Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fampisehoana ataon’ny Ankizy mandritra ny Fivoriana Fanasan’ny Tompo


Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fampisehoana ataon’ny Ankizy mandritra ny Fivoriana Fanasan’ny Tompo

Ry Fiadidian’ny Kilonga sy Mpampianatra Hira ao amin’ny Kilonga,

Amin’ity taona ity ianareo dia manana fahafahana hampianatra ny ankizy ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny tsara. Ny fianarana manao safidy tsara dia lafiny iray manan-danja ao anatin’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra ho antsika ary hitondra fitahiana maro. Katsaho ny Fanahin’ny Tompo rehefa mampianatra ombam-bavaka ireo lesona hita ato amin’ity rindran-damina ity ianao. Rehefa manao izany ianao dia ho fantatry ny ankizy fa afaka mahazo fanampiana izy ireo eo amin’ny fanaovana safidy amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara ary ny fihainoana ny bitsiky ny Fanahy Masina. Ny fisafidianana ny tsara dia hanampy ny ankizy hijanona eo amin’ilay lalana miverina mankany amin’ny Raintsika any an-danitra.

Mankasitraka ny asa fanompoana feno fahatokiana ataonareo izahay rehefa maneho fitiavana sy mampianatra ireo ankizy ao amin’ny Kilonganareo ianareo. Mivavaka ho anareo izahay ary mahafantatra fa hitahy anareo ny Tompo rehefa manompo ao amin’ity antso manan-danja ity ianareo.

Ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany

Torolalana ho an’ny Fotoana Ifanakalozana

Fampianarana Filazantsara

Ampiasao ity boky kely ity rehefa miomana hampianatra lesona 15 minitra ianao isan-kerinandro mandritra ny fotoana ifanakalozana. Azonao atao ny manampy ireo lesona atao isan-kerinandro amin’ny alalan’ireo fitaovana hafa nankatoavin’ny Fiangonana, toy ny L’Ami na ny Liahona. Ireto torolalana ireto dia hanampy anao hanomana sy hanolotra ireo lesona.

Tiavo Ireo izay Ampianarinao. Asehoy ny fitiavanao ireo ankizy amin’ny alalan’ny fahafantarana ny anarany sy ny fahatakarana izay zavatra mahaliana azy sy ny talentany ary ny zavatra ilainy.

Ampianaro amin’ny alalan’ny Fanahy ny Fotopampianarana. Rehefa manomana lesona ianao dia mivavaha mba hahazoana fitarihana ary miezaha hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay ampianarinao. Izany dia hanampy anao hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Ataovy izay ahafahana mianatra. Ity boky kely ity dia tsy natao mba hahafantaranao fotsiny hoe inona no ampianarina fa koa hoe ahoana no fomba ampianarana sy ahafahana mianatra. Afaka hampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahomby kokoa ianao raha manao ireto zavatra telo manaraka ireto isaky ny lesona:

  1. Ampahafantaro ny fotopampianarana. Ampahafantaro mazava tsara ilay fotopampianarana izay ho ianaran’ireo ankizy. Eritrereto ny fomba hanaovana izany na amin’ny alalan’ny teny na amin’ny alalan’ny zavatra hita maso. (Mba hahitana ohatra vitsivitsy dia jereo ireo lesona ho an’ny herinandro voalohan’ny volana Martsa sy ny herinandro voalohan’ny volana Jolay.)

  2. Hamorao ny fahatakaran-javatra. Ataovy izay hahazoan’ny ankizy fahatakarana lalindalina kokoa ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fomba samihafa enti-mampianatra izay mampanolo-tena azy hianatra, toy ny fihirana hira sy filalaovana tantara ary ny famakiana soratra masina.

  3. Amporisiho ny fanaovana fampiharana. Omeo fahafahana ireo ankizy hampihatra ny fotopampianarana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Diniho ny fomba ahafahan’izy ireo maneho ny zavatra tsapany mikasika ilay fotopampianarana na ahafahany mametraka tanjona mifanaraka amin’izany.

Ity boky kely ity dia manome lesona feno ho an’ireo herinandro sasantsasany ao anatin’ny taona. Ho an’ireo herinandro hafa dia hevitra vitsivitsy no hita ao fa tsy lesona feno. Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra ireo. Afaka mahazo hevitra hafa ianao amin’ny alalan’ny famakiana ireo lesona hafa ao anatin’ity boky kely ity. Rehefa misy Alahady fahadimy, dia ampiasao izany fotoana izany hamerenana lesona efa natao teo aloha. Afaka mitarika anao ny Fanahy rehefa mamolavola sy manomana asa atao ho an’ireo lesona ianao.

Miaraha miasa amin’ny mpampianatra hira rehefa manomana lesona ianao. Ny fihirana ireo hira dia hanampy amin’ny fanamafisana ireo fotopampianarana izay ampianarinao. Indraindray dia afaka manasa mpampianatra ianao miaraka amin’ny olona ao amin’ny kilasiny mba hanampy anao mikasika ny ampahany sasany ao amin’ny fampianarana filazantsara.

Misy lesona sasany izay manoro hevitra ny mba hanasana vahiny handray fitenenana ao amin’ny Kilonga. Tokony hahazo fankatoavana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana ianao alohan’ny hanasana ireo vahiny ireo handray anjara.

Misy fomba enti-mampianatra maro izay hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mampianatra miaraka amin’ireo lesona ireo. Ireo lesona ireo koa dia ahitana sary izay hanampy anao hahita hoe tahaka ny ahoana ilay asa atao. Na dia zava-dehibe aza ny fampitomboana ny fahaizana mampianatra dia ny fiomananao ara-panahy sy ny fijoroanao manokana ho vavolombelona no hanasa ny Fanahy hanamafy ireo fotopampianarana ao am-pon’ireo ankizy.

Fotoam-pihirana

Ny hira ao amin’ny Kilonga dia tokony hanorina tontolo feno fanajana, sy tokony hampianatra ny filazantsara ary hanampy ireo ankizy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fifaliana izay tonga amin’ny alalan’ny fihirana. Ny 20 minitra ao anatin’ny fotoana ifanakalozana dia tokony hatokana amin’ny fihirana sy ny fampianarana hira. Izany dia hahafahanao hanana fotoana ampy hampianaranao hira vaovao sy hanampiana ireo ankizy hankafỳ mihira.

Ity boky kely ity dia ahitana hira iray vaovao hianaran’ireo ankizy amin’ity taona ity (jereo ny pejy 28). Hita ao ihany koa ny fizarana iray izay mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no Fomba Hampiasana ny Hira ao amin’ny Kilonga” (jereo ny pejy 26–27) sy ireo hevitra fanampiny hampianarana hira an’ireo ankizy (jereo ny pejy 9, 17).

Torolalana ho an’ny Fampisehoana Mandritra ny Fivoriana Fanasan’ny Tompo

Ny fampisehoana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay eo ambany fitarihan’ny eveka na ny filohan’ny sampana dia tanterahana mandritra ny telo volana farany amin’ny taona raha ny tokony ho izy. Raha vao manomboka kely ny taona dia mifampiresaha amin’ilay mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny sampana izay misahana ny Kilonga mba handinihana ireo drafitra mialoha. Rehefa vita ireo drafitra dia mangataha fankatoavana avy aminy.

Kendreo ny hampisehoan’ireo ankizy ny fandaharam-potoana mifototra amin’ireo lohahevitra isam-bolana amin’ny fotoana ifanakalozana. Mandritra ny taona dia raiso an-tsoratra ireo lahateny izay nataon’ny ankizy sy ireo zavatra niainan’izy ireo manokana izay mety ho azo ampiasaina mandritra ilay fampisehoana. Rehefa miomana ianao ny hizaran’ireo ankizy izay zavatra nianarany mikasika ny lohahevitra amin’ity taona ity, dia eritrereto ireo fomba izay afaka manampy ny mpiangona hifantoka amin’ny fotopampianaran’ny filazantsara izay ampianarin’izy ireo. Afaka mamarana ny fotoana amin’ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:

  • Ny famerenana dia tsy tokony handanindany foana ny fotoana natokana ho an’ny kilasy hianarana na ny fotoanan’ireo fianakaviana.

  • Ny fampiasana ireo fitaovana misarika ny maso enti-mampianatra, ireo akanjo fanaovana tantatra an-tsehatra na sarimihetsika, ireo horonam-peo na horonan-tsary dia tsy mety amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo.

Sary
children singing

Ireo loharanon-kevitra ampiasaina ao amin’ity boky kely ity

Ireto fanafohezan-teny ireto dia ampiasaina matetika ao amin’ity boky kely ity:

CPEChants pour les Enfants

EPPGA L’Enseignement, Pas De Plus Grand Appel

Maro ireo lesona izay manoro hevitra ny mba hampiasana sary. Afaka mahita sary ianao ao amin’ny Boky Mirakitra Sary momba ny Filazantsara, ny Jeu d’Illustrations de l’Évangile, ny fonosantsary manaraka ny boky fampianarana ao amin’ny Kilonga, sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana ary ao amin’ny internet amin’ny images.lds.org .

Hamoaka printy