Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Nôvambra: Afaka misafidy ny ho misiônera aho ankehitriny


Nôvambra

Afaka misafidy ny ho misiônera aho ankehitriny

“Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15).

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Afaka ny ho misiônera amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa aho.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (milalao karazan’olona): Vakio ny Matio 25:34–40, ary hazavao fa rehefa manompo ny hafa isika dia manompo koa ny Ray any an-danitra (jereo ny Môsià 2:17) ary ny asa fanompoana dia hitondra fifaliana ho antsika ary hanampy antsika ho afaka ny hiara-hiaina amin’Andriamanitra indray. Asaivo misy ankizy maromaro milalao an-tsehatra ny fanaovana asa fanompoana vitsivitsy toy ny manome sakafo olona noana anankiray, minamana amin’ny olona iray izay irery na mamangy olona iray marary. Asaivo mamantatra ny zavatra mitranga ireo ankizy hafa isaky ny filalaovana karazan’olona iray. Mampisehoa sary iray ahitana misiônera. Anontanio ny fomba fanompoan’ny misiônera an’Andriamanitra. Hazavao fa rehefa manompo ny hafa isika dia toy ny misiônera koa.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao): Manamboara kilalao lalaovina eo amin’ny baoritra izay ahitana lalana misy loko enina samihafa izay mitondra any amin’ ilay sarin’i Jesoa. Manomàna tana-mihodina miaraka amin’ny faritra miloko mizara enina mba hampifandraisina amin’ireo loko hita eo amin’ilay kilalao lalaovina eo amin’ny baoritra. Soraty eo amin’ny loko tsirairay ny anaran’ny olona iray izay azon’ny ankizy tompoina, toy ny ray aman-dreny iray, namana iray ary mpifanolobodirindrina iray. Mifidiana ankizy iray mba hanodina ilay tana-mihodina ary hilaza ny fomba ahafahany manompo ilay olona tondroin’izany. Dia asaivo akisak’ilay ankizy eo amin’ilay efajoro manaraka izay mifanaraka amin’ilay loko eo amin’ny tana-mihodina ny silan-javatra filalaovana iray. Avereno atao amin’ireo ankizy hafa izany mandrapahatongan’ilay silan-javatra filalaovana eo amin’ny sarin’ny Mpamonjy. Ampahatsiahivo ny ankizy fa rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’Andriamanitra. Hirao ny “Nous aidons tous avec joie” (CPE, 108).

Sary
game board
Sary
games

Ilay kilalao lalaovina eo amin’ny baoritra sy ny taha-mihodina dia azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 2: Afaka ny ho misiônera aho amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra tsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona iray ampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Alohan’ny fiantombohan’ny kilasin’ny Kilonga dia manangàna trano amin’ny alalan’ny hazo efa voahitsy ary sarony izany mba tsy ho hitan’ny ankizy. (Raha tsy misy hazo efa voahitsy dia afaka manao sary iray eo amin’ny solaitrabe ianao ary manarona izany amin’ny alalan’ny taratasy iray.) Hazavazavao ilay trano nafeninao sy ny fomba nanorenanao izany. Dia omeo hazo efa voahitsy vitsivitsy ny ankizy vitsivitsy ary angataho izy ireo mba hanandrana hanangana ilay trano izay mitovy amin’ilay naorinao. Rehefa vita ny azy ireo dia esory ny saron’ilay trano ary jereo ny fahasamihafana misy eo amin’izy roa. Asaivo mamerina manangana ny tranony ireo ankizy sady mijery ilay efa naorinao. Hazavao fa maro ireo zavatra izay mora kokoa rehefa maka tahaka ohatra iray ianao.

Sary
building with blocks

Araraoty ireo fahafahana mamporisika ny ankizy hieritreritra. Mamporisika azy ireo hianatra ny fametrahana fanontaniana ao an-tsainy izay mifanaraka amin’ny taonany.

Sary
Daniel Refusing the King’s Meat and Wine
Sary
Three Men in the Fiery Furnace
Sary
Daniel in the Lions’ Den

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara sy mihira hira): Mampisehoa sary ary mitantara tantara vitsivitsy ao amin’ny soratra masina izay ahitana tanora naneho ohatra tsara (ohatra, i Daniela sy ny namany izay nanda tsy hisotro ny divain’ny mpanjaka [jereo ny Daniela1:5–16]; i Sadraka sy Mesaka ary Abednego [jereo ny Daniela 3:4–29]; ary i Daniela tao anatin’ny lavaky ny liona [jereo ny Daniela 6]). Mampisehoa sary iray ahitana misiônera ary anontanio ny ankizy ny fomba maha-ohatra tsara an’ireo misiônera. Hazavao fa rehefa maneho ohatra tsara isika dia misiônera satria ny ohatra asehontsika dia afaka manampy ny hafa haniry hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Zarao ireo fotoana sasany izay nahitanao ankizy tao amin’ny paroasy na sampana misy anao naneho ohatra tsara.

Sary
missionaries tracting

Asaivo mihira ny “Petite est la lumière en moi” (CPE, 144) ireo ankizy. Rehefa mihira izy ireo dia asaivo mampandehandeha masoandro natao tamin’ny taratasy manodidina ny efitrano. Isaky ny mijanona ny mozika dia angataho ilay ankizy mitazona ilay masoandro mba hilaza ny fomba ahafahany ho ohatra tsara (ohatra, maneho hatsaram-panahy, milaza ny marina na manasa namana iray ho ao amin’ny Kilonga).

Asaivo manamboatra ny masoandrony amin’ny taratasiny ny ankizy tsirairay miaraka amin’ny soratra hoe “Afaka ny ho ohatra mamirapiratra aho” eo amin’izany. Asaivo mihazona ambony ny masoandrony ireo ankizy rehefa mihira ny “Vois l’étoile au ciel” (CPE, 84), “Brillant pour Lui” (CPE, 38–39), na “Petite est la lumière en moi” (CPE, 96).

Herinandro 3: Afaka mampianatra ny namako momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (Mijery fampisehoan-javatra): Raiso ny tanan’ny ankizy iray na ankizy mihoatra ny iray ary lalaovy an-tsehatra ny fomba fanasana azy ireo ho ao amin’ny Kilonga sy hianatra momba an’i Jesoa. Omeo torolalana ireo izay nahazo fanasana mba hanasa ny hafa mandrapahazon’ny ankizy rehetra fanasana. Hazavao fa tian’ny Tompo isika rehetra mba ho misiônera amin’ny alalan’ny fampianarana ny namantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino tantara iray): Zarao ny tantara notantarain’ny Filoha Spencer W. Kimball momba ny ankizilahy iray tao amin’ny Kilonga izay misiônera tsara: Nisy lehilahy iray nandeha fiarandalamby izay nanontany an’ilay ankizilahy momba ny Fiangonana Môrmôna. Notanisain’ilay ankizilahy ny Fanekempinoana rehetra. Variana ilay lehilahy noho ny fahafantaran’ity ankizilahy ity ny zavatra ninoany ka dia nandeha tany Salt Lake City izy mba hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana (jereo ny Conference Report, Ôkt. 1975, 117–19; na Ensign, Nôv. 1975, 77–79). Hazavao fa ny fianarana ny Fanekempinoana dia afaka manampy antsika ho misiônera ankehitriny.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamerina mamaky ny Fanekempinoana): Manomana taratasy 13 ka ahitana tarehimarika 1 ka hatramin’ny 13 ny tsirairay amin’izany. Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Asaivo misafidy taratasy iray ny vondrona tsirairay ary asaivo miara-miasa mba hianatra ilay fanekempinoana mifandray amin’ilay tarehimarika. Rehefa vonona ny ankizy tsirairay dia asaivo mitanisa izany amin’ireo ankizy hafa izy ireo ary maka taratasy hafa avy eo. Tohizo araka ny habetsaky ny fotoana izany.

Herinandro 4: Afaka mivonona handeha hanao asa fanompoana amin’ny fotoana maharitra aho ankehitriny.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery zavatra misy ifandraisany amin’ny asa fitoriana): Manomàna kitapo na valizy kely iray ahitana zavatra ampiasain’ny misiônera amin’ny fotoana maharitra toy ny kiraro fitondra Alahady, karavato ary soratra masina. Asaivo misy ankizy vitsivitsy misintona avy ao anatin’ilay valizy ireo zavatra ireo ary asaivo mampiseho izany amin’ny ankizy ambiny izy ireo. Anontanio ny ankizy hoe nahoana ny fananana fotsiny ireo zavatra ireo no tsy mahatonga ny olona iray ho vonona ny ho misiônera. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62, ary asao ny ankizy hihaino ilay zavatra iray hafa ilain’ny misiônera rehetra (fijoroana ho vavolombelona). Mijoroa ho vavolombelona momba ny lanjan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona manokana.

Sary
suitcase activity

Manomana fomba izay hisarihana ny sain’ny ankizy any am-piantombohan’ny asa atao iray. Ohatra, ao anatin’ity asa ity dia ho liana ny ankizy rehefa mieritreritra mialoha ny zavatra havoaka ao anatin’ilay valizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mijery sary ary mamaly fanontaniana): Ampio ny ankizy hahatakatra ireo lafiny manan-danja ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Mampisehoa sary izay maneho ny sasany amin’ireo ampahan-javatra ireo (ohatra, tia antsika ny Ray any an-danitra, Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy, mpaminany i Joseph Smith, ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marin’ny Tompo ary tarihan’ny mpaminany velona iray isika). Mametraha fanontaniana maro momba ny sary tsirairay toy ny hoe: Inona io na iza io? Inona no zavatra fantatrao momba izany? Ahoana no ahafahanao manamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona? Asaivo milaza anaran’olona izay azony izarana ny fijoroany ho vavolombelona ny ankizy. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mizara ny zavatra fantany amin’ny hafa ny ankizy dia hitombo ny fijoroany ho vavolombelona ary hiomana hanao asa fitoriana izy ireo.

Hamoaka printy