Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao notohanana
Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao roa no natao fanohanana manokana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra rehetra avy eo dia notohanana faobe nandritra ny fivoriana sabotsy tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Ny Loholona Charden Ndinga, 41, avy ao Pointe-Noire, Repoblika Demôkratikan’i Congo, dia ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Fahatelon’ny Fitopololahy (Afrika Afovoany, Atsimo, ary ireo vondromparitra Andrefana). Ny Loholona Pedro E. Hernández, 51, avy ao Punto Fijo, Venezuela, dia ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Fahasivin’ny Fitopololahy (avaratra andrefan’i Amerika Atsimo sy ireo vondromparitra Atsimo).
Natao filazana tamin’ny volana jolay teo ny fisaorana Fitopololahin’ny Vondromparitra maro fanampiny tamin’ny antson’izy ireo. Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra dia “vavolombelona manokana” an’i Jesoa Kristy any amin’ireo faritra ara-jeôgrafika onenan’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12). Manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Fitopololahy izy ireo.
Ilay fivorian’ny mpitarika dia natrehana Manampahefana Ambony, Mpiandrakitra Ambony ary Fitopololahin’ny Vondromparitra 300 mivantana na en ligne.