2021
Mitondra fiantraikany tsara maneran-tany izy ireo
Nôvambra 2021


Mitondra fiantraikany tsara maneran-tany izy ireo

Eo am-panohizan’ireo mpaminany sy apôstôly ny asa fanompoan’izy ireo, dia mitahy fiainana maro ary mampiroborobo eran’izao tontolo izao ny fanompoana, fiaraha-miasa ary fanantenana ny fiantraikany tsara hoentin’izy ireo. Ireto dia zavatra misongadina sasantsasany tao amin’izany asa fanompoana izany nandritra ireo enim-bolana lasa.

Tamin’ny fotoan’ny Lalao Olaimpika tany Tokyo, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanoratra tao amin’ny tambajotran-tserasera momba ny hoe mila miala amin’ny fifandirana sy ny lanjan’ny finamanana sy ny fifanajana ary ny fiaraha-miasa.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandray anjara tamina fandaharana amin’ny visio-conférence maneran-tany izay avy ao Windsor, Angleterre. Ireo mpandahateny tamin’izany fihaonana izany dia niresadresaka mikasika ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-pihetsehampon’ireo olona an-tapitrisany any amin’ireo toby fandraisana mpitsoa-ponenana. Ny Loholona Holland dia nanao antso avo ny hanohanana ny famelana ireo mpitsoa-ponenana haneho “ny finoana ara-pivavahan’izy ireo, izay mamaritra ny maha izy azy ireo.” Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy filohan’ny Latter-day Saint Charities, dia nandray anjara tamin’io fihaonana io ihany koa.

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandray fitenenana tamina fivondronana iraisam-pinoana natao tao amin’ny Oniversite Notre Dame ao Indiana, Etazonia. Ny Loholona Cook dia nanome fanamby an’ireo mpanatrika mba “hijoro ho fanilon’ny finoana sy firaisan-kina ao anatina tontolo izay tsy manome lanja matetika an’ireo zavatra roa ireo.”

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandray fitenenana nandritra ny fihaonana iraisam-pinoan’ny G20 izay natao tany Bologne, Italia. (Ireo firenena ao amin’ny G20 dia ahitana ireo firenena 20 matanjaka ara-toe-karena indrindra eto amin’izao tontolo izao.) “Rehefa avela hiroborobo ny fivavahana, dia mahavita zavatra tsotra enti-manompo ary mahagaga mihitsy aza indraindray ny mpino avy amin’ny toerana rehetra,” hoy ny Loholona Rasband. Tamin’io fihaonana io ihany, ny Rahavavy Eubank dia niresaka momba ny vokatry ny hanohanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny fahantran’ny ankizy. “Ny fanovana dia tsy hitranga … raha tsy amin’ny alalan’ny fifampitokisana manokana,” hoy izy.

Taorian’ny horohoron-tany iray nandrava an’i Haïti, ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao lahateny nandritra ny fampaherezam-panahy iray nampitaina tamin’ireo mpikambana miteny Frantsay ao amin’ny Nosy Karaiba, nampahatsiahy azy ireo fa “ny finoana dia manokatra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.” Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia niditra tao amin’ilay fampaherezam-panahy ihany koa ary niresaka en ligne tamin’ireo mpikambana tao anatina fivoriana ho an’ny mpitarika sy fihaonamben’ny tsatòka. “Afaka mijoro isika ka hatanjaka,” hoy izy, “na dia tonga amintsika aza ny tafiotra ary mihorohoro ny tany manodidina antsika.” Ny Loholona Soares dia niresaka ihany koa tamin’ireo tanora tao Karaiba nandritra ny fampaherezam-panahy natao fampitana, nampahatsiahy azy ireo fa “mila ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika isika.”