Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Aogôsitra: Nisafidy ny hameno ny fiainako amin’ny zavatra izay manasa ny Fanahy aho


Aogôsitra

Nisafidy ny hameno ny fiainako amin’ny zavatra izay manasa ny Fanahy aho

“Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te-ho tia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika” (Fanekempinoana 1:13).

Hira: “Jésus Christ est mon modèle”

(CPE, 40–41)

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Hanampy ahy hisafidy ny tsara ny fananana namana tsara.

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara iray): Tantarao ity tantara manaraka ity: “Nahita kiraro simba teny an-dalana ny ankizy anankiroa. Nahita lehilahy iray izay niasa teny an-tsaha izy ireo tery alavitra tery. Ny iray tamin’ireo ankizilahy dia nanolotra hevitra mba hanafina ilay kiraro ary dia jerena avy eo izay fihetsik’ilay lehilahy.” Angataho ny ankizy mba hizara izay zavatra holazainy an’io ankizilahy io. Dia tantarao ny ambin’ilay tantara: “Nanoro hevitra ilay ankizilahy iray hafa fa aleo asiana vola madinika ao anatin’ny kiraro tsirairay toy izay afenina izany ary dia izay no nataony. Vetivety dia niverina ilay lehilahy. Rehefa nahita ireo vola madinika izy dia tena feno fankasitrahana ka dia nandohalika ary nanolotra vavaka fisaorana. Niresaka momba ny vadiny izay marary izy sy ny zanany izay tsy nihinan-kanina ary nangataka ny Tompo mba hitahy izay olona nanampy azy. Nahatsapa hafanana tao am-pony ireo ankizilahy ary feno fisaorana noho ny fisafidianany ny tsara” (jereo Gordon B. Hinckley, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1993, 71; na Ensign, Mey 1993, 54). Asao ny ankizy hizara fotoana izay nanampian’ireo namany azy ireo mba hisafidy ny tsara.

Herinandro 2: Izaho dia tokony hamaky sy hihaino ary hijery zavatra izay mahafaly ny Ray any an-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Mampisehoa viliabe iray feno voankazo ary viliabe iray feno zavatra maloto. Anontanio ny ankizy izay tsara hohanina ary ny anton’izany. Hazavao fa tian’ny Ray any an-danitra isika mba hameno ny saintsika amin’ny zavatra izay tsara ho antsika fa tsy amin’ny zavatra izay manimba. Asao izy ireo mba hilaza hoe: “Izaho dia tokony hamaky sy hihaino ary hijery zavatra izay mahafaly ny Ray any an-danitra,” ka manao fihetsika tsotra amin’ny tanana ho an’ny hoe mamaky, mihaino, sy mijery.

Sary
bowls of dirt and fruit

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ny fotopampianarana): Lazao ny ankizy fa raha manao safidy izay tsy mahafaly ny Ray any an-danitra isika dia mety hamoy zavatra tena manan-danja. Angataho izy ireo mba hihaino hoe inona izany zavatra manan-danja izany rehefa mamaky ny andinin-tsoratra voalohany eo ambanin’ny “Fialamboly sy ny Haino aman-jery” avy ao amin’ny Ry Tanora Mahereza ianao (jereo koa ny “My Gospel Standards”). Anontanio ny ankizy raha henon’izy ireo ny zavatra hafointsika raha manao safidy ratsy isika (ny Fanahy). Zarao ho vondrona telo ny ankizy ary asaivo mifandimby mitsidika toeram-piantsonana telo: “Mamaky” sy “Mihaino” ary “Mijery.” Isaky ny eo amin’ny toeram-piantsonana iray dia asao ny ankizy mba hamaky sy hihaino ary hijery zavatra izay mahafaly ny Ray any an-danitra. Ifampiresaho ny zavatra tsapany rehefa mamaky sy mihaino ary mijery zavatra izay mahafaly an’Andriamanitra izy ireo.

Herinandro 3 sy 4: Tokony hanao zavatra izay hanampy ahy hanakaiky ny Ray any an-danitra aho mandritra ny Sabata.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mitadidy soratra masina): Lazao ny ankizy fa hanome fanorotoroana vitsivitsy azy ireo ianao mba hahitana hafatra iray manan-danja. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay ao amin’ny Eksodosy 20:8 (M N A S H A). Hazavao fa ireo tarehintsoratra ireo dia tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay ao amin’ilay hafatra. Omeo ny fanorotoroana manaraka amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’i Mosesy sy ny Didy Folo. Dia asao ny ankizy mba hijery ny Eksodosy 20:8 ary hiaraka hamaky izany. Avelao ny ankizy hahita ny fifandraisana misy eo amin’ireo tarehintsoratra eo amin’ny solaitrabe sy ny soratra masina. Ampio ny ankizy hitadidy ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanondroana ireo tarehintsoratra eo amin’ny solaitrabe rehefa mamerina ny soratra masina imbetsaka izy ireo.

Sary
children around teacher with basket

Ny fandrindrana ny asa hifanaraka amin’ny haben’ny Kilonga dia hanampy amin’ny fampandraisana anjara ny ankizy. Ao amin’ity asa ity, raha toa ka lehibe ny Kilonganao dia mitondrà harona maromaro ary asaivo mizara ho vondrona kelikely kokoa ny ankizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra sy mandoko): Zarao ho vondrona efatra ny ankizy. Omeo andinin-tsoratra iray mba hovakiany avy ao amin’ny fizarana “Fanajana ny Andro Sabata” ao amin’ny Ry Tanora Mahereza ny vondrona tsirairay. Angataho izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ilay andinin-tsoratra eo anivon’ny vondron’izy ireo ary avy eo mizara amin’ireo ankizy hafa izay zavatra nianarany. Omeo taratasy iray ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo mba hanao ny sarin’ireo zavatra sasantsasany tokony hatao mandritra ny Sabata. Mangataha ankizy vitsivitsy mba hampiseho ny sariny amin’ny ankizy ambiny ao amin’ny Kilonga. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ireo fianakaviany any an-trano izay zavatra nianarany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao asa miompana amin’ny soratra masina): Alohan’ny fiantombohan’ny kilasin’ny Kilonga dia manomàna harona feno tapa-taratasy izay maneho ny mana mba ho ampiasaina mandritra izany asa izany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ilay sakafo nomen’ny Tompo ny Isiraelita tany an’efitra.

  • Hatraiza ny fatrany azon’izy ireo nangonina isan’andro?

  • Inona no tokony hataon’izy ireo amin’ny andro fahaenina?

  • Inona no zavatra niavaka tamin’ny Sabata?

Asaivo mihaino ny valiny ireo ankizy rehefa mitantara ilay tantaran’ny Isiraelita nanangona mana (jereo ny Eksodosy 16:11–31) ianao. Angataho izy ireo mba hitsangana rehefa maheno ny valin’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo. Avelao ny ankizy iray hamerina hitantara ny ampahan’ilay tantara izay mamaly ilay fanontaniana. Dia tohizo ny ambin’ilay tantara. Rehefa nahavita izany ianao dia resaho amin’ny ankizy ny antony nandraran’ny Tompo ny Isiraelita mba tsy hanangona mana amin’ny Sabata. Asaivo mikimpy ireo ankizy ary asaivo mody matory. Aparitaho haingana manerana ny efitrano ilay “mana.” Asaivo manokatra ny masony ireo ankizy ary asaivo manangona ny anjara manany izy ireo (silany iray na roa). Asaivo mamerina ireo mana ao anatin’ilay harona ireo ankizy. Rehefa manao izany ny ankizy tsirairay dia angataho mba hizara fomba tsara hitazonana ny Sabata ho andro masina.

Fanampiana ho an’ny mpampianatra hira

Mba hanampiana ny ankizy hianatra ny “Jésus Christ est mon modèle” (CPE, 40–41), dia diniho ireto zavatra manaraka ireto:

  • Hirao amin’ny ankizy ilay hira. Asao izy ireo mba hanisa amin’ny rantsantanany hoe impiry no nohirainao ny teny hoe essayant. Avereno hiraina ilay hira ary angataho ny ankizy mba hitehaka ny paikam-peonkira rehefa mihira ianao.

  • Apetaho manerana ny efitranon’ny Kilonga ireo sary tsotra izay ahitana teny manan-danja avy amin’ny fehezanteny tsirairain’ilay hira (toy ny hoe mon modèle, je marcherai sur, amour, fais, tenté, ary écoute), ka tsy asianao na inona na inona ny eny amin’ny rindrina eny aloha. Angataho ny ankizy mba hihaino rehefa manomboka mihira ilay hira ianao. Asaivo izy ireo hanondro izay sary eritreretiny fa mifandray amin’ilay teny hirainao. Mangataha ankizy iray mba hamindra izany eny amin’ny rindrina eny aloha. Asaivo mihira izany ampahany amin’ny hira izany ny ankizy rehetra. Tohizo ny fihirana ary avereno izany asa izany isaky ny sary tsirairay. Dia asaivo mihira imbetsaka ilay hira iray manontolo ny ankizy. Mizarà fijoroana ho vavolombelona fohifohy momba ny lanjan’ny fiezahana ho toa an’i Jesoa.

    Sary
    simple pictures

    Misy sary azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Hamoaka printy