Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-191
Miova isika rehefa mampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ianarantsika. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara izany hafatra tsotra nefa mahery vaika izany hanokafana sy hamaranana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
“Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy,” hoy izy nandritra ny lahateny fanokafana izay nataony. “Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany.” Ny ampitson’io andro io, tao amin’ny lahateny famaranana nataony, dia hoy izy hoe: “Nampianarina tsara isika. … Ankehitriny, izao no fanontaniana, inona no fiovana amintsika vokatry ny zavatra izay norenesintsika sy tsapantsika?”
Isan’ireo lesona manan-danja maro nampianarina nandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity:
-
Nianatra isika fa fotoana izao hampiharana fepetra goavana mba hampatanjahana ny fototra ara-panahy iorenantsika manokana (jereo ny Filoha Nelson ao amin’ny pejy 93).
-
Nianatra ihany koa isika momba ny lanjan’ny maha-mpianatra sy ny fahatsoran’izany (jereo ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny 51, Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny pejy 77, ary ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny pejy 47).
-
Nianatra ny antony ilana ny Fiangonana isika ary ny zavatra azontsika atao mba hitahiana ny hafa rehefa miara-miasa (jereo ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny pejy 24, Eveka L. Todd Budge ao amin’ny pejy 100, Bonnie H. Cordon ao amin’ny pejy 10, ary ny Sharon Eubank ao amin’ny pejy 53).
-
Nianatra isika fa ny fitiavana an’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika handresy ireo zavatra mampisara-bazana izay manakana antsika tsy hiray hina (jereo ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny 8, Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny pejy 16, ary ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny pejy 83).
-
Nianatra isika fa afaka manasa ny fanambarana ho eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanoavana ny sitrapon’ny Tompo, ary ny fananana sy fametrahana fanontaniana tsy ananantsika valiny dia azo atao tsara (jereo ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny pejy 74, Camille N. Johnson ao amin’ny pejy 80, ary ny Susan H. Porter ao amin’ny pejy 33).
Inona no zavatra henonao? Inona no tsapanao? Ahoana no hampiharanao eo amin’ny fiainanao ny fahamarinana madio, ny fotopampianarana madio, ary ny fanambarana madio ho azonao rehefa manohy mandalina ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianao?