2021
Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao
Nôvambra 2021


Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao

Miverina mandroso indray ny tempoly sy ireo varavarana misokatra mifandray amin’izy ireo ary ireo fanokanana rehefa mihatsara ny toe-draharaha ao an-toerana mikasika ny valanaretina. Mitohy ny fisokafan’ireo tempoly indray izay manaraka dingana, ampifanarahana rehefa ilaina izany amin’ny toe-draharaha ao an-toerana.

Mizotra tsara ny hanaovana ny varavarana misokatra ho an’ny tempolin’i Winnipeg, Manitoba, Kanadà, izay hatokana ny 31 ôktôbra 2021, ary ny tempoly ao Pocatello, Idaho, Etazonia, izay hatokana ny 7 nôvambra 2021.

Ny ivontoerana vaovao ho an’ny mpitsidika an’ny tempolin’i Mesa Arizona dia natokana ny aogositra 2021 teo, ary ny varavarana misokatra dia hotontosaina manomboka ny 16 ôktôbra ka hatramin’ny 20 nôvambra, ka ny famerenana ny fanokanana ny tempoly dia ho atao ny 12 desambra.

Natokana ny distrika manan-tantaran’ny tempolin’i Nauvoo izay nandalo fanavaozana ao Illinois, Etazonia, ka hisy dingana fanampiny ho ampiana amin’ny hoavy.

Hisy varavarana misokatra halamina ho an’ny tempolin’i Washington, D.C., Etazonia, mialoha ny hamerenana ny fanokanana izany indray ny 19 jona 2022.

Tamin’ny mey tamin’ity taona ity dia nambara ny tempoly ho an’i Ephraim, Utah, Etazonia, ary nohadiana ny fototra ho an’ireo tempoly ao Salvador, Brésil; Nairobi, Kenya; Phnom Penh, Cambodge; Neiafu, Tonga; ary Tallahassee, Floride; Tooele, Utah; Syracuse, Utah; Helena, Montana; ary Pittsburgh, Pennsylvania, Etazonia.

Taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nohadiana ny fototra tamin’ny 9 ôktôbra 2021, ho an’ny tempoly ao Casper, Wyoming, Etazonia, ary tamin’ny 30 ôktôbra 2021, ho an’ny tempoly ao Pago Pago, Samoa américaines.

Mitohy ny fanavaozana atao ho an’ny tempolin’i Hamilton, Nouvelle Zélande; Hong Kong, Chine; Tokyo, Japon; Columbus, Ohio, Etazonia; ary Manti, Salt Lake City, sy St. George, Utah, Etazonia.

Mitohy ny fanamboarana tempoly fanampiny miisa 40 manerana izao tontolo izao.