Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Ôktôbra: Afaka mahazo anjara amin’ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana ny rehetra


Ôktôbra

Afaka mahazo anjara amin’ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana ny rehetra

“Ary ireo rehetra izay mandray ity fisoronana ity koa dia mandray Ahy, hoy ny Tompo” (F&F 84:35).

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Ireo zatovolahy mendrika dia mandray ny fisoronana rehefa 12 taona izy ireo.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary): Asehoy ny ankizy ny sarin’i Jesoa Kristy nanorina ny fanasan’ny Tompo. Hazavao fa i Kristy dia nizara ny fanasan’ny Tompo ho an’ny Apôstôliny sy ny mpianany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary nangataka azy ireo Izy mba hanohy hanamasina sy hizara ny fanasan’ny Tompo rehefa lasa Izy. Iaraho mamaky ny 3 Nefia 18:5–6. Ametraho fanontaniana toy izao ny ankizy: Iza no manamasina ny fanasan’ny Tompo amin’izao androntsika izao? Iza no mizara ny fanasan’ny Tompo? Inona no hery ilain’ny olona iray hananana mba hahafahana manamasina sy mizara ny fanasan’ny Tompo?

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ilay fotopampianarana): Hazavao fa ny fisoronana dia herin’Andriamanitra entina manompo sy mitahy olona eto an-tany. Tao anatin’ny andro farany dia nampianatra antsika i Kristy fa izay mety lehilahy rehetra dia afaka mahazo ny fisoronana izy ireo rehefa mahafeno fepetra anankiroa. Ny voalohany dia tonga eo amin’ilay taona ilaina. Angataho ny ankizy mba hitsangana rehefa maheno anao milaza ilay taona ahafahan’ny ankizilahy iray mandray ny fisoronana izy ireo. Manisà moramora manomboka any amin’ny iray ka hatrany amin’ny roa ambin’ny folo. Lazao amin’ny ankizy fa ilay zavatra takiana anankiray dia ny tsy maintsy mahamendrika ilay ankizilahy. Hazavao ny dikan’ny hoe mendrika ary hazavao fa ny ankizilahy na ny ankizivavy dia afaka mampiasa ny “Mes Principes de l’Evangile” mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fomba hiainana amim-pahamendrehana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mandray anjara amin’ny asa mampiasa vatana): Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Omeo fitsipika iray avy ao amin’ny “Mes Principes de l’Evangile” ny vondrona tsirairay. Angataho ny vondrona tsirairay mba hieritreritra fihetsika tsotra iray izay maneho ilay fitsipiny. Manononà teny vitsivitsy mba hamantarana ilay fitsipika ary asaivo mitsangana ilay vondrona voatendry mba hampiseho ny fihetsiny. Tohizo izany mandrapavitan’ny fandraisan’ireo vondrona rehetra anjara. Hazavao fa ny fiainana ireo fitsipika ireo dia manampy ny ankizilahy hitoetra ho mendrika hihazona ny fisoronana ary handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ary manampy ny ankizivavy hitoetra ho mendrika ny handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana toy ny batisa sy ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Herinandro 2: Mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena isika amin’ny alalan’ny fisoronana.

Sary
children under umbrella

Ny lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana dia azo ampiasaina mba hisian’ny fahalianana na hampifantohana ny sain’ny ankizy na hampidirana fitsipiky ny filazantsara anankiray.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Asaivo misy ankizy iray mihazona elo iray misokatra. Asaivo misy ankizy vitsivitsy mijoro eo ambanin’izany. Ampitahao amin’ny fisoronana ilay elo. Hazavao fa raha toa ka avy ny orana dia ho voatahy mba ho maina foana ireo ankizy rehetra eo ambanin’izany fa tsy ilay anankiray mihazona izany fotsiny. Torak’izany koa no nanomezan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fisoronany ilay fomba iray mba hitahiana ny zanany rehetra. Amin’ny alalan’ny fisoronana no andraisantsika ireo ôrdônansin’ny famonjena izay manome fahafahana antsika hiverina any amin’Andriamanitra sy hiara-hiaina Aminy indray.

Sary
baptism puzzle

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manambatra piozila): Soraty amin’ny taratasy misaratsaraka ireto teny tsirairay manaraka ireto: batisa, fandraisana ho mpikambana, fisoronana, fanendrena amin’ny fisoronana (ho an’ny lehilahy), fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary famehezana any amin’ny tempoly. Hetezo ho toy ny piozila ny taratasy tsirairay. Hazavao fohifohy amin’ny ankizy ny atao hoe ôrdônansy (Fombafomba masina na raharaha manana heviny ara-panahy) ary lazao ny ankizy fa ny sasany amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia takiana amintsika mba hiverenana any amin’ny Ray any an-danitra sy iarahana miaina Aminy. Manaova sarin-janatohatra dimy eo amin’ny solaitrabe ary mametraha sarin’i Jesoa Kristy anankiray eny amin’ilay zanatohatra eny amin’ny faratampony. Zarao ho vondrona dimy ny ankizy ary omeo iray amin’ireo piozila namboarinao ny vondrona tsirairay. Angataho izy ireo mba hanambatra ny piozila nomena azy ireo ary avy eo dia asaivo izy ireo hizara amin’ny ankizy sisa ao amin’ny Kilonga ny zavatra fantany momba ny ôrdônansy. Asao ireo vondrona hametraka eo amin’ireo zanatohatra eo amin’ny solaitrabe ny piozila natambatr’izy ireo.

Sary
steps to salvation
Sary
chalk words

Herinandro 3: Afaka mahazo hery mampatanjaka aho amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny fisoronana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mifanakalo hevitra momba ny fotopampianarana): Asaivo manangana ny tanany ny ankizy ary mijery izany. Anontanio azy ireo ny fomba hanampian’ny tanan’izy ireo azy ireo rehefa milalao sy miasa ary miomana handeha hiangona. Angataho izy ireo mba haneho ny valiny tsirairay amin’ny alalan’ny fanaovana fihetsika amin’ny tanana. Dia anontanio izy ireo hoe ahoana no ahafahan’ny olona mampiasa ny tanany mba hanampiana ny hafa. Hazavao fa ireo mpihazona ny fisoronana dia afaka mampiasa ny tanany mba hanomezana tsodrano izay hanampy sy hanome hery antsika.

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mijery sary sy mizara zavatra niainana): Apetaho manodidina ny efitrano ny sary samihafa izay ahitana ny fanasan’ny Tompo, ny fanaovana batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fitsofandrano ny zaza ary ny fanasitranana ny marary ary hazavao ny zavatra mitranga isaky ny sary. Asao ny ankizy mba hanoritra ny tanany roa eo amin’ny taratasy iray ary hanety azy ireo. Asaivo manoratra ny anarany eo afovoan’ny sarin-tanana tsirairay izy ireo. Asao izy ireo mba hametaka ny iray amin’ireo taratasy misy ny sarin-tanany eo akaikin’ny sary iray maneho tsodrano na ôrdônansy iray izay noraisin’izy ireo avy amin’ireo tanan’ny mpihazona ny fisoronana. Mifidiana tanana vitsivitsy ary asao ireo ankizy ireo mba hizara ny zavatra tsapany momba ny nitondran’ny fisoronana fitahiana sy hery ho azy ireo. Tantarao ny tantaran’i Jesoa nitsodrano ny ankizy ao amin’ny 3 Nefia 17:11–25. Apetaho eny aloha ny sarin’i Jesoa miaraka amin’ny ankizy ary asao ny ankizy tsirairay mba hametaka ilay tanan’izy ireo faharoa eo akaikin’ilay sary. Hazavao fa ireo mpihazona ny fisoronana dia manana hery hiasa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Izy ireo dia afaka manome tsodrano antsika toy ny ho nataon’i Jesoa raha teto izy.

Sary
hand tracing

Ny fanampiana ankizy handray anjara mavitrika ao anatin’ny lesona dia hanampy azy ireo hiaina ilay fotopampianarana izay nampianarina.

Herinandro 4: Afaka mandeha any amin’ny tempoly aho mba handray ôrdônansy ho an’ny razambeko rehefa lehibe kokoa.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary Hamorao ny fahatakaran-javatra(mandoko): Ampahatsiahivo ny ankizy fa mila mandray ôrdônansy vitsivitsy isika alohan’ny ahafahantsika miverina miara-miaina amin’ny Ray any an-danitra. Angataho izy ireo mba hitanisa ny sasany amin’ireo ôrdônansy ireo. Hazavao fa maro ireo olona izay maty nefa tsy nanana fahafahana nandray ireo ôrdônansy ireo ary mila ny fanampiantsika izy ireo. Lazao amin’ny ankizy ny momba ny iray amin’ireo razambenao izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansy ireo. Omeo fanazavana tsotra momba ny olona iray eo amin’ny taratasy nohetezana ny ankizy tsirairay. Asaivo manao ny sarin’izy ireo eo amin’ny ilan’ilay taratasy izy ireo sy ny sarin’ilay razambe izay noresahanao tamin’izy ireo etsy amin’ny ilany iray hafan’ilay taratasy. (Raha toa ka mahafantatra ny iray amin’ ireo razambeny izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ny ankizy dia afaka manao ny sarin’izany olona izany izy ireo.) Asaivo mamerina ilay lohahevitra ho an’ity herinandro ity izy ireo rehefa mitazona eo anoloany ny taratasin’izy ireo misy sarin’olona. Asaivo mampiseho ny sarin’ny tenan’izy ireo ihany izy ireo rehefa miteny ilay teny hoe “Izaho” ary asaivo mampiseho ny sarin’ilay razambe rehefa milaza ilay teny hoe “razambe.”

Hamoaka printy