Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Jiona: Misafidy ny tsara aho amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara


Jiona

Misafidy ny tsara aho amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” (1 Nefia 3:7).

Hira: “Le courage de Néphi”

(CPE, 64–65)

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Mivavaka amin’ny Ray any an-danitra aho mba hahazo hery hanaovana ny tsara.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ny vavaka): Mampisehoa telefaonina iray amin’ny ankizy na fitaovana iray hafa ifandraisana. Ifampiresaho ny fomba fampiasana izany. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahantsika mifandray amin’ny Ray any an-danitra. Hazavao fa toy ny fampidirantsika laharan-tariby iray mba hiantsoana olona iray amin’ny telefaonina dia afaka mivavaka koa isika mba hifandray amin’ny Ray any an-danitra. Afaka mangataka hery Aminy isika mba hanaovana ny tsara. Omeo sary iray maneho karazana vavaka samihafa ny kilasy tsirairay (ohatra, vavaka ataon’ny tena manokana, vavaky ny mpianakavy, fitsofandrano ny sakafo na vavaka atao ao amin’ny kilasy). Angataho ny kilasy tsirairay mba hampiseho ny sariny amin’ireo ankizy hafa ary hilaza amin’izy ireo hoe karazana vavaka inona no aseho eto ary rahoviana sy aiza no hanaovana izany karazana vavaka izany ary nahoana?

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao): Asio loaka kely any amin’ny vodin’ny kapoaka fitoeran-kanina am-bifotsy vita amin’ny viraty ary ampifandraiso amin’ny alalan’ny kofehy ireo kapoaka fitoeran-kanina am-bifotsy ireo. Sintony mafy tsara ilay kofehy ary avelao ny ankizy hifandimby hiteny moramora ao anatin’ilay kapoaka fitoeran-kanina am-bifotsy izay zavatra azony ivavahana amin’ny Ray any an-danitra rehefa miezaka manao ny tsara izy ireo (ohatra, milaza ny marina, maneho fanajana, na tsara fanahy). Avelao hisy ankizy iray hafa hihaino eo amin’ilay kapoaka iray hafa. Mizarà (na mangataha ankizy iray hizara) zavatra niainana iray izay nanomezan’ny Ray any an-danitra anao hery mba hanaovana ny tsara. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any an-danitra dia maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika ary hanome antsika hery mba hanaovana ny tsara.

Herinandro 2: Raha mandoa ny fahafolonkarenako aho dia hitahy ahy ny Ray any an-danitra.

Sary
coins

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra (mijery fampisehoan-javatra): Hazavao fa ny fahafolonkarena dia fanomezana ny iray ampahafolon’ny vola azontsika ho an’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fiangonana. Mampisehoa vola madinika miisa 10 an’ireo ankizy. Anontanio azy ireo hoe firy ny isan’ny vola madinika izay tokony ho ampiasaina mba handoavana ny fahafolonkarena. Mampisehoa valopy sy taratasy iray fandoavana ny fahafolonkarena ary hazavao fa ny fahafolonkarena dia aloantsika amin’ny alalan’ny famenoana ilay taratasy fandoavana ny fahafolonkarena, dia ampidirina ao anatin’ilay valopy izany ary omena ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao sy mihaino fijoroana ho vavolombelona): Mampisehoa sary sy zavatra izay maneho ireo fitahiana azo avy amin’ny fandoavana ny fahafolonkarena toy ny tempoly, ny trano fiangonana, ny boky fihirana, ny Chants pour les enfants, ny bokin’ny Kilonga anankiray ary ny soratra masina. Lazao ny ankizy fa noho ny vola avy amin’ny fahafolonkarena dia afaka manome ireo zavatra ireo ny Fiangonana. Sarony ireo sary sy zavatra hafa. Esory ny iray na roa amin’izany. Esory ilay sarony ary angataho ny ankizy mba hamantatra izay tsy ao. Avereno imbetsaka izany. Hazavao fa misy ireo fitahiana hafa izay azo avy amin’ny fandoavana ny fahafolonkarena izay tsy hita maso (jereo ny 3 Nefia 24:10). Asaivo misy olon-dehibe iray na roa milaza momba ireo fitahiana izay azony tamin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena.

Herinandro 3: Manaja ny Tenin’ny Fahendrena aho amin’ny alalan’ny fihinanana sy fisotroana zavatra izay tsara sy fisorohana ny zavatra izay ratsy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina sy manao kilalao): Iaraho mamaky ny 1 Korintiana 3:16–17. Asao ny ankizy mba hizara ny dikan’izany soratra masina izany ho azy ireo. Hazavao fa tian’ny Ray any an-danitra ny hikarakarantsika ny vatantsika. Apetraho ao anatin’ny boaty iray ireo sary ahitana karazana sakafo sy zava-pisotro ary zavatra hafa koa izay mety ho tsara na ratsy ho an’ny vatana (toy ny voankazo, anana, mofo, toaka ary sigara). Manaova tahadikan’ny pejy 43 ao amin’ny bokin’ny kilasin’ny garderie ary hetezo hiendrika singan-javatra hanaovana piozila izany. Asaivo mifandimby maka sary avy ao amin’ilay boaty ny ankizy. Raha toa ka tsara ho antsika ilay zavatra hita eo amin’ ilay sary dia asaivo mametraka singany iray amin’ ilay piozila ny ankizy iray. Raha toa ka ratsy ilay zavatra dia esory ny singany iray amin’ilay piozila. Tohizo ny kilalao mandrapahafeno ny piozila (ilaina ny hanasianao zavatra tsara maro kokoa mihoatra noho ireo zavatra ratsy ao anatin’ilay boaty). Mangataha olon-dehibe iray na ankizy iray mba hizara ireo fitahiana sasantsasany izay azony avy amin’ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny F&F 89:18–21).

Sary
body puzzle

Ny bokin’ny kilasin’ny garderie dia hita ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 4: Rehefa manao fitafiana maotina aho dia manaja ny vatako ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary sy mamaky soratra masina): Soraty eo amin’ny solaitrabe ity zavatra manaraka ity: “Ny dia .” Asehoy ny sarin’ny tempoly iray. Anontanio hoe: “Nahoana no zavatra tena miavaka ny tempoly?” Asaivo mamaky ny 1 Korintiana 6:19 ny ankizy. Angataho izy ireo mba hitady ny zavatra lazain’izany momba ny vatantsika rehefa miara-mamaky mafy ny soratra masina izy ireo. Anontanio ny ankizy hoe inona avy ireo teny hameno ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe (vatana, tempoly). Asao ny ankizy mba hitsangana ary hiaraka hamaky ilay fehezanteny.

Sary
For the Strength of Youth pamphlet

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihira hira iray ary mifanakalo hevitra): Lazao ny ankizy fa ny vatantsika dia tempoly izay toerana ahafahan’ny Fanahy masina mitoetra. Hirao ny andininy voalohan’ny “Je demeure dans un Temple” (CPE, 73). Asao ny ankizy mba hizara ny fomba tian’ny Ray any an-danitra iankanjoantsika ary ny anton’izany. Hazavao fa ireo mpaminanin’Andriamanitra dia nanoro hevitra foana ny zanany mba hanao fitafiana maotina. Asao ny ankizy mba hihaino hoe inona ireo faritry ny vatana izay tokony ho voasarona rehefa mamaky ny fizarana “Akanjo sy ny Bika aman’endrika” ao amin’ny Ry Tanora Mahereza ianao. Angataho ny ankizy mba hieritreritra fomba iray izay eritreretiny fa ahafahany manao fitafiana maotina. Anipazo zavatra malemilemy ny ankizy iray ary asao izany ankizy izany mba hizara ny heviny. Angataho izany ankizy izany mba hanipy ilay zavatra any amin’ny ankizy iray hafa izay hizara ny heviny. Tohizo miaraka amin’ireo ankizy hafa izany.

Hamoaka printy