2021
Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe
Nôvambra 2021


13:16

Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe

(1 Nefia 14:14)

Mampirongo antsika fahamarinana sy herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe mba ho fiadiantsika ny fanajana ireo fanekempihavanana.

Mivavaka aho mba hanazava ny saintsika sy hampiorim-paka antsika rehetra ny Fanahy Masina eo am-piarahantsika misaintsaina ilay asa fanavotana sy fisandrantana mahatalanjona amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

Ny fitsidihan’i Môrônia voalohany an’i Joseph Smith

Tokony ho telo taona taorian’ny Fahitana Voalohany, tamin’ny alin’ny 21 septambra 1823, no nivavahan’i Joseph Smith zatovolahy mba hahazoana ny famelana ny fahotany sy mba hahafantarana ny toe-javatra misy azy sy ny toerany manoloana an’ Andriamanitra.1 Nisy olona niseho teo anilan’ny fandriany, niantso an’i Joseph tamin’ny anarany ary nanambara fa “iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra hankaty [izy] … ary i Môrônia no anarany.” Nanazava izy fa “fa manana asa hampanaovina a[n’i Joseph] Andriamanitra,”2 ary avy eo dia nanoro lalana azy momba ny hivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Tsara homarihana fa ny Bokin’i Môrmôna no anisan’ireo lohahevitra voalohany noresahina tao amin’ny hafatr’i Môrônia.

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ary ilay fitaovana lehibe ho an’ny fiovam-po amin’ny andro farany. Ny tanjontsika amin’ny fizarana ny filazantsara dia ny hanasa ny rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy,3 handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary haharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy.4 Ny fanampiana olona hiaina ilay fiovana mahery vaika ao am-po5 sy hifatotra amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy masina no tanjona fototry ny fitoriana ny filazantsara.

Ny fampahafantaran’i Môrônia ny Bokin’i Môrmôna tamin’i Joseph Smith no nanomboka ilay asa famonjena sy ho an’ny fisandratan’ny olona eto amin’ ity lafy iray amin’ny voaly ity ao amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

Raha nanohy ny torolalany tamin’i Joseph i Môrônia dia nilaza teny avy ao amin’ny bokin’i Malakia ao amin’ny Testamenta Taloha avy teo, saingy nisy fahasamihafana kely amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny Baiboly nosoratan’ny Mpanjaka James izany:

“Indro, hanambara aminareo ny Fisoronana amin’ ny tanan’i Elia aho mialohan’ny fiavian’ny andro lehibe sady mahatahotra an’ny Tompo.

“… Ary hamboleny ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ny ray, ary hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka. Fa raha tsy izany dia horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany.”6

Ny tanjontsika amin’ny fananganana tempoly dia ny hanolotra toerana masina izay ahafahana manatontosa ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina ilaina amin’ny famonjena sy fisandratana ho an’ny fianakavian’ny zanak’olombelona, na ho an’ny velona na ho an’ny maty. Ny torolalan’i Môrônia tamin’i Joseph Smith momba ny anjara asa lehibe an’i Elia sy ny fahefan’ny fisoronana dia nanitatra ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana teto amin’ity lafy iray amin’ny voaly ity ary nanomboka ny asa ho an’ny maty any amin’ilay lafy iray hafa amin’ilay voaly tamin’ity fotoampitantanana misy antsika ity.

Raha fintinina, ny fampianaran’i Môrônia tamin’ny volana septambra 1823 momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny iraka nampanaovina an’i Elia dia nametraka ny fototra ara-potopampianaran’ilay asa famonjena sy ho an’ny fisandratana eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly.

Fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith

Ireo lesona nianaran’i Joseph Smith tamin’i Môrônia dia nisy fiantraikany tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny asa fanompoany. Nandritra ny fivoriana masina iray natao tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 6 Aprily 1837, ohatra, dia nilaza ny Mpaminany hoe: “Taorian’ny zava-rehetra izay voalaza teo, ny andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny Filazantsara.”7

Saika fito taona katroka taty aoriana, tamin’ny 7 aprily 1844, dia nanao toriteny i Joseph Smith izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Lahateny momba an’i King Follett. Nanambara izy tao anatin’izany lahateny izany hoe: “Ny andraikitra lehibe indrindra izay nampiandraiketin’ Andriamanitra antsika eto amin’ity izao tontolo izao ity dia ny mitady ny anaran’ireo havantsika efa nodimandry.”8

Ahoana anefa no ahafahan’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitadiavana ireo havantsika efa nodimandry ho ilay hany adidy sy andraikitra lehibe indrindra napetrak’ Andriamanitra eo amintsika? Mino aho fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nanantitrantitra tamin’ireo fanambarana roa ireo ny fahamarinana fototra fa ireo fanekempihavanana, izay nidirana tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana manam-pahefana, dia afaka mamatotra antsika amin’i Jesoa Kristy Tompo no sady fototr’asa lehibe amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly.

Ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana dia lafin-javatra mifameno sy mifamatotra momba ny asa lehibe iray izay mifantoka amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina izay ahafahantsika mandray ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ary, amin’ny farany, miverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra. Noho izany, ireo fanambarana roa nataon’ny Mpaminany izay mety hiseho ho toy ny mifanipaka amin’ny voalohany, raha ny marina, dia manasongadina ny teboka ifantohan’io asa lehibe amin’ny andro farany io.

Voafatotra amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansy

Hoy ny Mpamonjy:

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”9

Mitondra ny ziogan’ny Mpamonjy eo amintsika isika rehefa mianatra momba ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina, sy mandray izany am-pahamendrehana ary manome voninahitra izany. Mifamatotra tsara amin’ny fomba azo antoka amin’ny Mpamonjy isika rehefa mahatsiaro amim-pahatokiana ary manao izay tratra mba hiainana araka ireo adidy izay nekentsika. Ary io fifatorana Aminy io no loharanon’ny hery ara-panahy eo amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo

Manasa anao aho handinika ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy mitandrina fanekempihavanana. Ohatra, i Nefia dia “nahatazana ny fiangonan’ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra [amin’ny andro farany], ary ny mpikambana tao dia vitsy … ; fa niely patrana tambonin’ny tany rehetra koa … ny olomasin’ Andriamanitra; ary kely ny fanapahany.”10

“Nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra” ihany koa izy, “fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, … ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”11

Ilay andian-teny hoe: “nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” dia tsy hoe hevitra tsara fotsiny na koa ohatra amin’ny fiteny kanto ao amin’ny soratra masina fotsiny. Fa ireo fitahiana ireo dia miharihary eo amin’ny fiainan’ireo mpianatry ny Tompo amin’ny andro farany tsy tambo isaina.

Ny asa hanendrena ahy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy dia mitondra ahy manerana an’izao tontolo izao. Ary fitahiana ho ahy ny nihaona sy nianatra lesona tsy hay hadinoina avy amin’ny maro taminareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ankehitriny dia tena nampirongoana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra amin’ny voninahitra lehibe. Nahita finoana aho, herim-po, fomba fijery, fikirizana ary fifaliana izay mihoatra lavitra noho ny azon’olombelona tratrarina—ary Andriamanitra irery no afaka manome izany.

Hitako ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe voaray tamin’ny alalan’ny fanehoana fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy teo amin’ny fiainan’ny tanora iray mpikamban’ny Fiangonana izay nalemy ny ampahan’ny vatany noho ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina. Taorian’ireo volana nijaliana nankany amin’ny fahasitranana sy ny fianarana fomba fiaina vaovao ka voafetra ny fahafahana mandeha, dia nihaona sy niresaka tamin’io fanahy matanjaka io aho. Nandritra ny resaka nifanaovanay dia nanontany aho hoe: “Nanampy anao hianatra inona io zavatra niainanao io?” Ny valiny avy hatrany dia hoe: “Tsy malahelo aho. Tsy tezitra aho. Ary hilamina ny zava-drehetra.”

Hitako ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe voaray tamin’ny alalan’ny fanehoana fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy teo amin’ny fiainan’ny olona vao vita batisa sy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana. Ireo olona niova fo ireo dia dodona ny hianatra sy hanompo, vonona nefa matetika tsy mahazo antoka tsara ny fomba hialana amin’ireo fahazarana taloha sy ireo fomba amam-panao matanjaka, kanefa faly fa tonga “mpiray fanjakana amin’ny olomasina sady ankohonan’ Andriamanitra.”12

Hitako ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe voaray tamin’ny alalan’ny fanehoana fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana iray nikarakara fatratra ny vady sy ray aman-dreny iray tao anatin’ny areti-mahafaty. Ireo mpianatra be herim-po ireo dia namariparitra ireo fotoana izay nahatsapan’ny fianakaviany ho irery, sy ireo fotoana nahafantaran’izy ireo fa nampahery sy nampatanjaka azy ireo ny tanan’ny Tompo. Io fianakaviana io dia naneho fankasitrahana tamin-kitsimpo noho ireo zava-tsarotra niainana teto an-tany izay ahafahantsika mivoatra sy ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika. Andriamanitra dia nanampy sy nitahy ity fianakaviana ity tamin’ny alalan’ny fiarahan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo ary nahatonga ny tranon’izy ireo ho toerana fialofana masina tahaka ny tempoly.

Hitako ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe voaray tamin’ny alalan’ny fanehoana fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy teo amin’ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay niaina ny ratram-pon’ny fisaraham-panambadiana. Ny alahelo ara-panahy sy ara-pihetseham-po an’ity rahavavy ity dia nitombo noho ny fahatsapana ny tsy rariny mifandray amin’ny fandikan’ny vadiny ny fanekempihavanana sy ny faharavan’ny fanambadian’izy ireo. Naniry fahamarinana sy fandraisana andraikitra izy.

Rehefa nitolona noho izay rehetra nanjo azy ity vehivavy mahatoky ity dia nandalina sy nisaintsaina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy tamin’ny nahim-po sy tamin’ny fomba mahery kokoa noho ny teo aloha teo amin’ny fiainany. Nilentika tsikelikely tao amin’ny fanahiny ny fahatakarana lalindalina kokoa ny iraka fanavotana nataon’i Kristy, ny fijaliany noho ny fahotantsika, ary koa ny fanaintainantsika, ny fahalementsika, ny fahadisoam-panantenantsika ary ny alahelontsika. Dia nahazo fanentanam-panahy izy hametraka fanontaniana miantefa lalina ao an-tsaina tamin’ny tenany ihany: Koa satria efa voaloa ny vidin’ireny fahotana ireny, moa ve ianao hitaky ny handoavana ny vidiny indroa? Tsapany fa tsy ho rariny no tsy mamindra fo ny fitakiana toy izany.

Nianatra ity vehivavy ity fa ny fifatorany tamin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy dia afaka manasitrana ny ratra nateraky ny fampiasan’ny olona iray hafa tsy am-pahamarinana ny fahafahana misafidy ary nahafahany hahita fahaizana mamela heloka sy hahazo fiadanam-po sy famindrampo ary fitiavana.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ireo fampanantenana sy fitahian’ny fanekempihavanana dia tsy misy raha tsy noho i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Manasa antsika Izy hitodika any Aminy,13 hanatona Azy,14 hianatra Aminy,15 ary hifatotra Aminy16 amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona aho ary mampanantena fa ny fanajana ny fanekempihavanana dia mampirongo fahamarinana sy herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe antsika. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo Jesoa Kristy velona no Mpamonjy antsika. Ireo fahamarinana ireo no ijoroako ho vavolombelona amim-pifaliana amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.