Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Jolay: Misafidy ny tsara aho amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara


Jolay

Misafidy ny tsara aho amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara

“Aoka isika ho mahatoky amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo” (1 Nefia 3:16).

Hira: “Le sage et le fou”

(CPE, 132) na hira iray izay safidianao avy ao amin’ny Chants pour les Enfants

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Afaka mampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona ny fifadian-kanina sy ny vavaka.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona iray ampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Manomana taratasy lavalava roa misy hoe: Fifadian-kanina sy Vavaka. Manasà ankizy roa hiaraka hijoro hifanakaiky ary samy omeo iray avy amin’ireo taratasy lavalava misy teny ny ankizy tsirairay. Asaivo misy ankizy anankiray mandeha eo anelanelan’izy ireo. Angataho ireo ankizy roa voalohany hampifandray mafy tsara ny sandrin’izy ireo ary angataho ilay ankizy iray hafa mba hanandrana ny handeha eo anelanelan’izy ireo indray. Hamafiso fa tena matanjaka kokoa ireo ankizy rehefa nifampitazona izy ireo. Hazavao fa ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia mahery vaika kokoa rehefa miaraka ampiasaintsika izy ireo. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: “Afaka mampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona ny fifadian-kanina sy ny vavaka” ary asaivo miaraka mamerina izany ny ankizy.

Sary
girls holding wordstrips
Sary
july wordstrips

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino soratra masina ary mandray anjara ao anatin’ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana): Angataho ny ankizy mba hihaino ireo zavatra izay nataon’ireo zanakalahin’i Môsià mba ho lasa mafy orina ao amin’ny filazantsara, rehefa mamaky ny Almà 17:2–3 ianao. Asao ny ankizy mba hanabokona ny sandriny isaky ny maheno zavatra izay nanampy ireo zanakalahin’i Môsià ho lasa matanjaka izy ireo.

Tariho ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny fifadian-kanina amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana maro toy ny hoe: “Inona no atao hoe fifadian-kanina?” “Nahoana isika no tokony hifady hanina?” “Isaky ny inona isika no tokony hifady hanina?” ary “Nahoana isika no tokony hivavaka rehefa mifady hanina?” (jereo ny Joseph B. Wirthlin, “The Law of the Fast,” Ensign, Mey 2001, 73–75). Avelao ny ankizy tsirairay izay manampy zavatra ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitra mba hitazona ny iray amin’ireo lohan’ny kofehy na tady iray. Tazony amin’ny tananao ilay lohany iray hafan’ilay tady. Any amin’ny faran’ny fifanakalozan-kevitra dia angataho ireo ankizy nihazona ireo tady mba hijoro eo afovoan’ny efitrano ary hiaraka hanodinkodina ny singan-tadin’izy rehetra mba hanaovana tady mahazaka. Hazavao fa ny singan-tady tsirairay ampiantsika amin’ilay tady mahazaka dia mahatonga ilay tady mahazaka ho mafy kokoa. Ampio ny ankizy hahatakatra fa torak’izany koa isaky ny mivavaka sy mifady hanina isika dia mampitombo ny tanjaky ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Sary
string demonstration

Manampy ny ankizy hahatakatra zavatra saro-takarina ny fampisehoan-javatra ampiasana fitaovana jeren’ny maso.

Herinandro 2: Ny atao hoe tsara fanahy dia ny manao sy milaza zavatra tsara amin’ny hafa.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mitanisa soratra masina iray): Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namana avy hianareo” (Efesiana 4:32) miaraka amin’ny tarehimarika manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 8 eo ambanin’ny teny tsirairay. Omeo tarehimarika iray avy manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 8 ny ankizy tsirairay. Atombohy amin’ny alalan’ny fangatahana izay manana ny 1 rehetra mba hitsangana izany sy hilaza hoe “Aoka” ary asaivo mipetraka haingana izy ireo avy eo. Dia asaivo mitsangana indray ireo manana ny 2 rehetra ary milaza hoe “samy” ary mipetraka haingana avy eo. Tohizo ny fanaovana izany ho an’ireo teny sisa ao amin’ilay fehezanteny. Avereno imbetsaka izany. Avy eo dia asaivo miaraka mamerina ilay fehezanteny iray manontolo ny ankizy rehetra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino tantara iray ary mihira hira iray): Mitantarà tantara momba ny hatsaram-panahy amin’ny ankizy toy ny “Standing Up for Caleb” (Friend, Mar. 2009, 4–5). Angataho izy ireo mba hampiakatra ny ankihibeny rehefa maheno ny fihetsika feno hatsaram-panahy ao amin’ilay tantara ary hampidina izany rehefa maheno fihetsika iray feno haratsiam-panahy. Hirao ny “Soyons gentils” (CPE, 83). Angataho ny ankizy mba hitsangana rehefa mihira momba izay olona tokony hanehoantsika hatsaram-panahy isika. Hirao indray ilay hira ary asaivo manondro ny tenany amin’ny ankihibeny anankiroa izy ireo rehefa mihira ny hoe “Soyons gentils.”

Sary
child with watch

Ny fampiasana ankizy ao anatin’ny fampisehoan-javatra ampiasana fitaovana jeren’ny maso dia hanosika ny ankizy handray anjara mavitrika ary hanampy amin’ny fihazonana ny fahalianan’ireo ankizy hafa.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara fomba mba hananana hatsaram-panahy): Fantaro ireo olona maro ao amin’ny fiainan’ny ankizy (toy ny ray, ny reny, ny rahavavy na anabavy, ny anadahy na rahalahy, ny raibe, ny namana na ny mpampianatra) amin’ny alalan’ny taratasy lavalava misy teny, na sary iray na zavatra tsotra iray (toy ny karavato ho an’ny ray na tehina ho an’ny raibe). Omeo ankizy vitsivitsy ireo zavatra ireo ary asao izy ireo mba handroso eny aloha. Asaivo mizara zavatra tsara azony lazaina momba ilay olona izay asehon’ilay zavatra entiny ny ankizy tsirairay na mizara zavatra azony atao aminy. Dia asaivo mamindra ireo taratasiny lavalava misy teny ireo ankizy na ny sariny na ny zavatra hafa nentiny ho any amin’ny ankizy hafa. Avereno araka ny habetsaky ny fotoana izany.

Herinandro 3: Ny Fanehoana fanajana dia fanomezana voninahitra sy fanehoana fitiavana lalina an’Andriamanitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hiray iray): Manomàna rojo maromaro natao tamin’ny kofehy izay misy fo vita taratasy mifatotra aminy. Manorata teny na andian-teny manan-danja avy amin’ny hira hoe “Le receuillement, c’est l’amour” (CPE, 12) eo amin’ilay fo tsirairay (ohatra, assis sagement, penser, sens, sy ny sisa). Manasà ankizy maromaro mba hanao ireo rojo ireo. Hirao ny “Le recueillement c’est l’amour” ary angataho ireo ankizy manao rojo mba handeha amim-panajana eny aloha ao anatin’ilay efitrano rehefa hiraina ny teny eo amin’ny fon’izy ireo. Asao ireo ankizy manao rojo mba hijoro araka ny filaharany ary hihira ilay hira indray.

Sary
hearts
Sary
heart

Misy sary fo azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mifanakalo hevitra momba ny fanehoana fanajana): Manomàna taratasy lavalava misy teny na ataovy sary tsotsotra ny maso, ny tanana, ny tongotra, ny sofina, ny vava ary ny saina. Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary avelao ny vondrona tsirairay mba hisafidy iray na roa amin’ireo taratasy lavalava misy teny na iray na roa amin’ireo sary. Asaivo mizara (amin’ny alalan’ny teny sy fihetsika) fomba maro izay ahafahan’izany faritra iray eo amin’ny vatana izany ho feno fanajana amin’ny alalan’ny fanehoana voninahitra sy fitiavana an’Andriamanitra ny vondrona tsirairay.

Sary
body parts
Sary
eyes
Sary
hands
Sary
feet
Sary
ears
Sary
mouth
Sary
brain

Misy sary azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 4: Ny atao hoe marin-toetra dia ny filazana ny fahamarinana na inona na inona vokatr’izany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ireo vokany): Manomàna trangan-javatra maro (jereo ny EPPGA, 161–62) izay iatrehan’ny ankizy ny fanaovana safidy mba ho marin-toetra na tsia. Ohatra, “Nokapohinao ny rahalahinao na ny anadahinao, dia anontanian’ny reninao ny antony itomaniany.” Anontanio hoe: “Inona no ho vokan’ny fanehoana fahamarinan-toetra?” Dia anontanio avy eo hoe: “Inona no vokan’ny tsy fanehoana fahamarinan-toetra?” Ampio ny ankizy hahita fa mety ho sarotra ny vokatra mivantan’ny fahamarinan-toetra saingy ilay vokany maharitra dia mitonda fiadanana sy fifaliana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mamorona tononkalo kely miady rima): Asao ny ankizy ao amin’ny kilasy tsirairay (miaraka amin’ny fanampian’ny mpampianatra azy ireo) mba hamorona fehezanteny iray na tononkalo kely miady rima momba ny fahamarinan-toetra. Ohatra, “Raha izaho no milaza ny marina, dia tsy izaho velively no hivarina!” Asao ny ankizy ao amin’ny kilasiy tsirairay mba hizara ny fehezanteniny amin’ny ankizy hafa. Amporisiho izy ireo mba hamerina ilay fehezanteny isaky ny tratran’ny fakam-panahy tsy ho marin-toetra.

Sary
children reading scriptures

Hamoaka printy