatra manaraka ny solampin’ny fivoaran’ny tena manokana . Zara raha miankina amin’ny teboka iantombohantsika ny hoavintsika fa miankina be kokoa amin’ny solampy arahintsika. Hitan’i Jesoa Kristy ny fahafahantsika araka an’Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny fiantombohantsika. Hitany tao amin’ny mpangataka, sy ny mpanota ary ny kilemaina izany. Hitany tao amin’ny mpanjono, sy ny mpamory hetra ary ny zelota izany. Na aiza na aiza no iantombohantsika dia ny zavatra ataontsika amin’izay nomena antsika no jeren’i Kristy.3 Raha mifantoka amin’ny teboka fiantombohantsika izao tontolo izao, Andriamanitra kosa dia mifantoka amin’ny solampy arahintsika. Amin’ny fomba fikajin’ny Tompo dia hanao ny zava-drehetra Izy hanampiana antsika hampitodika ny solampy arahintsika hitodika mankany amin’ Andriamanitra.
Io fitsipika io dia tokony hanome fiononana ho an’ireo izay sahirana sy hampisaintsaina ireo izay toa manana ny tombontsoa rehetra. Aleo atomboko amin’ny firesahana amin’ireo olona manana toe-javatra iantombohana sarotra, ao anatin’izany ny fahantrana, ny tsy fahafahana mianatra araka ny tokony ho izy, ny toe-javatra sarotra iainan’ny fianakaviana. Ny olon-kafa dia miatrika kilema ara-batana, sakana ara-pahasalaman-tsaina, na fototarazo efa vahana.4 Ho an’ireo izay mety miady mafy ao anatin’ny teboka fiantombohana sarotra dia miangavy anareo aho mba hiaiky fa ny Mpamonjy dia mahafantatra ny tolona ataonareo. [Naka] ny “rofin[ntsika] ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny [mety] ho feno famindram-po … mba [mety] hahafantarany … ny fomba hanampiana [antsika] arakaraka ny rofi[ntsika].”5
Mamelà ahy hizara lafiny roa fankaherezana ho an’ireo olona manana fiantombohana toe-javatra sarotra. Voalohany, mifantoha amin’izay hizoranao fa tsy amin’ny fiantombohanao. Diso kosa ny tsy firaharahiana ny toe-javatra misy anao—tena misy izy ireo ary mila jerena. Saingy ny fifantohana be loatra amin’ny fiantombohana sarotra dia mety hahatonga izany hamaritra anao ary hanakana ny fahafahanao misafidy mihitsy aza.6
Taona maro lasa izay dia nanompo niaraka tamina vondrona tanora aho, tao amin’ny faritra akaikin’ny afovoan-tanànan’i Boston, Massachussetts, tanora izay amin’ny ankapobeny dia mbola manavao ny filazantsara sy ny zavatra andrandrain’ny Fiangonana. Nalaim-panahy aho hampifangaro ny fitserana sy ny fanahiako momba ny toe-piainan’izy ireo amin’ny faniriana hampadefitra ireo fenitr’ Andriamanitra.7 Tonga saina aho nony farany fa tsy ny fampandeferana velively ireo zavatra andrandraiko no fomba mahery vaika indrindra hanehoana ny fitiavako. Niaraka tamin’ireo zavatra rehetra izay efa haiko, dia nifantoka tamin’izay zavatra mety ho vitan’izy ireo izahay, ka nanomboka nampiakatra ny solampy tao aminy ry zareo tsirairay avy. Tsikelikely kanefa tsy tapaka ny fivoaran’izy ireo tao amin’ny filazantsara. Ankehitriny izy ireo dia efa avy nanao misiôna, nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite, nanambady tany amin’ny tempoly ary miaina fiainana sy asa misongadina.
Faharoa, ampidiro amin’ny fanondrotana avo ny solampy arahinareo ny Tompo. Tsaroako, fony aho filohan’ny BYU–Pathway Worldwide, dia nanatrika ny fampaherezam-panahy lehibe iray tany Lima, Pérou, ka ny Loholona Carlos A. Godoy no mpandahan-teny tamin’izany. Rehefa nijery ireo mpanatrika izy dia toa henika ny fony raha teo am-pitazanana ireo mpianatra mahatoky maro, andiany voalohany nandia oniversite. Noho ny fieritreretany ny lalana nodiaviny nitovy tamin’izany angamba no nilazan’ny Loholona Godoy tamim-pihetseham-po hoe: “hanampy anareo mihoatra ny fahafahanareo hanampy ny tenanareo [ny Tompo]. [Koa] ampidiro ato amin’ity dia ity ny Tompo.”8 Nampianatra antsika ny mpaminany Nefia “fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”9 Tsy maintsy manao ny farany tsara vitantsika isika,10 izay ahitana ny fibebahana, kanefa amin’ny alalan’ny fahasoavany irery ihany no ahafahantsika manatanteraka ny mety hahatongavantsika araka an’Andriamanitra.11
Farany, mamelà ahy hizara lafy roa ana torohevitra ho an’ireo tao anaty teboka fanombohana ambony kokoa. Voalohany, afaka maneho fanetrentena ve isika amin’ireo zavatra izay mety tsy nisasarantsika? Araka ny nambaran’i Rex E. Lee fony izy Filohan’ny BYU tamin’ireo mpianany hoe: “Misotro avy amin’ny lava-drano tsy nohadiantsika isika rehetra ary mamindro amin’ny afo tsy narehitsika.”12 Avy eo izy dia nanao antso avo tamin’ny mpianany mba hanome valim-babena sy hameno ireo lava-dranon’ny fandrantoam-pianarana naorin’ireo mpamaky lay teo aloha. Ny tsy famelomam-boa ny saha novolen’ny hafa dia mety hitovy amin’ny famerenana talenta tsy nampitomboana.
Faharoa, ny fifantohana amin’ny fiantombohana ambony dia mety hamandrika antsika amin’ny fiheveran-tena ho miroborobo, kanefa raha ny marina, dia mety ho tsy mivoatra akory ny solampintsika ara-panahy. Nampianatra i Clayton M. Christensen, profesora ao Harvard fa ny olona mahomby indrindra dia ireo manetry tena indrindra satria mahatoky tena izy ireo fa azo ahitsy ary mianatra avy amin’ny hafa.13 Nanoro hevitra antsika ny Loholona D. Todd Christofferson ny ho “[vonona] hanaiky fanitsiana ary hikatsaka izany mihitsy aza.”14 Eny fa na dia rehefa toa misosa araka ny niheverana azy aza ny rehetra dia tsy maintsy mikatsaka fahafahana hivoatra isika amin’ny alalan’ny fitalahoana am-bavaka.
Na niantomboka tao anatin’ny firoboroboana isika na tao anatin’ny toe-java-tsarotra, amin’ny farany dia tsy ho tratrantsika izay mety hahatongavantsika raha tsy rehefa ataontsika mpiara-miasa amintsika Andriamanitra. Vao haingana aho no tafaresaka tamina mpanabe fanta-daza eto amin’ny firenena izay nanontany momba ny fahombiazan’ny BYU–Pathway. Olona marani-tsaina izy ary avy amin’ny fo ny fanontaniany, saingy valiny ara-lôjika no notadiaviny. Nozaraiko taminy ireo fandaharam-pianarana fitazonana mpianatra ataontsika sy ireo ezaka ataontsika hanampiana ny mpianatra. Saingy nofaranako tamin’ny hoe: “Fomba fanao tsara ireny rehetra ireny, saingy ny tena antony mampivoatra ny mpianatray dia satria ampianarinay azy ireo ny fahafahany ho lasa andriamanitra. Eritrereto anie e, iny hono ambara aminao fa tsy afaka ny hahomby na oviana na oviana ianao. Avy eo dia eritrereto ny fiantraikan’izany rehefa ampianarina anao hoe ianao dia zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra marina, manana fahafahana ny ho lasa andriamanitra.” Niato izy ka namaly tsotra hoe: “Mahery vaika izany.”
Ry rahalahy sy anabavy, isan’ireo fahagagana entin’ity Fiangonan’ny Tompo ity dia ny hoe afaka ny ho lasa toa an’i Kristy kokoa isika tsirairay avy. Izaho tsy mahafantatra fikambanana hafa manome ny mpikambana ao aminy fahafahana hanompo, hanome valim-babena, sy fahafahana hibebaka, ary ho lasa olom-banona kokoa. Na toe-javatra sarotra na feno fitahiana no iantombohantsika, dia andeha isika hibanjina sy hampitodika ny solampy arahintsika mankany an-danitra. Raha manao izany isika dia hampian’i Kristy isika hiakatra amin’ny toerana avo kokoa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.