2023
Mampifandray
Martsa 2023


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery, mar. 2023.

Mampifandray

Rikuto I.,

16 taona, Japana

Sary
zatovolahy

Sary nalain’i Sayaka Okubo

Rikuto no anarako, ary avy any amin’ny tanànan’i Matsudo Japana aho.

Nampiasa ny application Arbre familial aho nandritra ny fiarahamientana iray ho an’ny takarivan’ny mpianakavy mba hianarako hoe iza ireo razambeko ary toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo. Gaga aho raha nahafantatra fa ny iray tamin’ireo razambeko dia mpiady mpitaingin-tsoavaly izay mpiambina ny amperora Japana iray izay niaina efa ela be tany.

Tiako ny milalao baolina kitra Amerikana, saingy satria aho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy tia milalao amin’ny alahady. Tena sarotra tamiko ny nilaza tamin’ny mpanazatra ahy hoe tsy afaka manao fanazaran-tena aho ny alahady, saingy rehefa nanazava aho fa mankany am-piangonana dia mbola navelany niditra tao amin’ilay ekipa ihany.

Koa satria tsy tonga tamin’ireo fanazaran-tena amin’ny alahady aho dia tsy hahatoky ny lentan’ny fahaiza-manaoko ireo namako mpiray ekipa amiko. Nivavaka aho mba hifantoka tsara sy hilalao tsara mandritra ny fanazaran-tena noho izaho tsy manam-poatoana firy hanaovana izany kokoa noho ireo mpiray ekipa amiko. Voasa handray anjara tamin’ny lalao aho rehefa tonga ny dingan’ny famaranana tamin’ny fifaninana. Fantatro fa nanampy ahy tamin’ny fanatrarako izany tanjona izany Andriamanitra.

Hamoaka printy