Fisokafan’ireo tempoly indray: Am-pitandremana sy omban’ny fandinihana tsara
Ireo tempoly dia niverina nisokatra indray ka izany dia natao am-pitandremana sy omban’ny fandinihana tsara amin’ny alalan’ny dingana dimy sy miankina amin’ny toe-draharaha ao an-toerana sy ny fepetra apetrak’ireo fitondram-panjakana mahakasika ny valanaretina COVID-19. Ireo dingana ireo dia hampihena ny loza mety hitranga, hampifanaraka ny fahafahan’ny tempoly mandray olona amin’ireo fangatahana handeha any, ary hitandrina ireo fepetra momba ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’ilay tempoly.
Tamin’ny septambra 2021, ny Fiadidiana Voalohany dia namoaka taratasy manome torolalana ho an’ireo mpiandraikitra sy mpiasan’ny tempoly rehetra mba hanao arotava hatrany rehefa ao amin’ny tempoly. “Tsy maharitra ireo fitsipika arahina momba ny fiarovan-tena ireo fa mifototra amin’ireo fepetra mikasika ny COVID-19 ary hofoanana raha vantany vao ahafahana manao izany ny toe-java-misy,” hoy ilay taratasy. “Aoka ianareo hanao izay rehetra azonareo atao mba hiarovana ny tenanareo sy ny hafa mba hahafahan’ny asan’ny Tompo mandroso eo amin’ny lafy roan’ny voaly.”
Ny Fiadidiana Voalohany dia nanainga mafy an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana ihany koa mba hanao vakisiny sy hiaro ny tenany sy ny hafa eo anatrehan’ny fihanahan’ilay aretina.