Manome fanampiana sy fanohanana ny Fiangonana
Ao anatin’ny fotoan-tsarotra ary na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao ilana fanampiana, ny Fiangonana dia manohy ny fanaovana izay rehetra vitany mba hanolorana fanampiana sy fanohanana, matetika amin’ny fiarahana miasa amin’ireo fikambanana mpanao asa soa sy tsy miankina hafa. Nandritra ireo enim-bolana farany, ny Latter-day Saint Charities izay rantsana mpanao asa soa an’ny Fiangonana, dia nanome fanampiana mba:
-
Hahafahan’ny fikambanana tsy miankina iray hametraka rano azo ampiasaina any amina tranon’olona mipetra-davitra an’ny foko Navajo ao Nouveau Mexique, Arizona; ary Utah, Etazonia.
-
Hizara vakisiny amin’ny COVID-19 ho ana olona azo heverina hoe marefo eo amin’ny 2 lavitrisa eo any amina firenena sy faritany miisa 121.
-
Manome vatsy fanampiana an’ireo mpitsoa-ponenana Etiopianina mipetraka ao Soudan ary ireo tanàna kely dibo-drano mafy ao Soudan. Ny fanampiana dia nanohana ihany koa ireo mpamboly sy mpiompy mba hiharina taorian’ny tondra-drano ary hahazoana sakafo ho an’izy ireo sy ho an’ny hafa ary hanampiana ireo fianakaviana hahaleo tena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny orinasa madinik’izy ireo manokana.
-
Hanampiana mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina miisa 9.000 amin’ny alalan’ireo fikambanana mpanao asa soa ao Etazonia izay saika ho 190, ka nanolorana famatsiam-bola mitetina 5 tapitrisa dolara amerikanina
-
Hanohizana fampiofanana sy hanomezana solosaina ho an’ny olona jamba sy ny tsy mahita tsara ao Polynésie française.
-
Handrindrana miaraka amin’ireo fikambanana ara-pivavahana sy fiarahamonina hafa ny fanampiana fianakaviana mpifindra moninna any amin’ny toby fandraisana ao Houston, Texas, Etazonia.
-
Hanamorana tetikasa amin’ny fiadiana amin’ny valanaretina miiasa 20 ao Paraguay.
-
Hitondrana fanampiana tany Haïti taorian’ny horohoron-tany nandrava iray, ka ny tranon’ny Fiangonana dia nampiasaina ho fialofana ary ny Fiangonana dia nanolotra sakafo sy rano ary vatsy hafa.
-
Hamaliana ireo zavatra maika ilain’ireo mpitsoa-ponenana Afghan mipetraka any Qatar, Eorôpa, ary Etazonia.
Ny Fiangonana ihany koa dia nanolotra fanampiana tao Saint-Vincent-et-les-Grenadines izay Nosy Karaiba nandritra ny fiposahan’ny vôlkano iray tao amin’io faritra io; nandrindra mpilatsaka an-tsitrapo hanampy amin’ny fanadiovana sy fanarenana rehefa namely ny morontsiraka atsimo atsinanana sy ny Louisianne ao Etazonia ny rivo-doza iray; ary nanolotra fanampiana rehefa namela fandravana isan-karazany tao amin’ny faritra ao Alemaina, Belgique, Pays Bas, Luxembourg, ary Soisa ny tondra-drano.