Firesahana momba ny fahasalamana ara-tsaina
Mamelà ahy hizara tsoa-kevitra maromaro nataoko rehefa nandalo fisedrana ny fianakavianay.
Na dia nahazo fitahiana maro aza ny fianakavianay teo am-pandehanana tamim-pifaliana tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana, dia niatrika olana tena sarotra ihany koa izahay. Tiako ny hizara zavatra tena niainako manokana mahakasika ny aretin-tsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny aretina valaketraka tanteraka, ny fitaintainana mahery, ny fiovaovan’ny toe-po, ny aretina diso mavitrika tsy ampy fifantohana, ary indraindray dia izy rehetra mitambatra. Mizara ireo zavatra niainana tena manohina fo ireo aho rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ireo izay voakasik’izany.
Nandritra ny fanompoako dia nihaona tamina olona sy fianakaviana an-jatony izay niaina zavatra mitovy aho. Indraindray aho dia manontany tena raha toa ny aretin-tsaina ka mety ho isan’ireo “areti-mandripaka” mandrakotra ny tany araka izay voalaza ao amin’ny soratra masina.1 Hita maneran-tany izany, manerana ny kaontinanta sy ny kolontsaina rehetra, ary mamely ny rehetra, na tanora, na antitra, na manan-karena, na mahantra. Tsy afa-bela amin’izany ny mpikamban’ny Fiangonana.
Etsy an-kilan’izay, ny fotopampianarantsika dia mampianatra antsika hiezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy sy hatao tanteraka ao Aminy. Ny zanatsika dia mihira hoe “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa.”2 Miandrandra fatratra ny ho tanteraka tahaka ny fahatanterahan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika.3 Koa satria mety manimba ny fandraisantsika ny atao hoe fahatanterahana ny aretin-tsaina, dia matetika loatra izany no mijanona ho zava-pady ka tsy azo resahina. Vokatr’izany dia be loatra ny tsy firaharahiana, be loatra ny fijaliana anatin’ny fahanginana, ary be loatra ny hakiviana. Olona maro, izay mahatsapa ho kivy tokoa satria tsy manaraka ny fenitra eken’ny olona, no manana fiheveran-diso fa tsy manana ny toerany ao amin’ny Fiangonana izy ireo.
Mba hiadiana amin’ny fahadisoam-panantenana toy izany dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa “tia ny zanaky ny Rainy tsirairay avy ny Mpamonjy. Takany tanteraka ny fanaintainana sy ny ady izay atrehan’ny olona maro eo am-piainan’izy ireo olana maro isan-karazany mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina. Niaritra -fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany Izy; … [nitondra teo] Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony- (Almà 7:11; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Hebreo 4:15–16; 2 Nefia 9:21). Noho Izy mahatakatra ny fahoriana rehetra, dia fantany ny fomba -[hanasitranana] izay nampahoriana-” (Lioka 4:18; jereo koa ny Isaia 49:13–16).”4 Matetika ireo olana no maneho filàna fitaovana sy fanohanana fanampiny fa tsy fananana kilema amin’ny toetra.
Mamelà ahy hizara tsoa-kevitra maromaro nataoko rehefa nandalo fisedrana ny fianakavianay.
Voalohany dia maro ny olona hiara-ory amintsika. Tsy hitsara antsika izy ireo. Noho ny fianjadian’ny tahotra tsy nampivoatra, ny tebiteby, ary ny fahaketrahana dia nody avy tany amin’ny asa fitoriana nataony afaka efatra herinandro monja ny zanakay lahy. Amin’ny maha-ray aman-dreniny anay dia sarotra ho anay ny niatrika fahadisoam-panantenana sy alahelo satria efa nivavaka mafy mba hahombiazany izahay. Toy ny ray aman-dreny rehetra dia tianay hiaina firoboroboana sy ho faly ny zanakay. Tokony ho fotoana tena manan-danja teo amin’ny fiainan’ny zanakay lahy ny asa fitoriana. Nanontany tena ihany koa izahay ny amin’izay mety ho eritreritry ny olona.
Tsy fantatray fa tena mbola nampalahelo mafy lavitra an’ny zanakay lahy ny fiverenany nody. Tiako ho fantatrareo fa tia ny Tompo izy ary te hanompo, kanefa dia tsy nahavita izany noho ny antony izay tsy takatry ny sainy. Vetivety taorian’izay izy dia tao anatin’ny fahakiviana tanteraka ary niady tamin’ny fahatsapana lalina ho meloka. Tsy nahatsapa ho nankasitrahana intsony izy fa nahatsapa ho nalemy ara-panahy. Nanjary resin’ny fieritreretana ny ho faty izay niverimberina tao aminy izy.
Raha mbola tao anatin’izany toe-javatra tsy azo hazavaina izany, dia nino ny zanakay lahy fa ny mamono tena no hany sisa zavatra azony natao. Nilàna ny fanampian’ny Fanahy Masina sy andiana anjely avy amin’ny lafy roan’ny voaly ny fanavotana azy.
Raha mbola niady tamin’ny fahafatesana izy ary nandritra io fotoana sarotra dia sarotra io, dia nidodododo mba hanampy sy hanompo anay ny fianakavianay, ireo mpitarika sy mpikambana tao amin’ny paroasy ary ireo namana.
Tsy mbola nahatsapa fitiavana sesehena toy izany aho. Tsy mbola tsapako tamin’ny fomba mahery vaika kokoa sy tamin’ny fomba tena nahakasika ahy manokana toy izany ny dikan’ny hoe mampionona ireo izay mila fampiononana. Ho feno fankasitrahana foana izany fitiavana sesehena izany ny fianakaviako.
Tsy afaka mamaritra ireo fahagagana tsy voatanisa izay niaraka tamin’ireo zava-nitranga ireo aho. Ankasitrahana tokoa fa tsy maty ny zanakay, saingy nila fotoana maharitra sy fikarakarana be ara-pitsaboana, ara-panasitranana ary ara-panahy izy mba hahasitranany sy hanekeny fa tiana sy nomena lanja ary nilaina izy.
Manaiky aho fa tsy hiravona tahaka ny anay daholo ny trangan-javatra toy izany. Miara-malahelo amin’ireo izay namoy havan-tiana haingana loatra aho izay mahatsapa alahelo mafy sy manana fanontaniana tsy voavaly amin’izao fotoana izao.
Ny fanamarihana ataoko manaraka dia hoe mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreny ny mamantatra ny zavatra manahirana ireo zanany, saingy tsy maintsy mampiana-tena isika. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fahasamihafana eo amin’ireo fahasarotana mifandray amin’ny fivoarana mahazatra sy ireo famantarana aretina? Isika ray aman-dreny dia manana andraikitra masina hanampy ny zanatsika hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana. Na izany aza anefa dia vitsy amintsika no manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana ara-tsaina. Na dia eo aza nefa izany dia mila mikarakara ny zanatsika isika amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hianatra ny ho faly amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin-kitsimpo eo am-piezahan’izy ireo manatratra ireo zavatra andrandrainy manokana. Isika tsirairay avy dia mahafantatra avy amin’ny tsy fahatanterahantsika manokana fa dingana mitohy ny fivoarana ara-panahy.
Takatsika ankehitriny fa “tsy misy zavatra tsotra fanafan’ny zava-drehetra ho an’ny fahasalamana ara-pihetsehampo sy ara-tsaina. Hianjady amintsika ny rarin-tsaina sy ny fahoriana satria miaina ao anatin’ny tontolo lavo miaraka amin’ny vatana lavo isika. Ankoatra izay dia anton-javatra maro no mety hitarika ho amin’ny famantarana ny fisian’ny aretin-tsaina. Na manao ahoana na manao ahoana ny fahasalamantsika ara-pihetsehampo sy ara-tsaina dia mahasoa kokoa ny fifantohana amin’ny fivoarana raha mitaha amin’ny fifantohana amin’ireo tsy fahatanterahantsika.”5
Ho anay mivady dia ny fijanonana akaiky indrindra an’ny Tompo araka izay azo atao no zavatra iray nanampy anay foana. Rehefa mandinika ny zava-nitranga dia hitanay ankehitriny ny fomba nampianaran’ny Tompo anay tamim-paharetana tamin’ny alalan’ireo fotoana nisedrana olana lehibe. Nitarika anay tsikelikely tao anatin’ireo fotoana sarotra indrindra ny fahazavany. Nanampy anay ny Tompo mba hahatakatra fa manan-danja lavitra ny hasarobidin’ny fanahy iray ao amin’ny drafitra mandrakizain’ny Ray raha mitaha amin’izay mety ho asa na zava-bita eto ambonin’ny tany.
Averiko indray fa ny fampianarantsika ny tenantsika momba ny fahasalamana ara-tsaina dia manomana antsika mba hanampy ny tenantsika sy ireo olona hafa izay mety manana olana. Ny fiarahana manao fifanakalozan-kevitra misokatra sy amin-kitsimpo dia hahatonga ity lohahevitra manan-danja ity hahazo ny fifantohana mendrika azy. Sady mila mahazo fampahalalana rahateo vao mahazo fitaomam-panahy sy fanambarana. Ireo olana izay matetika no tsy hita maso ireo dia mety hianjady amin’ny rehetra, ary rehefa miatrika izany izy ireo dia toy ny tsy hay resena izany.
Isan’ireo zavatra voalohany mila fantatsika ny hoe azo antoka fa tsy irery isika. Manasa anareo aho mba handalina ilay lohahevitra momba ny fahasalamana ara-tsaina ao amin’ny fizarana Faire face aux défis de la vie ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile. Ny fianarana dia hitondra ho amin’ny fahatakarana kokoa, fanekena kokoa, fangorahana kokoa, fitiavana kokoa. Afaka mampihena ny loza izany, sady manampy antsika ihany mba hiezaka ny hanana sy hanao izay hampisy foana fanantenana zavatra tsara sy fifandraisana tsara.
Ny fanamarihana omeko farany dia hoe: mila mifampiahy mandrakariva isika. Tsy maintsy mifankatia isika ary tsy mifampitsaratsara, indrindra fa rehefa tsy azontsika avy hatrany izay zavatra andrandraintsika. Tokony hanampy ireo ankizy sy zatovontsika isika mba hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo, eny fa na dia rehefa mitolona mba hahatsapany ny fitiavany ny tenany aza izy ireo. Ny Loholona Orson F. Whitney, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoro hevitra ireo ray aman-dreny mikasika ny fomba hanampiana ireo zanaka manana olana: “Mivavaha ho an’ny … zanakareo; hazony amin’ny finoanareo izy ireo.”6
Matetika aho no nisaintsaina ny dikan’ny hoe mifikitra amim-pinoana amin’izy ireo. Mino aho fa tafiditra ao anatin’izany ireo fihetsika tsotra atao am-pitiavana, ny halemem-panahy, ny hatsaram-panahy ary ny fanajana. Midika izany hoe mamela azy ireo hivoatra amin’ny hafainganam-pandeha mety aminy sy mijoro ho vavolombelona mba hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Izany dia mitaky ny hieritreretantsika azy ireo kokoa ary hampihenantsika ny fieritreretana ny tenantsika na ny hafa. Mazàna izany no midika hoe tsy dia miteny firy fa mihaino kokoa, misimisy kokoa. Tsy maintsy mitia azy ireo isika, mampatanjaka azy ireo, ary midera azy ireo matetika amin’ny ezaka ataony mba hahomby sy ho mahatoky amin’ Andriamanitra. Ary farany dia tokony hanao izay rehetra tratry ny herintsika isika mba hanakaikezana azy ireo, tahaka ny hanakaikezantsika an’ Andriamanitra.
Ho an’ireo rehetra izay ianjadian’ny aretin-tsaina dia mifikira amin’ny fanekempihavanana nataonareo, eny fa na dia mety tsy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra aza ianareo amin’izay fotoana izay. Ataovy izay rehetra tratry ny herinareo ary avy eo dia “hahajoro … fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”7
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Fantany isika. Tia antsika Izy ary tsy hilavo lefona amin’ny fiandrasana antsika hivoatra Izy. Nandritra ireo fitsapana nolalovan’ny fianakavianay dia lasa fantatro fa akaiky tokoa Izy. Marina ireo fampanantenany hoe:
Aza kivy na matahotra ianao,
‘Zaho Andriamanitra manampy anao.
‘Zaho hampatanjaka sy hampitraka.
Hijoro ianao, eo anatrehako.
Noho ny fahafantarana fa mafy tokoa ny fototra iorenantsika, dia enga anie isika hanambara amim-pifaliana hoe:
Tolory an’i Jesoa ny fiainanao,
Fa tsy handao anao mandrakizay Izy.
Na manangoly aza i Satana,
Na oviana na oviana tsy ho foiny ianao!8
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.