Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Mey: Misafidy ny tsara aho rehefa vita batisa sy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana


Mey

Misafidy ny tsara aho rehefa vita batisa sy noraisina ho npikamban’ny Fiangonana

“Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apôstôly 2:38).

Hira: “Le Jour de mon Baptême”

(CPE, 53)

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Rehefa mibebaka aho dia afaka ny ho voavela heloka.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mandray anjara ao anatin’ny lesona hampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Omeo vato ny ankizy tsirairay. Asaivo ataon’ny ankizy ao anatin’ny kirarony ilay vato ary asaivo mitsangana sy mandeha izy ireo. Anontanio ny ankizy hoe manao ahoana izany mandeha miaraka amin’ny vato ao anatin’ny kiraro izany? Anontanio hoe inona no mampitovy ny vato sy ny fahotana. (Tsy mampahazo aina izany ary mahatonga antsika tsy ho faly.) Asaivo manaisotra ilay vato izy ireo ary anontanio hoe ahoana no mampitovy ny fibebahana sy ny fahazoana famelan-keloka avy any amin’ny Ray any an-danitra amin’ny fanesorana ilay vato ao amin’ny kirarontsika. Hazavao fa noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka isika sy mahazo ny famelana ny fahotantsika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fibebahana dia fitahiana tena lehibe avy amin’ny Ray any an-danitra ary mitondra fifaliana ho antsika izany.

Herinandro 2: Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny Fiangonana aho dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao kilalao fitsapana ny fitadidiana sy mamaky soratra masina): Ampisehoy ny sarin’i Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa ary ny sarin’ny ankizy iray atao batisa. Avelao ny ankizy hijery ireo sary ireo mandritra ny 20 segondra. Dia takony zavatra ilay sary ary angataho ny ankizy mba hiteny aminao zavatra maro faran’izay hitany fa mitovy eo amin’ireo sary roa ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

Sary
John Baptizing Jesus
Sary
father baptizing child

Angataho ny ankizy mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:72–74 mba hahitana hoe iza no mahazo manao batisa olona ary ahoana no fomba hanatanterahana ny batisa. Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra hitany. Antitrantero fa ny olona izay manao batisa dia tsy maintsy manana ny fahefan’ny fisoronana ary ilay olona atao batisa dia tsy maintsy asitrika na miditra tanteraka ao anaty rano. Ampisehoy indray ireo sary anankiroa. Hazavao fa i Jesoa sy ilay ankizy dia samy natao batisa asitrika tamin’ny alalan’ny olona iray manana ny fahefan’ny fisoronana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mandoko sy mihira hira iray): Manaova tahadikan’ny pejy 111 ao amin’ny bokin’ny kilasin’ny garderie hoe Voyez vos petits enfants, ho an’ny ankizy tsirairay mba holokoiny. Hirao ny “Baptême” (CPE, 54–55), ary amporisiho ny ankizy mba hatao batisa toy ny nataon’i Jesoa. Manasà ankizy iray izay vao avy natao batisa mba hilaza amin’ireo ankizy hafa momba ny batisany.

Sary
nursery manual page

Ny bokin’ny kilasin’ny garderie dia hita ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 3: Afaka manampy ahy ny Fanahy Masina.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana): Asaivo misy ankizy iray mijoro eo amin’ny varavarana. Tampeno ny mason’ilay ankizy ary asaivo mitady ny sezany izy ary mipetraka eo amin’izany ka tsy mila fanampiana. Avereno indray izany saingy amin’ity indray mitoraka ity dia mangataha ankizy anankiray hafa mba hitarika an’ilay ankizy mitapi-maso amin’ny fikasihany ny sandriny ary amin’ny alalan’ny fitarihany ny lalana. Ifanakalozy hevitra amin’ny ankizy hoe nahoana no mora kokoa ny mahita ilay seza tamin’ity faharoa ity. Hazavao fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fitarihana eo amin’ny fiainantsika. Asao ny ankizy hilaza hoe: “Afaka manampy ahy ny Fanahy Masina.”

Sary
blindfolded child

Ny fampiasana ankizy ao anatin’ny fampisehoan-javatra mampiasa fitaovana jeren’ny maso dia hisarika ny sainy sy hamporisika azy hianatra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira iray ary manao kilalao fampifandraisana): Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe manampy. Hirao ny hira hoe: “Le Saint-Esprit” (CPE, 56) ary asao ny ankizy hanisa ireo zavatra voalaza ao amin’ilay hira fa ataon’ny Fanahy Masina mba hanampiana antsika.

Sary
CTR shield

Ny singa-mariky ny FNT dia azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Alohan’ny fotoan’ny Kilonga dia manomana taratasy 10 misy ny saritarigetran’ny FNT eo aloha. Soraty ao ambadiky ny taratasy tsirairay ny iray amin’ ireto fehezanteny 5 manaraka ireto izay momba ny fomba hanampian’ny Fanahy Masina antsika: mankahery antsika ny Fanahy Masina, mijoro ho vavolombelona amintsika momba an’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, mampianatra antsika ny Fanahy Masina, milaza amintsika ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao ny Fanahy Masina, ary manampy antsika hanao ny tsara ny Fanahy Masina (tokony hatao eo amin’ny taratasy roa samy hafa ny fehezanteny tsirairay). Apetraho tsy mifanaraka amin’ izay mety ho filaharany eo amin’ny solaitrabe ireo taratasy miaraka amin’ireo saritarigetran’ny FNT izay manatrika ny ankizy. Asao ny ankizy iray mba hamadika ny iray amin’ireo taratasy. Iaraho miteny ireo teny ao ambadik’izany. Mifidiana ankizy iray hafa mba hamadika taratasy iray hafa ary andramo ampifandraisina izany. Iaraho miteny ireo teny ao ambadik’izany. Raha toa ka mifandray ireo taratasy dia esory eo amin’ny solaitrabe izany. Raha toa ka tsy mifandray izany dia avereno avadika. Avereno izany mandrapahavitan’ny fampifandraisana rehetra.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mifanakalo hevitra momba ny soratra masina): Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Omeo ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Jaona 14:26; Jaona 15:26; 2 Nefia 32:5; F&F 11:12. Asaivo mamaky ny soratra masina nomena azy ny vondrona tsirairay ary asaivo miresaka mikasika ny dikan’izany. Asao ireo ankizy sy mpampianatra mba hizara ohatra momba ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Herinandro 4: Rehefa mandray ny Fanasan’ny Tompo aho dia manavao ny fanekempihavanan’ny batisa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ny fanekempihavanana sy mamaky soratra masina): Hazavao fa ny atao hoe fanekempihavanana dia fampanantenana masina ifanaovana eo amintsika sy ny Ray any an-danitra. Mampanantena isika fa hanao zavatra vitsivitsy ary rehefa manao izany isika dia mampanantena Izy fa hitahy antsika. Ampahatsiahivo ny ankizy fa manao fanekempihavanana amin’ny Ray any an-danitra isika rehefa atao batisa ary hazavao fa manavao izany fanekempihavanana izany isika rehefa mandray ny Fanasan’ny Tompo. Manamboara taratasy lavalava ahitana ireo fehezanteny avy amin’ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo izay manazava ny zavatra ampanantenaintsika rehefa mandray ny Fanasan’ny Tompo isika ary ny zavatra ampanantenain’ny Ray any an-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Omeo ankizy vitsivitsy ireo taratasy lavalava ireo ary asaivo mitsangana arak’izay tokony ho filaharany izy ireo rehefa mamaky mafy ny soratra masina ianao.

Hamoaka printy