Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Martsa: Mampianatra ahy hisafidy ny tsara ireo mpaminany velona


Martsa

Mampianatra ahy hisafidy ny tsara ireo mpaminany velona

“Ô, tsarovy anaka ary mianara fahendrena amin’ny fahatanoranao; eny, mianara ny hitandrina ny didin’Andriamanitra amin’ny fahatanoranao” (Almà 37:35).

Hira: “Fais donc le bien”

(CPE, 80)

Ampio an’ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany velona Andriamanitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery fampisehoan-javatra iray ary mitadidy soratra masina iray): Asao ny ankizy iray mba handroso eny aloha. Teneno ireo ankizy hafa mba hanaraka ny toromarika omeny. Bitsibitsiho amin’ilay ankizy ireo toromarika toy ny hoe: “Asaivo mitehaka in-telo izy ireo” na “Asaivo mitsangana izy ireo ary asaivo mandehandeha eo am-pitoerana.” Omeo fahafahana mba ho mpitarika ny ankizy maro. Hazavao fa na dia tsy nandre anao nanome toromarika daholo aza izy rehetra dia afaka nankatò ireo toromarika satria fantatr’izy ireo hoe iza no tokony arahana. Anontanio hoe iza no tokony ho arahantsika mba hahafantarana izay zavatra tian’ny Ray any an-danitra ataontsika. Ampisehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny. Asaivo miara-miteny ny ankizy hoe: “Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany velona Andriamanitra.” Vakio ny Amosa 3:7, ary hazavao izay teny tsy azon’ny ankizy. Ampio ny ankizy mba hitadidy ilay soratra masina (jereo ny EPPGA, 171–72).

Sary
teacher whispering

Herinandro 2: Mpaminany ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: “Mpaminany ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo.” Lazao ny ankizy fa ao anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tarihin’ny Filohan’ny Fiangonana isika sy ireo mpanolotsainy roa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo Apôstôly Roambinifolo. Hazavao fa mpaminany ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao fampifandraisana): Manangòna sary enina amin’ireo olona ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ary soraty amin’ny taratasy kely tsirairay ny anaran’izy ireo. Apetraho amin’ ilay lafiny iray tsy misy na inona na inona eo amin’ny solaitrabe ireo taratasy sy sary. Asaivo mamadika ny sary iray ny ankizy iray ary asao ny ankizy iray hafa mba hamadika taratasy kely iray izay misy anarana. Raha toa ka tsy mifanaraka ilay sary sy anarana dia avereno amin’ny toerany izany ary asaivo misy ankizy roa hafa indray misafidy. Raha toa ka mifandray ireo taratasy dia bitsibitsiho amin’ireo ankizy anankiroa ny fitsipiky ny filazantsara iray izay nampianaran’io mpitarika io nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra (jereo ny laharan’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindran’ny Ensign na Liahona), ary asao izy ireo hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ny fomba ahafahan’izy ireo miaina ilay fitsipika. Asao ireo ankizy hafa mba hamantatra ny zavatra ataon’izy ireo.

Sary
matching game

Herinandro 3: Miresaka amintsika ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ireo mpaminany sy apôstôlin’Andriamanitra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao iray): Soraty amin’ny taratasy kely tsirairay avy ny fehezanteny iray izay mamintina ireo hafatra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Apetraho eo amin’ny solaitrabe izany miaraka amin’ireo sarin’ireo mpitarika. Ifanakalozy hevitra ny momba ny hafatra tsirairay. Manasà vondron’ankizy iray mba hivoaka ny efitrano. Esory ny iray amin’ireo hafatra eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo ankizy mba hiverina sy hiaraka hanapa-kevitra hoe iza no hafatra tsy eo. Angataho ireo ankizy mba hisafidy ny hiran’ny Kilonga iray izay mifanaraka amin’ilay hafatra ary iaraho mihira izany. Asao ny ankizy mba hanolotra fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny hafatra. Avereno atao amin’ireo hafatra hafa izany zavatra izany.

Sary
teacher at board

Ampifanaraho amin’ny taona sy fahaiza-manaon’ireo ankizy ampianarinao ireo asa atao. Ao amin’ilay asa ao amin’ny herinandro 3 dia afaka mampiasa sary ianao ho fanampin’ireo hafatra nosoratana.

Herinandro 4: Voatahy aho rehefa misafidy ny hanaraka ny mpaminany.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira): Hirao ny andininy fahasivy sy ny fiverenan-kiran’ny “Suis les prophètes” (CPE, 58–59). Asao ny ankizy mba hihaino ireo antony hanarahantsika ny mpaminany. Asaivo miara-miteny ny ankizy hoe: “Voatahy aho rehefa misafidy ny hanaraka ny mpaminany.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (milalao an’ireo tantara ao amin’ny soratra masina): Tantarao amin’ny ankizy ny tantaran’i Elia sy ilay vehivavy mpitondratena tany Zarefata (jereo ny 1 Mpanjaka 17:8–16), ary asao ny ankizy mba hilalao izany miaraka aminao. Ohatra: “Nilaza tamin’ny Tompo ny mpaminany Elia mba handeha ho any amin’ny tanàna iray antsoina hoe Zarefata (mandehandehana eo am-pitoerana). Rehefa tonga tany amin’ilay tanàna izy dia nahita vehivavy iray nanangona kitay hazo (mody makà kitay hazo). Nangataka rano tamin’ilay vehivavy i Elia (mody manomeza rano olona iray) ary tapa-mofo. Nilaza tamin’i Elia ilay vehivavy fa tsy manana afa-tsy koba sy diloilo kely mba hanaovana mofo ho an’ny zanany lahy izy (ahetsiketseho ny loha ho fanehoana ny hoe tsia). Nasain’i Elia nanao mofo ho azy aloha izy ary dia homen’Andriamanitra koba sy diloilo bebe kokoa izy. Nankato an’i Elia ilay vehivavy (mody mamolavolà mofo). Lasa nanana koba sy diloilo ampy nanaovana mofo nandritra ny andro maro izy (mody mihinàna).” Avereno atao izany ho an’ny tantaran’i Mosesy sy ilay menarana varahina (jereo ny Nomery 21:5–9) ary ho an’ny tantaran’i Nefia sy ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3–4; 5:21–22). Angataho ny ankizy mba hizara ny fomba nitahiana an’ireo olona tao amin’ireo tantara ireo noho ny fanarahany ny torohevitr’ireo mpaminany.

Sary
Elijah and the widow of Zarephath
Sary
Moses and the Brass Serpent
Sary
Nephi

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mifanakalo hevitra momba ireo fampianaran’ny mpaminany): Anontanio ny ankizy hoe: “Iza no mpaminanintsika ankehitriny?” Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny. Hazavao fa nantsoin’Andriamanitra izy. Asaivo mifanakalo hevitra ao anatin’ny vondrona kely vitsivitsy ny ankizy mikasika ny fomba ahafahana manaraka azy. Angataho ny ankizy vitsivitsy avy amin’ny vondrona tsirairay mba hizara ny heviny. Asao ny ankizy mba hisafidy fomba iray ahafahany manaraka ny mpaminany mandritra ny herinandro. Mamorona mpampahatsiahy iray izay hoentin’izy ireo any an-trano ary hozarainy amin’ny fianakaviany. Ampahatsiahivo ny ankizy fa afaka mihaino ny tenin’ny mpaminany izy ireo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ary amporisiho izy ireo mba hiaraka hijery sy hihaino ny fihaonambe miaraka amin’ny fianakaviany. Ny herinandro aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia mangataha ankizy vitsivitsy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nihaino ny mpaminany sy nanaraka ny fampianarany.

Sary
small groups with pictures

Ny fizarazarana ny ankizy ho ao anaty vondrona dia ahafahan’ny ankizy maro kokoa mandray anjara. Afaka manorina vondrona amin’ny fomba maro ianao. Ohatra, afaka mangataka ny ankizy ianao mba hiara-hiasa ao anatin’ny vondron’ny kilasy misy azy na afaka mampiaraka ny ankizy lehibe amin’ny ankizy kely. Tokony hisy olon-dehibe hanara-maso ny vondrona tsirairay.

Hamoaka printy