Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Febroary: Voatahy isika rehefa mifidy ny tsara


Febroary

Voatahy isika rehefa mifidy ny tsara

“Raha mitandrina ny didiny ianareo dia mitahy anareo tokoa Izy sady mampiroborobo anareo” (Môsià 2:22).

Hira: “Bien Choisir”

Cantiques, no. 154)

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Voatahy i Noa noho ny fisafidianany ny tsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao kilalao fampifandraisana): Ataovy eo amin’ny solaitrabe ny sarin’ny sambofiara tsotra iray. Manomàna amboaran-tsary maro ahitana sary roa isaky ny mandeha izay mitovy ny biby ao anatiny. Omeo sary iray ny ankizy tsirairay. Angataho ny ankizy mba hitsangana sy hanao ny feon’ilay biby ao amin’ny sarin’ izy ireo ary mba hihaino izay ankizy hafa manao izany feo izany ihany koa. Rehefa mifankahita ireo ankizy nanana sary mitovy dia asaivo miara-mitsangana izy ireo mandrapivondron’ireo biby rehetra tsiroaroa. Asaivo mandeha tsiroaroa ny ankizy ary mametraka ny bibin’izy ireo ao anatin’ilay sambofiara natao sary. Anontanio ny ankizy hoe: “Iza ilay mpaminany nangatahin’ny Tompo mba hanangona ireo biby ao anatin’ilay sambofiara?” Hamafiso hoe mety tena asa sarotra tokoa ny nanangona biby maro dia maro tao anatin’izany sambofiara izany saingy nisafidy ny hankato ny didin’ny Tompo i Noa.

Sary
ark

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Ampisehoy ny ankizy ny sary iray ahitana an’i Noa mitory teny ary vakio ny Mosesy 8:20. Anontanio ny ankizy ny antony tsy nihainoan’ny vahoaka an’i Noa araka ny eritreritr’izy ireo. Zarao roa ny solaitrabe ary soraty eo amin’ny faritra ilany ireto fanontaniana manaraka ireto ary eo amin’ilay faritra ilany hafa no anoraty ireo soratra masina izay tsy araka ny filaharany tena izy. (Genesisy 6:17). Inona no nasainy nataon’i Noa mba hamonjena ny fianakaviany? (Genesisy 6:18). Inona no nataon’i Noa mba hisafidianana ny tsara? (Genesisy 7:5). Angataho ny ankizy mba hamaky ireo soratra masina ary hitady hoe iza amin’izy ireo no mamaly ny fanontaniana tsirairay. Ampisehoy ny ankizy ny sarin’i Noa nanangana ilay sambofiara. Hazavao hoe indraindray dia sarotra ny mifidy ny tsara. Anontanio hoe: “Ahoana no fomba nitahiana an’i Noa noho ny fisafidianany ny tsara?” Amporisiho ny ankizy mba hizara ny fomba hitahiana azy ireo rehefa misafidy ny tsara izy ireo.

Herinandro 2: Voatahy ireo mpianatr’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsara.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina, mandoko ary mampiasa sarin’olona ahetsiketsika): Vakio miaraka amin’ny ankizy ireto tantara manaraka momba ny fomba nisafidianan’ny mpianatr’i Jesoa ny tsara ireto: Lioka 10:38–42 (Maria); Matio 4:18–20 (Petera sy Andrea); Asan’ny Apôstôly 9:1–9, 17–20 (Paoly). Mifanakaloza hevitra mikasika ireo fitahiana azon’ireo olona ireo noho ny fisafidianana ny tsara. Manaova sarin’olona tsotra amin’ny taratasy ho an’ny ankizy tsirairay. Avelao ny ankizy no handoko ireo sary sy hanety azy ary hanamboatra izany ho toy ny sarin’olona ahetsiketsika amin’ny alalan’ny tapa-kazo kely na ho toy ny sarin’olona hatao eo amin’ny harona taratasy ahetsiketsika amin’ny alalan’ny rantsantanana. Asao ireo ankizy mba hampiasa ny sarin’olona ahetsiketsika izay azy ireo mba hitantarana indray ny iray amin’ireo tantara. Ohatra: “Ny anarako dia i Paoly. Izaho dia fatra-mpanenjika ny olona izay nanaraka an’i Jesoa. Nisehoan’i Jesoa aho. Nangataka ahy i Jesoa mba hanajanona ny fanenjehana Azy. Nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa aho ary lasa mpitory ny filazantsara nandritra ny androm-piainako sisa.

Sary
children with puppets

Azo ampiasaina ny sarin’olona ahetsiketsika mba hilalaovana ny ampahan’ny lesona iray. Fitaovana manan-danja mba hanamafisana ilay hevi-dehibe sy hisarihana ny sain’ny ankizy izy ireo (jereo ny EPPGA, 176–77).

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mamerina ireo tantara ao amin’ny soratra masina): Asao ny ankizy mba hampiasa ny sarin’olona ahetsiketsika eny amin’izy ireo mba hitantarana indray ireo tantara ao amin’ny soratra masina any amin’ny fianakavian’izy ireo any an-trano. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny fomba nifidianan’ireo olona tsirairay tao amin’ireo tantara ireo ny tsara ary ny fomba nitahiana azy ireo. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo misafidy ny tsara mandritra ny herinandro ho avy.

Sary
puppet template

Misy sarin’olona ahetsiketsika amin’ny alalan’ny tapa-kazo azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 3: Voatahy i Nefia noho ny fisafidianany ny tsara.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mandray anjara ao anatin’ny filalaovana tantara): Asao ireo ankizy hilalao ireo fotoana izay nankatoavan’i Nefia ny rainy sy ny Tompo (ohatra, jereo ny 1 Nefia 16:18–24, 30–32; 1 Nefia 17:8, 17–18, 48–53; 1 Nefia 18:9–21). Asaivo mampiasa fitafiana sy kojakoja tsotra izy ireo (ho fampahalalana momba ny filalaovana tantara dia jereo ny EPPGA, 165–66). Iaraho mamaky ny zavatra nolazain’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17:3.

Sary
children role playing

Mampivoatra ny fianarana ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso. Ataovy tsotra ilay fitaovana jeren’ny maso. Mamela ny ankizy hifantoka amin’ilay hafatry ny lesona izany fa tsy amin’ilay fitaovana jeren’ny maso.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihira hira): Ampisehoy ilay tsora-kazo misy hoe “ny safidy sy ny vokany” avy ao amin’ny volana janoary, ary asao ny ankizy mba hizara ny zavatra tsaroany momba ireo safidy sy ny vokany. Lazao izy ireo fa ireo fitahiana maro azontsika dia vokatry ny safidy tsara nataontsika. Asao ireo ankizy mba hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo hitovy amin’i Nefia sy hanao safidy tsara. Asaivo mihira ny “Le courage de Néphi” (CPE, 64–65) ny ankizy ary mampandehandeha ilay tsora-kazo misy hoe “ny safidy sy ny vokany” rehefa mihira izy ireo. Ajanony tampotampoka eny ilay hira. Rehefa mijanona ny hira dia asao ilay ankizy mitazona ilay tsora-kazo mba hizara safidy tsara iray azony atao. Asaivo mandefa ilay tsora-kazo any amin’ny ankizy iray hafa ilay ankizy ary asao izy mba hizara fitahiana iray izay azo avy amin’ny fanaovana safidy tsara. Averimbereno izany araka ny fisian’ny fotoana.

Herinandro 4: Voatahy ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny noho ny fisafidianana ny tsara.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mizara tantara): Manasà ray aman-dreny na raibe sy reniben’ireo ankizy ao amin’ny Kilonganao maromaro mba hizara tantara momba ny fomba nisafidianan’izy ireo na ny razambeny ny tsara. Azo ampidirina ao anatin’izany ireo tantara momba ny fomba nisafidianan’izy ireo ho lasa mpikamban’ny Fiangonana. Alohan’ny tantara tsirairay dia angataho ireo ankizy mba hihaino ireo fomba nisafidianan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny tsara ary ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fanaovana izany. Aorian’ny tantara tsirairay dia angataho ny ankizy hilaza ny fomba nitahiana ireo mpikambana noho ny fisafidianana ny tsara. Angataho ny ankizy mba hanao sary momba ireo tantara rehefa henon’izy ireo izany ary avy eo dia asaivo mampiseho ny sariny amin’ireo ankizy hafa ao amin’ny Kilonga sy ny olon-kafa any an-trano ilay ankizy.

Hamoaka printy