Moa tsy misy balsama va any Gileada?
Ny hery manasitran’ny Mpamonjy dia tsy ny fahaizany manasitrana ny vatantsika fotsiny, fa angamba ny manan-danja indrindra dia ny fahaizany manasitrana ny fontsika.
Fotoana fohy taorian’ny nitoriako ny filazantsara tamin’ny fotoana feno, raha mbola mpianatra tao amin’ny Brigham Young University aho dia naharay antso an-telefaonina avy tamin’ny dadako. Nilaza tamiko izy fa nahitana aretina homamiadan’ny sarakaty, ary na dia ratsiratsy aza ny tombana eo amin’ny mety hahavelomany dia vonona izy ny ho sitrana sy hiverina amin’ireo zavatra fanaony mahazatra eo amin’ny fiainany. Fotoana iray nampisaintsaina ahy izany antso an-telefaonina izany. Ny dadako dia evekako, namako ary mpanoro hevitra ahy. Rehefa nandinika ny hoavy izaho sy ny reniko ary ireo mpiray tampo amiko dia toa nanjombona izany. Nanao asa fitoriana tany New York i Dave zandriko lahy ary nandray anjara avy lavitra tamin’ireo zava-nitranga sarotra teo amin’ny fianakaviana ireo.
Ireo mpitsabo tamin’izany andro izany dia nandroso hevitra ny hanaovana fandidiana mba hanandramana hifehy ny fiparitahan’ilay homamiadana. Nifady hanina sy nivavaka mafy ny fianakavianay mba hisian’ny fahagagana. Nahatsapa aho fa nanana finoana ampy hahasitrana an’i Dada izahay. Taloha kelin’ny fandidiana dia nomenay sy i Norm zokiko lahy tsodrano i dada. Tamin’ny finoana rehetra izay azonay nangonina no nivavahanay mba hahasitranany.
Voalamina haharitra ora maromaro ny fandidiana, saingy vao fotoana fohy monja dia nanatona teo amin’ny efitrano fiandrasana ilay mpitsabo mba hihaona amin’ny fianakavianay. Nilaza taminay izy fa vantany vao nanomboka ny fandidiana izy ireo, dia nahita fa efa nihanaka nanerana ny vatan’ny raiko ilay homamiadana. Raha araka ny zavatra hitan’izy ireo dia volana vitsivitsy sisa ny fotoana hiainan’ny raiko. Tena kivy izahay.
Rehefa taitra ny raiko taorian’ny fandidiana dia tsindrin-daona izy ny hahafantatra raha toa ka nahomby ny fandidiana. Nozarainay taminy ilay vaovao mampalahelo.
Nanohy nifady hanina sy nivavaka izahay mba hisian’ny fahagagana. Rehefa niharatsy haingana ny toe-pahasalaman’ny raiko dia nanomboka nivavaka izahay mba tsy hahatsapa fanaintainana izy. Tamin’ny farany rehefa niharatsy ihany izany dia nangataka tamin’ny Tompo izahay mba hamela azy ho faty haingana. Volana vitsivitsy monja taorian’ny fandidiana araka ny novinavinain’ilay mpandidy dia nodimandry ny raiko.
Fitiavana sy fikarakarana be no natobak’ireo mpikambana tao amin’ny paroasy sy ireo naman’ny fianakaviana ho an’ny fianakavianay. Nahafinaritra ny fotoam-pandevenana izay nanomezam-boninahitra ny fiainan’ny raiko. Na izany aza rehefa nandeha teny ny fotoana, dia nanomboka niaina fanaintainana noho ny fahalasanan’ny raiko izahay ary nanomboka nanontany tena hoe nahoana no tsy sitrana ny raiko? Nanontany tena aho sao tsy ampy ny tanjaky ny finoako. Nahoana ireo fianakaviana hafa no nahazo fahagagana fa ny fianakavianay tsy mba nahazo? Nianatra aho nandritra ny asa fitoriana nataoko fa tokony hitodika any amin’ny soratra masina mba hahazoana valiny, noho izany dia nanomboka nikaroka ny soratra masina aho.
Mampianatra mikasika ny zavamaniry na menaka fanosotra manitra fampiasa hitsaboana fery ny Testamenta Taloha, izay vita tamina bozaka maniry tao Gileada. Io menaka fanosotra tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha io dia lasa fantatra tamin’ny hoe “balsaman’i Gileada.”1 Nitomany ny mpaminany Jeremia noho ireo loza izay hitany nanjò ny vahoakany ka niandrandra fahasitranana. Velom-panontaniana i Jeremia hoe: “Moa tsy misy balsama va any Gileada? Tsy misy dokotera va any?”2 Ao anatin’ny literatiora sy ny hira ary ny haikanto dia noraisina ho toy ny Balsaman’i Gileada ny Mpamonjy Jesoa Kristy noho ny hery manasitrana miavaka ananany. Tahaka an’i Jeremia dia mba nanontany tena koa aho hoe: “Moa tsy misy balsama va any Gileada ho an’ny fianakaviana Nielson?”
Ao amin’ny Marka toko 2 ao amin’ny Testamenta Taloha dia hitantsika fa tao Kapernaomy ny Mpamonjy. Niely nanerana ilay tany ny feo mikasika ny hery manasitran’ny Mpamonjy, ary vahoaka maro no nandeha tany Kapernaomy mba ho sitranin’ny Mpamonjy. Olona maro no niangona nanodidina ny toerana izay nisy ny Mpamonjy ka tsy ampy ny toerana nandraisany azy rehetra. Nisy lehilahy efatra nilanja lehilahy iray nararin’ny paralysisa mba ho sitranin’ny Mpamonjy. Tsy afaka nanavatsava an’ireo olona maro izy ireo, noho izany dia nanesoran’izy ireo ny tafon’ny trano ka dia nampidininy hilatsaka tany ambany ilay lehilahy mba hihaona amin’ny Mpamonjy.
Rehefa namaky ity tantara ity aho dia talanjona tamin’ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy rehefa nahita ity lehilahy ity nanao hoe: “Anaka, voavela ny helokao.”3 Nieritreritra aho hoe raha izaho ny iray tamin’ireo lehilahy efatra izay nilanja io lehilahy io dia mety niteny tamin’ny Mpamonjy aho hoe: “Raha ny tena marina dia ny ho sitranina no antony hitondranay azy eto.” Mino aho fa mety namaly ny Mpamonjy hoe: “Efa nositraniko izy.” Azo neritreretina ve fa tsy nahatakatra tanteraka aho—fa ny hery manasitran’ny Mpamonjy dia tsy ny fahaizany manasitrana ny vatantsika fotsiny, fa angamba ny manan-danja indrindra dia ny fahaizany manasitrana ny fontsika sy ny fo maratran’ny fianakaviako?
Nampianatra lesona manan-danja tamin’ny alalan’ity zavatra niainana ity ny Mpamonjy raha nanasitrana an’io lehilahy io izy tamin’ny farany. Lasa nazava tamiko fa ny hafatra nampitainy dia ny hoe, afaka nikasika ny mason’ireo jamba Izy mba hahita izy ireo. Afaka nikasika ny sofin’ireo izay marenina Izy dia nandre izy ireo. Afaka nikasika ny tongotr’ireo izay tsy afaka namindra Izy dia afaka namindra izy ireo. Afaka manasitrana ny masontsika sy ny sofintsika ary ny tongotsika Izy, saingy ny manan-danja indrindra ambonin’izany rehetra izany, dia afaka manasitrana ny fontsika Izy rehefa manadio antsika amin’ny fahotana sy manohana antsika ao anatin’ireo fitsapana sarotra.
Rehefa niseho tamin’ny vahoaka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niresaka indray momba ny hery manasitrana ananany Izy. Ren’ireo Nefita ny feony avy any an-danitra nilaza hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo, hahazoako manasitrana anareo?”4 Nampianatra ny Tompo taty aoriana hoe: “Satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy.”5 Tsy fanasitranana ara-batana no tian’ny Mpamonjy holazaina fa kosa fanasitranana ara-panahin’ny fanahin’izy ireo.
Mitondra fahatakarana fanampiny i Môronia rehefa nizara ny tenin’i Môrmôna rainy. Rehefa niresaka mikasika ireo fahagagana i Môrmôna dia nanazava hoe: “Ary efa niteny i Kristy hoe: raha manam-pinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko.”6 Nianatra aho fa ny anton’ny finoako dia tsy maintsy i Jesoa Kristy, ary nilaiko ny nanaiky izay zavatra mahasoa ao Aminy rehefa nampihatra ny finoako Azy aho. Takatro ankehitriny fa ny fahafatesan’ny raiko dia zavatra mahasoa ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ankehitriny rehefa mametra-tanana eo amin’ny lohan’olon-kafa aho mba hanome tsodrano azy ireo dia ao amin’i Jesoa Kristy ny finoako ary takatro fa ny olona iray, dia afaka ny ho sitrana ary ho sitrana ara-batana, raha izany no zavatra mahasoa ao amin’i Kristy.
Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay ahafahana mandray ilay heriny manavotra na ilay heriny mampatanjaka, no fitahiana faratampony izay omen’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra. Rehefa mibebaka amin’ny fo feno finiavana isika dia hodiovin’ny Mpamonjy amin’ny fahotantsika. Rehefa mampandefitra amim-pifaliana ny sitrapontsika amin’ny an’ny Ray isika na dia ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay sarotra aza dia hoentin’ny Mpamonjy ny enta-mavesatsika ary hohamaivaniny izany.7
Saingy ity no lesona lehibe kokoa nianarako. Diso ilay finoako hoe tsy nandaitra tamin’ny fianakaviako ny hery manasitran’ny Mpamonjy. Ankehitriny aho rehefa manao jery todika amin’ny maso matotra kokoa sy noho ny zavatra niainako, dia hitako fa ny hery manasitran’ny Mpamonjy dia hita mibaribary teo amin’ny fiainan’ireo olona tsirairay ao amin’ny fianakaviako. Nifantoka tamin’ny fahasitranana ara-batana loatra aho ka lasa tsy nahita ireo fahagagana izay nitranga. Nampatanjaka sy nanohana ny reniko mihoatra ny heriny ny Tompo tao anatin’izany fitsapana sarotra izany ka lava ny andro niainany sady niroborobo izy. Nanana hery miavaka mitarika amin’ny tsara teo amin’ireo zanany sy ny zafikeliny izy. Nomen’ny Tompo ahy sy ny mpiray tampo amiko ny fitiavana, ny firaisan-kina, ny finoana ary ny fahaizana miaritra, izay lasa ampahan-javatra manan-danja teo amin’ny fiainanay mandraka androany.
Saingy ahoana kosa ny amin’ny raiko? Tahaka ireo rehetra izay mibebaka, dia sitrana ara-panahy izy rehefa nikatsaka sy nandray ireo fitahiana azon’ny olon-drehetra noho Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Nandray ny famelana ny fahotany izy ary miandry ny fahagagan’ny Fitsanganana amin’ny maty ankehitriny. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”8 Hitanareo fa nilaza tamin’ny Mpamonjy aho hoe, “Nentinay teo aminao ny raiko mba hositranina,” ary nataon’ny Mpamonjy nazava tsara tamiko izany ankehitriny fa efa nositraniny izy. Nandaitra tamin’ny fianakaviana Nielson ny balsaman’i Gileada—tsy tamin’ny fomba nanantenanay izany fa tamin’ny fomba manan-danja kokoa izay efa nitahy sy mitohy mitahy ny fiainanay.
Ao amin’ny Jaona toko 6 ao amin’ny Testamenta Taloha dia nanao fahagagana faran’izay mahaliana ny Mpamonjy. Hazandrano vitsivitsy sy tapa-mofo vitsy monja no namahanan’ny Mpamonjy olona miisa 5.000. Novakiko imbetsaka io tantara io saingy nisy ampahany tamin’izany zava-nitranga izany no tsy hitako nefa ankehitriny dia lasa manan-danja tokoa amiko. Rehefa avy namahana ireo olona niisa 5000 ny Mpamonjy dia nangataka ny mpianany Izy hanangona ny sisa tsy lany, ny ambiny izay nahafeno harona niisa 12. Nanontany tena aho hoe nahoana ny Mpamonjy no nanokana fotoana hanaovana izany. Lasa nazava tamiko fa ny lesona iray izay azontsika ianarana avy tamin’io fotoana io dia ity: Nahavita namahana olona niisa 5000 Izy kanefa mbola nisy ambiny izany. “Ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako.”9 Ny hery manavotra sy manasitrana ananan’ny Mpamonjy dia mahasahana izay mety ho fahotana, na ratra na fitsapana—na lehibe toy ny inona izany ary na sarotra toy inona—ary mbola misy ambiny izany. Ampy ny fahasoavany.
Afaka mandroso amim-pinoana isika miaraka amin’izany fahalalana izany, satria mahafantatra fa rehefa tonga ny fotoan-tsarotra, ary azo antoka fa ho tonga izany, na rehefa manarona ny fiainantsika ny ota, dia hijoro ny Mpamonjy miaraka amin’ny “fanasitranana ao amin’ny elany,”10 manasa antsika hanatona Azy.
Mijoro ho vavolombelona aminareo aho momba ny Balsaman’i Gileada, Ilay Jesoa Kristy Mpamonjy, Mpanavotra antsika sy ilay hery manasitrana mahagaga ananany. Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny faniriany te hanasitrana anao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.