Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Janoary: Ny safidy malalaka dia ilay fanomezana iray mba hanaovantsika safidy ho an’ny tenantsika


Janoary

Ny Fahafahana misafidy dia ilay fanomezana iray mba hanaovantsika safidy ho an’ny tenantsika

“Noho izany dia afaka ny olona … hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra” (2 Nefia 2:27).

Hira: “Satria aho Zanaky ny Ray”

(pejy 28 ao amin’ity rindran-damina ity)

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1 sy 2: Ny fahafahana misafidy dia ilay fanomezana iray mba hanaovantsika safidy ho an’ny tenantsika.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao ankamantatra): Lazao ny ankizy fa mieritreritra teny iray ianao ary omeo fanorotoroana izy ireo mba hanampiana azy ireo hamantatra ilay teny. Asaivo manangana ny tanany izy ireo rehefa mahafantatra ilay valiny. Azo ampidirina ao anatin’ilay fanazavan-dalana ireto zavatra manaraka ireto: Efa nanana izany isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Fanomezana avy amin’ny Raintsika any an-danitra izany. Lafiny iray manan-danja ao amin’ilay drafitry ny Ray any an-danitra ho antsika izany. Tian’i Satana ny hanaisotra izany amintsika. Mampiasa izany isika rehefa manao safidy. Fanomezana iray izay manome fahafahana antsika hanao safidy ho an’ny tenantsika izany. Teny roa manomboka amin’ny tarehintsoratra F sy M. izany. Rehefa nahafantatra ilay valiny ny ankizy dia miaraha miteny ny hoe: “Ny fahafahana misafidy dia ilay fanomezana iray mba hanaovantsika safidy ho an’ny tenantsika.”

Sary
consequences stick

Hamorao ny fahatakaran-javatra(mijery lesona misy ohatra azo tsapain-tanana sy mifanakalo hevitra momba izany): Ampisehoy ny ankizy ny tsora-kazo anankiray izay misy soratra hoe safidy eo amin’ny lohany iray ary misy soratra hoe vokany eo amin’ilay lohany iray hafa. Hazavao fa ny atao hoe vokany dia ny zava-mitranga tsotra izao noho ny safidy nataontsika. Ohatra raha misafidy ny hianatra hilalao zavamaneno iray isika dia hahay miandalana izany ary raha misafidy ny hikasika afo isika dia ho may. Alaivo ilay tsora-kazo ary ampisehoy ny ankizy fa isaky ny mandray ilay tehina ianao, dia sady mahazo ilay safidy sy ny vokatr’izany safidy izany. Angataho ny ankizy lehibe iray hamaky ny 2 Nefia 2:27. Asao ny ankizy ambiny hihaino ireo vokatry ny fanaovana safidy tsara (fahafahana sy fiainana mandrakizay) ary ireo vokatry ny fanaovana safidy ratsy (fahababoana sy fahoriana). Manaova fanehoana an-tsary tsotra eo amin’ny solaitrabe toy ity aseho eto ity.

Sary
agency chart

Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa manao safidy tsara isika dia mitondra any amin’ny fahafahana sy fifaliana izany ary rehefa manao safidy ratsy isika dia mitondra any amin’ny fahababoana sy tsy fifaliana izany.

Asao ny ankizy anankiroa mba handroso eny aloha ary avelao izy ireo samy hitazona ny lohan’izany tsirairay avy. Angataho ilay ankizy mitazona ilay lohany misy soratra hoe “safidy” mba hanome ohatra-na safidy tsara iray (ohatra, miresaka amin-katsaram-panahy amin’ny hafa). Angataho ilay ankizy iray hafa mba hizara izay mety ho vokatr’izany safidy izany (ohatra, mampaharitra ny finamanana). Avereno miaraka amin’ny ankizy hafa maro izany.

Sary
children holding choice and consequences stick

Hamafiso amin’ny alalan’ny famerimberenana ny fampianarana ny ankizy. Tazony ilay tsora-kazo misy “ny safidy sy ny vokany.” Hisy fotoana hafa hampiasana izany ao anatin’ny fotoana ifanakalozana mandritra ny taona.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mianatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina): Mandritra ireo herinandro roa voalohany ao anatin’ny volana dia mampianara tantara vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina izay mampiseho ny fomba hitondran’ny fanaovana safidy tsara fahafahana sy fifaliana ary ny fomba hitondran’ny fanaovana safidy ratsy fahababoana sy fahoriana. Ireo soratra masina azonao ampiasaina dia ahitana: ny Mpamonjy sy Satana (jereo ny Mosesy 4:1–4); i Nefia sy Lamana ary Lemoela (jereo ny 1 Nefia 2–4, 7, 18); i Sadraka sy Mesaka ary Abednego (jereo ny Daniela 3); na i Almà sy Noà Mpanjaka (jereo ny Môsià 17–19). Aorian’ny fampianarana tantara iray dia manasà ankizy roa samy hitazona ilay tehina misy “ny safidy sy ny vokany” ka ny iray amin’ny lohany ilany ary ilay iray hafa amin’ny ilany. Angataho ilay ankizy iray mba hanazava ireo safidy nataon’ireo izay tao anatin’ny tantara ary angataho ilay ankizy iray hafa hanazava ny vokatr’ireo safidy ireo.

Sary
Jesus Christ

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara iray): Apetaho ao amin’ny solaitrabe ny sarin’i Jesoa Kristy anankiray. Manaova sarin-janatohatra mitondra mankany amin’ilay sary. Manaova sarin’olona tsotsotra eo amin’ny taratasy iray ary apetraho eny amin’ny farany ambanin’ireo zanatohatra izany. Mitantarà tantara fohy momba ireo safidy ataon’ny ankizy iray mandritra ny andro iray. Isaky ny safidy iray dia angataho ny ankizy mba haneho na safidy tsara na safidy ratsy izany amin’ny alalan’ny fitsanganana ho an’ny safidy tsara ary fipetrahana ho an’ny safidy ratsy. Ohatra: “Nalain’i Jane teny amin’ilay anadahiny mbola zazakely ilay kilalao, ary dia nanomboka nitomany ilay zaza. Rehefa nanontanian’ny reniny i Jane hoe inona no antony nitomanian’ilay zaza dia nilaza i Jane fa tsy fantany.” Isaky ny safidy tsara iray dia ampandrosoy eo amin’ny zanatohatra iray mankany amin’i Jesoa ilay sarin’olona. Tohizo amin’ny filazana safidy hafa ilay tantara mandrapahatongan’ilay sarin’olona eo amin’ny Mpamonjy. Resaho ny fomba hitondran’ireo safidy tsara fifaliana ho antsika ary hanampiany antsika hanakaiky kokoa ny Tompo.

Herinandro 3: Nisafidy ny hanaraka ny drafitr’Andriamanitra aho tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira): Resaho vetivety ireto hevitra manaraka ireto ary dia hirao miaraka amin’ny ankizy izay hira mifanaraka amin’izany: Niaina tany an-danitra aho talohan’ny nahatongavako teto an-tany (“I Lived in Heaven” [CS, 4]). Nisafidy ny ho tonga teto an-tany sy hahazo vatana aho: (“Je suis enfant de Dieu” [CPE, 2–3]; “Je demeure dans un temple” [CPE, 73]). Hatao batisa aho ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina (“Le jour de mon baptême” [CPE, 53]; “Le Saint-Esprit” [CPE, 56]). Afaka miomana ny ho any amin’ny tempoly aho (“Oh, j’aime voir le temple” [CPE, 99]; “Ensemble à tout jamais” [CPE, 98]). Hitsangana amin’ny maty aho (“Il envoya son Fils aimé” [CPE, 20–21]).

Herinandro 4: I Jesoa Kristy dia nanao ny tany ho toy ny toerana iray izay ahafahako mianatra mifidy ny tsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona iray misy ohatra azo tsapain-tanana ary mifanakalo hevitra momba izany): Ampisehoy ireo ankizy ny boaty iray misy crayons à cire miloko isan-karazany. Ampisehoy azy ireo ny boaty faharoa izay tsy misy afa-tsy crayons à cire amin’ny loko karazany iray fotsiny. Anontanio ny ankizy hoe: “Raha toa ka handeha handoko sary iray ianao dia iza amin’ireo boaty fitoerana crayons à cire ireo no tianao hampiasaina? Nahoana?” Hazavao fa fitahiana ny fananana safidy isan-karazany. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy dia tia antsika ary tiany ny mba hanaovantsika safidy araka ny tokony ho izy.

Sary
crayons

Ao anatin’izany asa izany ianao dia afaka misafidy ny haneho ilay hevitra hoe fitahiana ny safidy amin’ny alalan’ny crayons à cire miloko, na pensilihazo miloko na voankazo samihafa na izay zavatra hafa efa fahitan’ny ankizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mandoko): Avelao ny ankizy mba handoko ilay tahadikan’ny sary hita ao amin’ny pejy 35 ao amin’ny bokin’ny kilasin’ny garderie, Voyez Vos Petits Enfants, na asaivo manao sary mitovy amin’ireo sary ireo ihany izy ireo miaraka amin’ireo maribolana hita eo amin’ ireo sary ireo koa. Ifanakalozy hevitra hoe iza no nahary ireo zavatra hita ao amin’ilay sary ary nahoana no nohariana izy ireo. Ampianaro ny ankizy fa ny Ray any an-danitra dia manantena antsika hikarakara ity izao tontolo izao ity izay noharian’ny Zanany Lahy ho antsika. Angataho ny ankizy mba hizara fomba azon’izy ireo safidiana mba hikarakarana ny tany sy ireo zavatra nohariana ao anatiny. Asao ny ankizy mba hitondra ny sariny any an-trano ary asaivo mandrafitra izany ho toy ny boky ireo ray aman-dreniny.

Hamoaka printy