Manome fahamasinana ho an’ny Tompo
Tsy dia hoe “famoizana zavatra” loatra ny fanaovana sorona fa midika kokoa hoe “fahafoizana ho” an’ny Tompo.
Tamin’ny herin-taona, raha nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Azia Avaratra aho dia naharay antso an-telefaonina avy tamin’ny Filoha Russell M. Nelson izay nanasa ahy mba ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Episkôpà Mpiahy. Nanasa an’i Lori vadiko tamim-panajana izy mba hiara-hiresaka aminay. Rehefa tapitra ilay antso dia mbola tao anatin’ny tsy finoana ny zavatra niseho izahay no nanontany ny vadiko hoe: “Fa inona tokoa aloha no ataon’izany Episkôpà Mpiahy izany e?” Rehefa avy nieritreritra kely aho dia namaly hoe: “Tsy dia tena fantatro loatra!”
Herin-taona aty aoriana, ary taorian’ny fahatsapana fanetrentena sy fankasitrahana lalina, dia afaka mamaly ny fanontanian’ny vadiko amin’ny fahatakarana bebe kokoa aho. Anatin’ireo zavatra maro hafa, ny Episkôpà Mpiahy dia manara-maso ny fifanampiana sy ny fanampiana olona izay ataon’ny Fiangonana. Ankehitriny izany asa izany dia tanterahina maneran-tany ary mitahy zanak’ Andriamanitra maro kokoa noho izay nisy hatrizay.
Izahay Episkôpà Mpiahy dia ampian’ireo mpiasan’ny Fiangonana sy olona hafa tena mahafinaritra, isan’izany ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, izay miara-manompo aminay ao amin’ny Kômity mpitarika ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny Fiangonana. Amin’ny anjara asanay amin’ny maha mpikambana anay ao amin’io kômity io, dia nangataka anay sy Rahavavy Eubank izay nandaha-teny tamintsika omaly hariva ny Fiadidiana Voalohany, mba hizara aminareo ny vaovao momba ireo asa fanampiana olona nataon’ny Fiangonana vao haingana. Nangatahan’izy ireo manokana ihany koa ny mba hanehoanay ny fankasitrahana lalina avy amin’izy ireo, satria ianareo ry rahalahy sy ranabavy no nahatonga ireo asa fanampiana olona ireo ho azo tanterahina.
Rehefa feno ahiahy izahay nandinika ireo vokatra voalohany nateraky ny firongatry ny COVID-19 teo amin’ny toe-karena manerana izao tontolo izao, dia mety ho nandeha ho azy taminay ny manampo fihenana eo amin’ny anjara biriky ara-bola izay azon’ireo Olomasina natolotra. Sady ny mpikambana ato amintsika rahateo koa tsy hoe tsy andairan’ireo fahasarotana avy amin’ilay valanaretina. Alaivo sary an-tsaina ny zavatra tsapanay rehefa ny mifanohitra tamin’izany no hitanay! Ny fanolorana fanomezana hanaovana asa fanampiana olona tamin’ny 2020 no hita fa betsaka indrindra hatramin’izay, ary toa vao mainka betsaka kokoa noho izany aza amin’ity taona ity. Vokatry ny fahalalahan-tananareo dia afaka nanatanteraka ny fanoloran-tanana lehibe indrindra azony natao ny Fiangonana hatramin’ny nanombohan’ny Kitapom-bola ho an’ny asa fanampiana olona, izay nahavitana tetikasa fanampiana tamin’ny COVID miisa 1500 tany amin’ny firenena mihoatra ny 150. Ireny fanomezana ireny, izay natolotrareo tsy nisy tambiny tokoa ho an’ny Tompo, dia navadika ho sakafo tohan’aina, ôksizena, fitaovam-pitsaboana, ary fanaovana vakisiny ho an’ireo izay tsy manana ny hoenti-manana hanaovana izany.
Manan-danja tsy misy hafa amin’ny fanolorana zavatra ny fitobahan’ny fotoana sy hery izay natokan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ho an’ny asa fanampiana olona. Na teo aza ny firongatry ny valanaretina, dia tsy nitsahatra ny loza voa-janahary sy ny ady an-trano, ary ny fitotonganan’ny toekarena ary mbola nahatonga ny olona maro ho voatery nandao ny fonenan’izy ireo. Nanao tatitra izao ny Firenena Mikambana fa misy olona 82 tapitrisa mahery voatery niala ny tranony manerana izao tontolo izao.1 Atambaro amin’izany ireo olona hafa an-tapitrisany izay nisafidy ny hitsoaka ny fahantrana na ny tsindry hazo lena mba hitady fiainana tsaratsara kokoa ho azy ireo na ho an’ny zanany, dia afaka manomboka mahatakatra kely ny halehiben’izao toe-java-misy iainana maneran-tany izao ianareo.
Fifaliana ho ahy ny mitatitra fa noho ny fahafoizana fotoana sy talenta nataon’ny olona maro dia manana ivon-toerana fandraisana mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina any amin’ny toerana maro eto Etazonia sy any Eorôpa ny Fiangonana. Ary noho ny anjara biriky entinareo dia manolotra zavatra sy vatsim-bola ary mpirotsaka an-tsitrapo isika mba hanampiana ny fampandehanana fandaharanasa mitovy amin’izany izay tantanan’ny fikambanana hafa manerana izao tontolo izao.
Mamelà ahy hampita ny fankasitrahako avy amin’ny fo ho an’ireo Olomasina izay nanolo-tanana hanome sakafo, hampitafy, haka namana, ary hanampy ireo mpitsoa-ponenana ireo hanana toerana hivantanana sy hizaka tena.
Omaly hariva dia nizara taminareo ny vitsivitsy tamin’ireo ezaka mahafinaritra nataon’ny Olomasina mahakasika izany Rahavavy Eubank. Rehefa misaintsaina ireo ezaka natao ireo aho dia mieritreritra matetika ilay fitsipiky ny fahafoizan-tena sy ny fifandraisan’io fitsipika io mivantana amin’ireo didy roa lehibe ny hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika.
Amin’izao vaninandro izao, ny teny hoe sorona dia lasa mivoy ilay hevitra hoe “famoizana” zavatra ho an’ny Tompo sy ny fanjakany. Kanefa, tamin’ny andro fahiny, ny hevitry ny teny hoe sorona dia nifandray akaiky kokoa tamin’ireo foto-teniny amin’ny teny Latina hoe sacer, izay midika hoe “masina,” ary facere, izay midika hoe “manao.”2 Noho izany, ny sorona tamin’ny andro fahiny dia nidika ara-bakiteny hoe “fanamasinana zavatra na olona.”3 Raha raisina araka izany, ny sorona dia dingana hahatongavana ho masina sy hahafantarana an’ Andriamanitra, fa tsy hetsika na fombafomba “[h]amoizana” zavatra ho an’ny Tompo.
Hoy ny Tompo: “[Fiantrana] no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.”4 Tian’ny Tompo ho lasa masina isika,5 sy hanana fiantrana,6 ary hahafantatra Azy.7 Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe: “Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.”8 Ny zavatra lehibe indrindra dia ny fontsika no tadiavin’ny Tompo. Tiany isika ho lasa olom-baovao ao amin’i Kristy.9 Araka ny nampianariny ny Nefita hoe: “Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.”10
Tsy dia hoe “famoizana zavatra” loatra ny fanaovana sorona fa midika kokoa hoe “fahafoizana ho an’” ny Tompo. Voasokitra eo amin’ny fidirana eo amin’ny tempolintsika tsirairay ny teny hoe “Hamasinina ho [an’ny Tompo]; ny tranon’ny Tompo.” Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena isika dia hamasinina amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, sy eo amin’ny alitaran’ny tempoly masina, amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina no hanomezantsika ny fahamasinantsika ho an’ny Tompo. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ny fampandeferana ny sitrapon’ny tena [na ny fon’ny tena11] no tena ilay hany zavatra tena antsika manokana izay tokony hatolotsika eo ambony alitaran’ Andriamanitra. … Kanefa rehefa mankatò izaho sy ianao amin’ny farany, amin’ny famelana ny sitrapontsika tsirairay ho voatelina ao amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, amin’izay isika dia tena manome zavatra ho Azy!”12
Rehefa jerena amin’ny fomba fijery hoe “famoizana” ny sorona ataontsika ho an’ny hafa, dia mety ho toy ny enta-mavesatra ny fandraisantsika azy ireny ary ho lasa kivy isika rehefa tsy misy mankasitraka na mamaly soa ny fahafoizan-tena ataontsika. Kanefa rehefa jerena amin’ny fomba fijery hoe “fahafoizana ho an’” ny Tompo izany dia lasa fanomezam-pahasoavana ny fahafoizan-tena ataontsika ho an’ny hafa, ary lasa valisoa ho an’izany manokana ny fifaliana avy amin’ny fanomezana amim-palalahan-tanana. Rehefa tsy mila intsony ny fitiavana, na ny fankatoavana, na ny fankasitrahana avy amin’ny hafa ny fahafoizan-tena ataontsika dia lasa fanehoana amin’ny fomba faran’izay madio sy lalina ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy ny mpiara-belona amintsika. Izay mety ho fahatsapana fahafaham-po feno hambo noho ny fahafoizan-tena dia lasa fahatsapana fankasitrahana, falalahan-tanana, fahafaham-po ary fifaliana.13
Lasa masina ny zavatra iray, na ny fiainantsika izany, na ny fananantsika, na ny fotoantsika, na ny talentantsika, tsy dia hoe amin’ny alalan’ny famoizana izany fotsiny fa amin’ny alalan’ny fanokanana14 izany koa ho an’ny Tompo. Fanomezana tahaka izany ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana. Izany dia vokatry ny fanatitra iombonana sy natokan’ny Olomasina, fanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ireo zanany.15
I Steve sy i Anita Canfield dia solontenan’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao izay nahazo mivantana ireo fitahiana nitondra fiovana azo avy amin’ny fahafoizana ho an’ny Tompo. Amin’ny maha-misiônera misahana ny fizakan-tena azy ireo dia nasaina ry Canfield hanolotra fanampiana tao amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana sy ireo ivontoerana ho an’ny mpifindra monina manerana an’i Eorôpa. Teo amin’ny asa fivelomany Rahavavy Canfield dia mpanaingo ati-trano isan’ny nikoizana maneran-tany, ary nalain’ireo mpanjifa manan-karena hanatsara ny trano raitran’izy ireo. Tampoka teo dia lasa tafiditra tao anatina tontolo mifanohitra tanteraka amin’izany izy rehefa nanompo ireo olona izay namoy saika ny zava-drehetra raha fananana eto an-tany no resahina. Araka ny filazany azy manokana dia hoe natakalony “tany feno vovoka ireo lalan-tsara vita tamin’ny marbra,” ary rehefa nanao izany izy dia nahatsapa ho nahatontosa zavatra lehibe tsy hay refesina rehefa nanomboka naka namana, ary vetivety dia nitia sy nandray ireo izay nila ny fikarakarany izy mivady.
Hoy ry Canfield: “Tsy nahatsapa toy ny hoe tsy maintsy -nahafoy- zavatra mba hanompoana ny Tompo izahay. Ny fanirianay dia ny -hahafoy ho- Azy fotsiny ny fotoanay sy ny herinay mba hitahiana ireo zanany amin’ny fomba rehetra izay hitany fa azo ampiasana anay tsara. Rehefa niara-niasa tamin’ireo rahalahy sy anabavinay izahay, dia tsy nanisy lanja izay mety ho endrika ivelany, izay mety ho fahasamihafana tamin’ny foto-piaviana na ny firenena niaviana, ary ny fifankatiavanay ihany no hitanay. Tsy nisy ambaratongam-pahombiazana teo amin’ny asa na tombotsoa ara-materialy izay afaka nitovy lanja tamin’ny fomba nanomezan’ireo zavatra niainana ireo, dia ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra sahirana indrindra, harena ho anay.
Ny tantaran-dry Canfield sy ireo maro hafa mitovy amin’izany dia nanampy ahy hankafy ny tonon’ny hira irain’ny Kilonga izay tsotra kanefa mifono hevi-dalina:
Hoy ilay rano kely hoe “Manomeza”
Sady nikoriana ihany.
“Na kely aza aho n’aiza n’aiza misy ahy,
Ny tontolo maitso hatrany.”
Eny, samy bitika isika tsirairay, saingy rehefa miaraka mahafoy haingana ho an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika, na aiza na aiza alehantsika dia fiainana maro no lasa miroborobo sy voatahy.
Ny andininy fahatelo amin’io hira io dia tsy dia be mpahafantatra, kanefa mifarana amin’ity fanasana feno fitiavana ity:
Ry rahalahy sy ranabavy malala, rehefa miaina ho an’ Andriamanitra sy ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanomezana izay ananantsika, ny fotoantsika, ary eny fa na dia ny tenantsika aza, dia manao izay haha-maitso kely kokoa ny tontolo, manao izay hahafaly kely kokoa ireo zanak’ Andriamanitra, ary mandritra izany, dia lasa mihamasina kely kokoa.
Enga anie ny Tompo hanome fitahiana miavosa ho anareo noho ireo fahafoizan-tena atolotrareo ho Azy an-tsitrapo tokoa.
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra. “Lehilahin’ny Fahamasinana no anarany.”17 Zanany i Jesoa Kristy, ary avy Aminy ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra.18 Enga anie isika mba hohamasinina amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny fitandremana ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena, ary hanome fitiavana sy fahamasinana bebe kokoa hatrany ho an’ny Tompo.19 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.