Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Desambra: Zanak’Andriamanitra i Jesoa Kristy


Desambra

Zanak’Andriamanitra i Jesoa Kristy

“Indro Izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izaho no fiainana sy fahazavan’izao tontolo izao” (F&F 11:28).

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nandefa ny Zanany ho ety an-tany ny Ray any an-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (famerenana asa iray miompana amin’ny andinin-tsoratra masina iray): Avereno imbetsaka miaraka amin’ny ankizy ity asa iray miompana amin’ny andinin-tsoratra masina iray manaraka ity:

Nandefa ny Zanany teny an-tany ny Ray any an-danitra.

Tonga toy ny zazakely Izy. (rotsirotsio ny sandry)

Nihalehibe toa ahy sy ianao Izy. (miondreha hatreo amin’ny valahana ary mitraka tsimoramora)

Noho ny fitiavany antsika, (ny tanana eo amin’ny fo) dia maty ho antsika Izy. (mipetraha)

Satria nitsangana tamin’ny maty Izy dia ho velona indray isika! (mitsangàna indray)

Hazavao fa ao amin’ny soratra masina dia milaza amintsika i Jesoa fa Izy no Zanak’Andriamanitra. Iaraho mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:28. (Afaka manasa ny ankizy kely ianao hilaza fotsiny hoe “Ilay Zana-k’Andriamanitra rehefa mamaky izany ampahan’ny soratra masina izany.

Sary
children participating

Ny famelana ny ankizy handray anjara amin’ny fitantarana tantara dia hahatonga azy ireo hifantoka sy handray anjara mavitrika.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao sary sy mihaino tantara iray): Asaivo manao sary ahitana zava-niseho na olona iray avy ao amin’ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ny ankizy tsirairay (ohatra, Maria, Josefa na ireo mpiandry ondry). Avereno tantaraina ilay tantara avy ao amin’ny Lioka 2:4–17 sy Matio 2:1–12. Asao ny ankizy mba hanangana ny sarin’izy ireo amin’ny fotoana mahamety izany mandritra ilay tantara. Azonao atao ny mihira hiran’ny Krismasy avy ao amin’ny Chants pour les enfants mandritra izany asa atao izany (jereo ny pejy 34–54). Raha mila torohevitra momba ny fampiasana ny mozika ao anatin’ny fampianarana dia jereo ny EPPGA, 172–75.

Sary
drawing of stable
Sary
drawing of stars
Sary
drawing of family in stable

Herinandro 2: Nitombo saina sy tena i Jesoa sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira iray ary manao tsianjery soratra masina iray): Mampisehoa sary izay maneho ny fitombon’i Kristy nanomboka tamin’ny naha-zazakely azy nankany amin’ny naha-ankizy azy hatrany amin’ny nahalasa olon-dehibe azy. Iaraho mihira ny “Jésus enfant” (CPE, 34), ary angataho ny ankizy mba hanazava ny zavatra ampianarin’ilay hira momba an’i Jesoa. Ampio ny ankizy hitadidy ny Lioka 2:52 amin’ny alalan’ny fampiasana fihetsika tsotra izay maneho ny fomba nitomboan’i Jesoa : saina (tondroy ny loha), tena (habokony ny hozakery), sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra (ampifanindrio ny sandry) sy ny olona (mikopakopaka namana iray).

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mamaky soratra masina sy mandray anjara a- min’ny fanaovana asa): Zarao ho faritra efatra ilay efitrano ary apetraho eo amin’ny faritra tsirairay ireto mari-pamantarana manaraka ireto: Nitombo saina i Jesoa—F&F 88:118; Nitombo tena i Jesoa —F&F 89:20; Nandroso fitia tamin’Andriamanitra i Jesoa—F&F 88:63; Nandroso fitia tamin’ny olona i Jesoa—Ohabolana 18:24. Manomana asa tsotra ho an’ny faritra tsirairay toy ny fametrahana fanontaniana izay sahazan’ny taonan’ny ankizy momba ny Ray any an-danitra sy ny didiny (“saina”), metatra fandrefesana mba hiraketana ny halavan’ny ankizy tsirairay ary taratasy hanaovana ny sarin’ireo sakafo mahasalama (“tena”), ary tantara avy ao amin’ny L’Ami na Liahona momba ny fijoroana ho vavolombelona na finamanana (“nandroso fitia tamin’Andriamanitra” sy “nandroso fitia tamin’ny olona”). Hazavao fa isika rehetra dia mitombo araka ny fomba nitomboan’i Jesoa koa —“[mitombo] tena sy saina ary [m]androso fitia amin’Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52). Zarao ho vondrona efatra ny ankizy ary mangataha olon-dehibe iray mba hitarika ny vondrona tsirairay ho any amin’ny iray amin’ireo famantarana izay toerana hamakian’izy ireo miaraka ilay soratra masina sy hanaovan’izy ireo asa. Asio hira malefaka rehefa tonga ny fotoana hifindran’ny ankizy any amin’ny mari-pamantarana anankiray hafa.

Sary
measuring activity

Nitombo saina i Jesoa

Nandroso fitia tamin’Andriamanitra

Ao anatin’io asa iray io dia afaka maka ohatra an’i Jesoa Kristy ireo ankizy amin’ny alalan’ny fahafantarana fa nitombo toa azy ireo Izy.

Herinandro 3: I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao asa miompana amin’ny soratra masina): Apetaho amin’ny toerana roa mifanohitra ao anatin’ilay efitrano ireo sarin’ny fahaterahan’i Kristy sy ny sarin’ny fahafatesany. Lazao ny ankizy fa ianao dia hamaky soratra masina izay na izany mikasika ireo mari-pamantarana ny fahaterahan’i Jesoa na izany mari-pamantarana mikasika ny fahafatesany. Asaivo mitodika ny ankizy ary manatrika any amin’ilay sary izay miaraka amin’ilay soratra masina novakianao. (Raha toa ka kely ny Kilonganao dia azonao asaina mandeha eny amin’ ireo sary ireo ny ankizy.) Vakio ny 3 Nefia 1:15, 19, 21; 8:20, 22–23. Ifanakalozy hevitra ny fomba nitondran’i Jesoa Kristy hazavana ho an’izao tontolo izao. Asaivo manampina maso ny ankizy ary asaivo mieritreritra olana izay mety ho atrehany izy ireo raha tsy maintsy miaina ao anatin’ny tsy fisian’ny fahazavana. Ampitahao amin’ireo olana izay ho natrehantsika ireo olana ireo raha toa ka tsy nanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Vakio ny Jaona 8:12, ary asao ny ankizy mba hihaino ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba tsy handehanana ao anatin’ny haizina.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao kilalao hamantaran-javatra): Hazavao fa maro ireo marika maneho zavatra hafa izay manampy antsika hahatsiaro fa i Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao. Ny sasany amin’ireo marika maneho zavatra hafa ireo dia ampiasaina rehefa Krismasy. Ataovy ao anatin’ny harona iray ny sasany amin’ireo marika maneho zavatra hafa ireo (toy ny labozia, kintana vita amin’ny taratasy na jiro). Asaivo misy ankizy iray mangarona ilay harona ary mitsapa ny iray amin’ ireo zavatra ao anatiny fa tsy mijery izany. Fantaro hoe inona ilay zavatra ary dia ampisehoy ny ankizy hafa izany. Asaivo mizara zavatra momba ny zavatra iray nataon’i Jesoa Kristy mba hitondrana hazavana eo amin’ny fiainantsika ny ankizy. Avereno atao amin’ireo zavatra hafa izany.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao sary iray): Omeo masoandro natao tamin’ny taratasy ny ankizy tsirairay. Asaivo manoratra ny fomba iray hanarahany ny hazavan’i Jesoa Kristy izy ireo na asaivo ataony sary izany. Amporisiho izy ireo mba hampiseho ny taratasiny amin’ny fianakaviany.

Sary
sunshine

Misy sarin’ny masoandro azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 4: Nahita an’i Jesoa Kristy sy nijoro ho vavolombelona momba azy i Joseph Smith.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manokatra fanomezana): Fonosy ho toy ny fanomezana ny sary irain’ny Fahitana Voalohany. Hazavao fa maro ireo olona manome fanomezana mba hankalazana ny tsingerintaona nahaterahana. Anontanio hoe tsingerintaona nahaterahan’iza no ankalazaintsika amin’ny Krismasy. Hazavao fa volana Desambra ny tsingerintaona nahaterahan’ny olona manan-kanja anankiray hafa. Asaivo misy ankizy iray manokatra ilay fanomezana mba hahitana hoe iza izany olona izany. Lazao ny ankizy fa ny 23 Desambra no tsingerintaona nahaterahan’i Joseph Smith. Resaho ny momba ny Fahitana Voalohany ary hazavao fa nomena fanomezana manan-danja isika satria nahita an’i Jesoa Kristy sy nijoro ho vavolombelona momba Azy i Joseph Smith. Soraty eo amin’ny solaitrabe hoe: “Ireo fanomezana nomena antsika noho ny fahitan’i Joseph Smith an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroany ho vavolombelona momba Azy.” Manomàna taratasy lehibe efatra ka misoratra eo amin’ny tsirairay amin’izany ny iray amin’ ireto fanomezana manaraka ireto: “Manana ny Bokin’i Môrmôna isika.” “Manana ny Fiangonana marina eto an-tany isika ankehitriny.” ”Manana ny fisoronana isika.” “Fantatsika fa maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any an-danitra.”

Sary
gifts we have been given chalkboard
Sary
gifts we have been given

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Zarao ho vondrona efatra ny ankizy. Omeo iray amin’ireo taratasy ny vondrona tsirairay ary asaivo manao ny sarin’ilay fanomezana izy ireo. Asaivo manome ny sarin’izy ireo ho toy ny fanomezana ho an’ny vondrona iray hafa izy ireo. Asao ny vondrona tsirairay mba hampiseho sy hanazava ny fanomezany amin’ny ankizy hafa ary hametraka ilay sary eo amin’ny solaitrabe.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy): Asaivo mikimpy ireo ankizy ary asaivo mieritreritra olona iray izay azon’izy ireo izarana ilay fanomezan’ny filazantsara izy ireo. Lazao izy ireo fa afaka hitovy amin’i Joseph Smith izy ireo ary hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy