Mitombo hatrany ny fahafahana mirotsaka ho misiônera manao asa fanompoana
Ny mpikambana zokiolona monina n’aiza n’aiza eto amin’izao tontolo izao ankehitriny dia afaka mirotsaka ho misiônera manao asa fanompoana. Teo aloha ny andraikitra misiônera manao asa fanompoana ho an’ny zokiolona dia natokana ho an’ireo izay mipetraka ao Etazonia sy Kanadà ary faritra voafetra vitsivitsy ihany. Ireo misiônera manao asa fanompoana dia monina ao amin’ny tranon’izy ireo ihany ary manompo eo anelanelan’ny 8 ka hatramin’ny 40 ora isan-kerinandro mandritra ny enim-bolana farafahakeliny. Ny filohan’ny tsatòkan’izy ireo ao an-toerana ihany no mpitarika azy ireo ao am-piangonana.
Ireo zokiolona dia mbola amporisihana hatrany hirotsaka amin’ny asa misiônera amin’ny fotoana feno lavitry ny misy azy ireo raha mamela izany ny toe-javatra.
Ireo izay liana amin’ny firotsahana ho misiônera zokiolona na misiônera zokiolona manao asa fanompoana dia afaka misoratra anarana ao amin’ny SeniorMissionary.ChurchofJesusChrist.org (misy amin’ny fiteny Anglisy, Frantsay, Espaniôla, ary Pôrtogey).