Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ny Kilonga


Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ny Kilonga

Ny tanjon’ny hira ao amin’ny Kilonga dia ny mba hampianarana ireo ankizy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanampiana azy ireo hiaina izany. Ireo hira ao amin’ny Kilonga dia mahatonga ny fianarana ho mahafinaritra kokoa, sy manampy ireo ankizy hianatra sy hahatadidy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, ary manasa ny Fanahy Masina.

Ireto manaraka ireto dia hevitra azonao ampiasaina mba hampianarana hira an’ireo ankizy. Ireo ohatra dia hanampy anao amin’ireo hira atolotra ao amin’ity boky ity. Jereo ny fizarana “Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ny Kilonga” ao amin’ny boky rindran-damina tamin’ny taona 2010 sy 2011 raha mila hevitra fanampiny.

Mampianatra ny Filazantsara amin’ny alalan’ny Hira

Ny lesona sasantsasany tena tsara indrindra ampianarina ao amin’ny Kilonga dia ampianarina amin’ny alalan’ny hira. “Ny hira dia afaka mampitombo ny fahatakaran’ny ankizy ireo fitsipiky ny filazantsara ary manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona” (EPPGA, 174). Mametraha fanontaniana momba ny hira iray mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny dikany. Ohatra, ny “Bien Choisir” (Cantiques, no. 154) dia mampianatra fa tsy irery isika rehefa mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainana. Hitarika antsika hanao safidy tsara ny Fanahy Masina. Ataovy sary eo amin’ny solaitrabe ny sisin’ny saritarigetran’ny FNT miisa telo ary soraty ao anatin’izy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto: “Iza no hitarika ahy hisafidy ny tsara?” “Rahoviana no hamirapiratra eo amiko ny fanampiana?” ary “Inona no ampanantenaina rehefa misafidy ny tsara aho?” Tondroy ny saritarigetra voalohany ary iaraho mamaky ilay fanontaniana, dia asaivo mihaino ny ankizy rehefa mihira ilay hira ianao ary asaivo mitsangana rehefa maneho ny valiny izy ireo. Asaivo miara-mihira aminao an’ilay valiny izy ireo mandritra ny fotoana fohy. Izany dia hanampy azy ireo hametraka ireo teny ao anatin’ilay feonkira. Avereno atao izany miaraka amin’ireo fanontaniana hafa. Resaho ireo andian-teny na teny izay mety ho saro-takarina ho an’ny ankizy. Hirao manontolo ilay hira ary ampahatsiahivo ny ankizy fa rehefa mihira izany izy ireo dia mijoro ho vavolombelona fa ny Fanahy Masina dia hanampy antsika raha mihaino sy manao safidy tsara isika.

Ampandraiso anjara ao anatin’ny asa atao miompana amin’ny hira ny ankizy rehetra

Ny ankizy dia maneho fahavitrihana ao anatin’ny hira ary tia mandray anjara amin’ireo asa atao miompana amin’ny hira. Ny paikam-peonkira ao anatin’ilay hira dia manampy ny ankizy hitadidy ny zavatra hirainy sy ny hafatr’ireo teny. Rehefa mihira ny “Défends le bien” (CPE, 81) ianao dia ovaovao ny fanarahan-drindra sy ny hamafin’ny hira. Ampianaro ny voambolana ampiasaina amin’ny mozika toy ny legato (miadana sy malefaka) ary ny staccato (haingana sy mihetsiketsika) ary avelao ny ankizy hihira ilay hira amin’ny alalan’ireo fomba roa ireo.

Sary
actions to music

Ny ankizy koa dia tia mandray anjara amin’ny fanaovana fihetsika toy ny mitehaka manaraka ba-kira iray na mampiaraka ny teny amin’ny fihetsika atao amin’ny tanana. Ao amin’ilay hira hoe: “Le sage et le fou” (CPE, 132), dia hanampy ny ankizy hifantoka amin’ny tonon’ilay hira ny fanaovana fihetsika amin’ny tanana. Azonao atao koa ny mampiasa fihetsika rehefa mihira ny “Le courage de Néphi” (CPE, 64–65). Ohatra, asaivo mody mihazona ampinga amin’ny tanana iray ny ankizy rehefa mihira ny “J’irai” izy ireo ary asaivo mody mihazona sabatra iray atsangana ambony rehefa mihira ny hoe “Je ferai la volonté du Père,” ary asaivo mandehandeha eo am-pitoerana rehefa mihira ny hoe “Il me préparera la voie pour accomplir ses lois.” Asaivo mampiseho fihetsika noforoniny manokana ho an’izay hira eo ny ankizy (mety misy fihetsika sasany izay tsy mety ho an’ny fampisehoana mandritra ny fanasan’ny Tompo).

Averimbereno ny hira mba hanamafisana ireo fitsipiky ny filazantsara

Rehefa mampianatra hira iray ianao dia mila mamerimberina izany foana mba ho hain’ny ankizy izany. Mila koa ianao mamerina ireo hira mandritra ny taona mba hitoetra ao an-tsain’ny ankizy izany. Rehefa avy nampianarina ny hira iray dia avereno izany ary hirao amin’ny fomba mahafinaritra samihafa. Tohizo ny fihirana hira na dia aorian’ny fampisehoana nandritra ny fanasan’ny Tompo aza mba hahatsiarovan’ny ankizy azy ireo. Soraty eo amin’ny zavatra samihafa ireo hira tianao haverimberin’ny ankizy (ohatra, voninkazo ao anaty vazy, trondro taratasy ao anaty dobo, volomborona eo amin’ny vorontsiloza, ravinkazo eo amin’ny hazo na sary fo apetaka manodidina ny efitrano). Asaivo misafidy zavatra iray indray mandeha ny ankizy ary asaivo mihira ilay hira izy ireo avy eo. Ireto misy hevitra fanampiny momba ny fomba hamerenana hira (azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org ny fitaovana jeren’ny maso):

  • Goba mihira: Manamboara goba iray ary manorata fihetsika samihafa eo amin’ny lafiny tsirairay. Asaivo misy ankizy iray mampikodia ny goba mba hahitana hoe inona ilay fihetsika hataon’izy ireo rehefa mihira.

    Sary
    Goba mihira
  • Mihira ny ankizivavy/mihira ny ankizilahy: Manaova sarin’ankizilahy iray sy sarin’ankizivavy iray ary samy apetaho amin’ny tapa-kazo kely tsirairay izany. Rehefa mamerina hira iray dia ovao ny sary mba hampisehoana hoe iza no tokony hihira. Hahatonga ny ankizy handray anjara mavitrika izany.

    Sary
    mihira ny ankizivavy/mihira ny ankizilahy
  • Sarin’olona ahetsiketsika mihira: Adikao na hetezo ho an’ny ankizy tsirairay ny iray amin’ireo sary ao amin’ny pejy 63 ao amin’ny bokin’ny kilasin’ny garderie, Voyez vos Petits Enfants, mba holokoiny. Apetaho eo amin’ny harona taratasy iray izany mba hanaovana sarin’olona azo ahetsiketsika. Asao ny ankizy mba hihira miaraka amin’ireo sarin’olona ahetsiketsika eny aminy.

    Sary
    Sarin’olona ahetsiketsika mihira
    Sary
    boy puppet
    Sary
    girl puppet
  • Fanipazan-javatra ao anaty harona: Asaivo manipy harona lamba kely misy tsaramaso na taratasy naforiporitra ao anaty harona ny ankizy. Raha toa ka tafidiny tao anatin’ny fanandramana indray mandeha fotsiny izany dia asaivo mihira indray mandeha ilay andininy ireo ankizy ary raha toa ka nila nanao in-droa izy vao tafiditra izany dia asaivo mihira ilay andininy in-droa izy ireo ary tohizo toy hatrany izany.

    Sary
    fanipazan-javatra ao anaty harona
Sary
music, As a Child of God

Hamoaka printy