Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Aprily: Mampianatra ahy hisafidy ny tsara i Jesoa Kristy.


Aprily

Mampianatra ahy hisafidy ny tsara i Jesoa Kristy.

“Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo” (Jaona 13:15).

Hira: Hira momba an’i Jesoa Kristy izay nosafidianao ao amin’ny Chants pour les enfants

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho ahy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina sy manao sary): Soraty eo amin’ny taratasy lehibe iray ny fehezanteny hoe: “I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho ahy.” Hetezo ho efatra hanana endrika piozila tsotra fotsiny ny taratasy iray. Soraty ao ambadiky ny piozila tsirairay ireto fehezanteny manaraka ireto:

Sary
children holding up pictures

Rehefa mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara dia ampio ireo ankizy mba hampihatra azy ireo eo amin’ny fiainany.

Hirao ny “Jésus-Christ est mon modèle” (CPE, 40–41). Asaivo manazava ny zavatra ampianarin’ilay hira ireo ankizy. Ampisehoy ny sarin’i Kristy anankiray ary lazao ny ankizy fa Izy dia nampianatra antsika zavatra maro tamin’ny alalan’ny ohatra tonga lafatra nasehony. Zarao ho vondrona efatra ny ankizy ary omeo ny singany iray amin’ilay piozila sy taratasy fotsifotsy vitsivitsy ny vondrona tsirairay. Angataho izy ireo mba hiaraka hamaky ny soratra masina dia avy eo hanao sary momba ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy. Asao ny vondrona tsirairay mba hanazava ny soratra masiny sy ny sariny ary hametraka ilay singan’ny piozila nomena azy ireo eo amin’ny solaitrabe. Rehefa voatambatra ilay piozila dia iaraho mamerina ilay hoe: “I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho ahy.”

Herinandro 2 sy 3: Nampianarin’i Jesoa Kristy ny fomba tsara hiainana aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira iray): Hirao ny “Choisir le bien” (CPE, 82–83), ary angataho ny antsasaky ny ankizy mba hihaino ny fomba ahafahantsika ho faly ary angataho ilay antsasany anankiray mba hihaino ny zavatra hanampy antsika sy hampiseho antsika ny lalana. Ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaran’ny ankizy avy amin’ilay hira.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao kilalao toy ny ankamantatra sy mamaky soratra masina): Manomana taratasy lavalava izay ahitana ireto teny sy soratra masina manaraka ireto: noana (Matio 5:6); hazava (Matio 5:16); tiava (Matio 5:44); ary mivavaka (Matio 6:6). Ampisehoy ny sarin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Hazavao fa i Jesoa dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hampianatra ny mpianany. Ireo zavatra nampianariny dia antsoina hoe ny Toriteny teo an-tendrombohitra ankehitriny. Asehoy amin’ny antsasaky ny ankizy ny iray amin’ireo taratasy lavalava misy teny ary angataho izy ireo mba haneho ilay teny amin’ny alalan’ny fihetsika mba ho fantarin’ireo ankizy hafa. Iaraho mamaky ilay soratra masina mifanaraka amin’izany ary ampio ny ankizy hahatakatra ny zavatra nampianarin’i Kristy sy ny fomba ahafahana manaraka ny ohatra nasehony. Avereno izany ho an’ireo teny sy soratra masina hafa.

Sary
boy with hands as if praying
Sary
april wordstrips

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mifanakalo hevitra momba ny trangan-javatra vitsivitsy): Soraty eo amin’ny taratasy kely efatra ireto fampianaran’i Jesoa Kristy manaraka ireto: (1) Noana sy mangetaheta fahamarinana, (2) Aoka hazava ny fahazavanareo, (3) Tiava ny fahavalonareo, (4) Mivavaha amin’ny Rainao. (Mampiasà sary izay maneho ireo fampianarana ireo ho an’ny ankizy kely.) Apetraho eny amin’ny faritra samihafa ao amin’ilay efitrano ireo taratasy ireo. Manomana trangan-javatra vitsivitsy (jereo ny EPPGA, 161–62) izay manampy ny ankizy hahatakatra ny fomba hampiharana ireo fampianarana ireo. Ohatra: “Misy olona mananihany anao any am-pianarana ary miantso anao amin’ny anarana sampontsampona.” Inona no hataonao? Avereno vakiana ireo soratra masina avy amin’ilay kilalao famantaran-javatra etsy ambony ary hazavao fa ireo taratasy napetraka manodidina ilay efitrano dia mifandray amin’ilay soratra masina. Hamakio trangan-javatra iray ny ankizy ary asao izy ireo mba hitsangana sy hanatrika ilay taratasy miaraka amin’ny fampianarana izay hanampy azy ireo hisafidy ny tsara. Mangataha ankizy vitsivitsy mba hizara izay safidy hataony.

Herinandro 4: Mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy aho rehefa miezaka ny ho toa an’i Jesoa Kristy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira iray ary manaova safidy): Hirao ny “Je ressens son amour” (CPE, 42–43). Manorata trangan-javatra maro izay mampiseho ny fomba ahafahan’ny ankizy iray manaraka ny iray amin’ireo fampianaran’i Kristy. Ampidiro ao koa ny soratra masina izay ahitana izany fampianarana izany. Misy ohatra vitsivitsy ireto ambany ireto.

Nangataka ilay zandry keliny vavy i Sarah mba tsy hampiasa ny crayons à cire izay azy nefa mbola nampiasain’ilay rahavaviny ihany izany. Raha te-ho tahaka an’i Jesoa i Sarah dia afaka:

  1. Maneho fahatezerana amin’ny rahavaviny.

  2. Manafina ireo crayons à cire.

  3. Mamela ny rahavaviny.

    Matio 18:21–22.

Milalao baolina miaraka amin’ny namany i John ary tsikariny fa misy ankizilahy iray mijoro irery mijery ilay lalao. Raha te-ho tahaka an’i Jesoa i John dia afaka:

  1. Mandrabiraby an’ilay ankizilahy satria irery izy.

  2. Tsy miraharaha ilay ankizilahy ary manohy milalao miaraka amin’ny namany.

  3. Manasa ilay ankizilahy mba hilalao baolina hiaraka amin’izy ireo.

    Jaona 13:34.

Mangataha ankizy iray mba hamaky ny iray amin’ ireo trangan-javatra ireo. Dia angataho izy ireo mba hamaky indray mandeha ireo valiny. Asao ny ankizy ambiny mba hitsangana rehefa mandre ilay valiny izay maneho ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa. Manasa ankizy vitsivitsy mba hamaky mafy ilay soratra masina ary ifanakalo hevitra momba ny zavatra nampianaran’i Jesoa. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa tao anatin’ireo toe-javatra ireo hanampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Avereno atao izany ho an’ny trangan-javatra tsirairay.

Sary
girls reading scriptures

Asaivo mamaky soratra masina mafy ny ankizy. Aoka ho fantatrao ny fahaiza-manaon’ny ankizy tsirairay ary ampio izy ireo handray anjara amim-pahombiazana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Asao ny ankizy mba hanao ny zavatra mety ho tian’i Jesoa mba hataon’izy ireo amin’ity herinandro ity. Lazao izy ireo fa amin’ny herinandro ambony dia hanontany ny sasany amin’izy ireo ianao mba hizara ny zavatra nataony sy ny fomba nahatsapany ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Fanampiana ho an’ireo mpampianatra hira

Sary
teacher holding up three fingers

Mba hanampiana ny ankizy hianatra hira vaovao dia diniho ireto zavatra manaraka ireto:

  • Asao ny ankizy mba haneho famantarana rehefa mihira teny iray manokana izy ireo na hanisa amin’ny rantsantanany hoe impiry no nihiran’izy ireo teny iray. Ohatra hirao ny “Il envoya son Fils aimé” (CPE, 20–21), ary angataho izy ireo mba hanisa amin’ny rantsantanany hoe impiry izy ireo no nihira ny teny hoe “son Fils.”

  • Mifidiana sary iray sy teny iray izay maneho ny fehezanteny tsirairay ao amin’ilay hira ary apetaho eo amin’ny taratasy iray izany. Ohatra, rehefa mihira ny “Il envoya son Fils aimé” (CPE, 20–21) ianao, ilay fehezanteny hoe “Comment le Père a-t-il donné son amour, sa tendresse?” dia asehoy amin’ny alalan’ny sary fo iray miaraka amin’ilay teny hoe tendresse. Ho an’ilay fehezanteny hoe “Il envoya son premier né, l’enfant de la promesse,” dia mampisehoa sarin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny teny hoe promesse. Afaka mampandray anjara ny ankizy ianao amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hitazona ireo sary rehefa mihira izy ireo.

Hamoaka printy