Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Septambra: Mampianatra ahy hitia an’Andriamanitra sy ny Zanany ny didy folo


Septambra

Mampianatra ahy hitia an’Andriamanitra sy ny Zanany ny didy folo

“Raha tia ahy ianao dia hanompo Ahy ary hitandrina ny didiko rehetra” (F&F 42:29).

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Voatahy isika rehefa mitandrina ny didy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona iray ampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Manasà reny iray mba hitondra ny zazakeliny mandritra ny fotoana ifanakalozana. Asao ny ankizy mba hizara fitsipika vitsivitsy izay hiaro ilay zazakely. Lazao ny ankizy fa zanaky ny Ray any an-danitra daholo isika rehetra. Tia antsika Izy ary manome fitsipika sy didy ho antsika mba hiarovana antsika sy hahazoantsika fifaliana. Ampisehoy ny sarin’i Mosesy sy ny Didy Folo ary lazao fohifohy amin’ny ankizy ny fomba nahazoan’i Mosesy ny didy folo (jereo ny Eksodosy 19–20).

Sary
The Ten Commandments

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira): Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto: “Manehoa fanajana sy fitsaohana an’Andriamanitra,” “Hajao ny Ray aman-dreny,” ary “Hajao ny hafa.” Lazao ny ankizy fa ny Didy Folo dia azo zaraina ho sokajy telo. Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary omeo hira izay mifanaraka amin’ny iray amin’ireo sokajy ireo izy ireo. Angataho ny vondrona tsirairay mba hanapa-kevitra hoe iza no hihira ilay hira (ohatra, ankizilahy irery ihany, na ankizivavy irery ihany na ireo izay manao akanjo menamena). Rehefa avy nohiraina ilay hira dia angataho ny ankizy iray mba hametraka ilay hira eo amin’ilay sokajy mifanaraka amin’izany. Ampiasao ireto hira manaraka ireto: “Samedi” (CPE, 105), “Je veux obéir” (CPE, 71), “Mon papa” (CPE, 111), “L’Église de Jésus Christ” (CPE, 48), ary ny “Soyons gentils” (CPE, 83).

Sary
arches

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihira hira iray): Hirao ny “Pour trouver la paix” (CS, 68–69), ary angataho ny ankizy mba hihaino ireo fampanantenana izay azontsika rehefa mitandrina ny didy isika. Asao izy ireo mba hizara ny fomba itahiana azy ireo rehefa mitandrina ny didy.

Herinandro 2: Tokony hanaja sy hitsaoka an’Andriamantra aho.

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mamaky soratra masina): Hazavao fa ireo didy efatra voalohany nomen’ny Ray any an-danitra an’i Mosesy dia mampianatra antsika fa tokony hanaja sy hitsaoka an’Andriamantra isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto. Soraty eo amin’ny tapa-taratasy efatra ireo soratra masina.

  1. Aza manana fa Izaho ihany. (Eksodosy 20:3)

  2. Aza voasokitra ho anao. (Eksodosy 20:4)

  3. Aza ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao. (Eksodosy 20:7)

  4. Mahatsiarova ny hanamasina azy. (Eksodosy 20:8)

Zarao ho vondrona efatra ny ankizy. Omeo soratra masina iray avy ny vondrona tsirairay ary angataho izy ireo mba hamaky soratra masina ary hitady izay fehezanteny mifandray amin’izany eo amin’ny solaitrabe. Angataho ny vondrona voalohany mba hameno ny bangany eny amin’ny solaitrabe ary hitarika ireo ankizy hafa mba hiaraka hamerina ilay fehezanteny. Ifanakalozy hevitra ny dikan’ilay didy ary avelao ny ankizy hanome hevitra momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hankatoavana izany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny sosokeviny. Avereno atao izany miaraka amin’ireo vondrona telo hafa. Amporisiho ny ankizy hisafidy iray amin’ireo sosokevitra eo amin’ny solaitrabe mba ho tanterahany mandritra ny herinandro.

Herinandro 3: Tokony hanaja ny ray aman-dreniko aho.

Ampahafantaro ilay fotopampianarana (mitadidy soratra masina iray): Avereno resahana amin’ny ankizy ireo didy nianaran’ny ankizy tamin’ny herinandro lasa ary anontanio ankizy vitsivitsy ny fomba nataon’izy ireo mba hiainana ireo didy ireo. Zarao ho vondrona efatra ny ankizy ary omeo taratasy lavalava misy teny izay aseho etsy ambany ny vondrona tsirairay (jereo ny Eksodosy 20:12).

Sary
memorize a scripture

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Asao ny vondrona voalohany hitsangana sy hamerina ireo teny eo amin’ilay taratasiny lavalava ary hipetraka dia manaraka azy manao toy izany ireo vondrona hafa araka ny filaharany. Angataho ireo vondrona mba handefa ny taratasin’izy ireo lavalava any amin’ny vondrona iray hafa ary hamerina ilay asa mandrapamakin’ny vondrona rehetra ny taratasy lavalava tsirairay. Asao ny ankizy hitsangana sy hiaraka hamerina ilay didy.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao): Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Angataho ny vondrona tsirairay mba hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao mba hanajana ny ray aman-dreniny. Asao ny vondrona tsirairay mba haneho amin’ny tanana ny zavatra ataon’izy ireo ary hangataka ny ankizy hafa mba hamantatra izany. Rehefa nahita ny valiny marina izy ireo dia mangataha iray amin’ireo ankizy ao amin’ny vondrona mba hanoratra ny hevitr’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Herinandro 4: Tokony hanaja ny hafa aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mifanakalo hevitra momba ny fanajana): Lazao ny ankizy fa hisy olona tena manan-kaja ho avy ao amin’ny Kilonga anio. Angataho ny ankizy mba hampiseho ny fomba hanehoany fanajana an’izany olona izany. Asaivo mamantatra izy ireo hoe iza izany olona izany. Hirahirao malefaka any anaty ny “Zanaky ny Ray aho” rehefa mametaka taratasy miendrika kintana eo amin’ny ankizy ianao. Hazavao fa manan-kaja daholo ny olona rehetra ary tokony hajaintsika daholo ny rehetra. Lazao ny ankizy fa maro amin’ireo Didy Folo no mampianatra antsika ny fomba hanajana ny hafa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (miresaka momba ireo trangan-javatra): Hazavao fa ny Didy Folo dia mampianatra antsika fa tsy tokony hangalatra na handainga isika. Fomba iray hanajana ny hafa izany. Manomàna trangan-javatra maro (jereo ny TNGC, 161–62) maneho toe-javatra izay iatrehan’ny ankizy ny fanaovana safidy mikasika ny fahamarinan-toetra. Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary omeo tranga vitsivitsy. Asaivo mamaky ny trangan-javatra tsirairay izy ireo.

Sary
stars

Mitadiava fotoana hanehoana fitiavana ny ankizy tsirairay. Rehefa maneho fitiavana an’ireo izay ampianarinao ianao dia lasa mihaino tsara kokoa ny Fanahy izy ireo ary feno fientanentanana kokoa hoe hianatra (jereo ny EPPGA, 31).

Hamoaka printy