2021
Rafitra vaovao ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
Nôvambra 2021


Rafitra vaovao ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Manomboka ny 25 ôktôbra 2021, ireo mpitarika avy amin’ireo tsatòka voafantina dia hanome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly—tsy tafiditra amin’izany ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona—amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG), hamoahana printy ny fahazoan-dalana. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ihany koa dia afaka manao sonia nomerika an’ireo fahazoan-dalana ireo, na azon’izy ireo soniavina araka ny fanaovana azy ankehitriny ihany izany.

Ny fanaovana sonia nomerika no fomba azo antoka indrindra rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary rehefa azo atao, dia tokony sonia nomerika no ampiasaina. Ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia manantena fa rehefa tonga ny 13 desambra 2021 dia hampiasa ny DDG avokoa ny vondrona rehetra ato amin’ny Fiangonana.

Ankoatra izany dia nasiam-panavaozana ny endriky ny fahazoan-dalana ampiasain’ny mpikambana tsy mbola nahazo fanafiana masina rehefa mandray anjara amin’ny batisa sy fanamafisana ho mpikambana isoloana tena. Ilay filaza hoe “fahazoan-dalana voafetra” dia tsy ho ampiasaina intsony.

Ireo mpikambana nahazo fahazoan-dalana araka ny endriny taloha dia mbola afaka mampiasa izany hatrany mandrapalany daty ny fahazoan-dalany.