2023
Hain’ny Mpamonjy ny manampy ahy ao anatin’ny homamiadana
Martsa 2023


“Hain’ny Mpamonjy ny manampy ahy ao anatin’ny homamiadana,” Ho zatovo mahery!, mar. 2023.

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy]

Ireo tanora dia mizara ny fomba nahazoan’izy ireo hery tao amin’i Kristy mba hanaovana zavatra sarotra (jereo ny Filipiana 4:13).

Hain’ny Mpamonjy ny manampy ahy ao anatin’ny homamiadana

Sary
zatovovavy iray

Nizotra tsara ny fiainako hatramin’ny ririnin’ny 2020. Narary aho, izay neritreretinay hoe otrik’aretina, ka nihinana karazana antibiôtika nifanesy arak’izay nosoratan’ny dokotera. Taty aoriana dia nanomboka nahatsapa aho hoe narary an-doha sy reraka ary tsy nahatsiaro tena. Fotoana fohy taorian’izay dia nifoha tamin’ny 10 alina teo ho eo aho, nieritreritra hoe maraina ny andro nanomboka niomana handeha hianatra.

Rehefa nilaza tamiko ny rahavaviko fa mbola alina ny andro, dia nihazakazaka tany amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniko tamim-pahatairana aho. Notsapain’ny mamako ny lohako ary nisy fanaviana tena namay be aho. Nandeha nanatona mpitsabo izahay ny ampitso, izay nampanao fitiliana maromaro.

Nankao amin’ny efitranoko ireo ray aman-dreniko tamin’izany alina izany ary nitomany. Nilaza tamiko izy ireo fa voan’ny homamiadan’ny ra aho ary mila mandeha mankany amin’ny hôpitaly mba hahafahana mahazo valiny kokoa. Tao amin’ny efitrano vonjy taitra aho ny alina manontolo ary nanomboka ny chimiothérapie ako aho andro vitsy taty aoriana.

Hitohy iray na roa taona ny fitsaboana, fa lasa azo fehezina kokoa izany. Nihatsara tsikelikely aho vao tsy ela ary nanantena ny ho afaka hiverina any an-tsekoly tsy ho ela. Kanefa tsy mora izany. Nisy voka-dratsy maro ilay chimio, anisan’izany ny aretin’ny taolana antsoina hoe nécrose vasculaire izay nampananosarotra ny fandehako.

Sary
zatovovavy ao amin’ny hôpitaly

Na teo aza izany rehetra izany—angamba noho izany—dia nanjary nanatona kokoa ny Raiko any An-danitra aho. Manana fahatakarana lalina mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy aho ankehitriny. Taloha aho nihevitra ny Sorompanavotany ho zavatra tsy nilaina raha tsy rehefa nanao fahadisoana. Ampahany ihany izany, fa ny fianteherana amin’ny Mpamonjy dia nanampy ahy ihany koa tsy hahatsiaro ho irery loatra.

Noraisin’i Jesoa Kristy teo Aminy avokoa ny fijaliantsika sy ny fahotantsika rehetra, izay midika fa fantany tsara ny fomba hanampiana ahy amin’izao voan’ny homamiadan’ny ra izao. Ny mamakivaky fisedrana na inona izany na inona dia mety hahatonga anao hahatsiaro ho tena irery, saingy noho ny Sorompanavotan’i Kristy dia afaka mahazo hery isika noho ny fahalalana fa tena mahatakatra ny zavatra lalovantsika Izy.

Ruby H., Utah, Etazonia

Hamoaka printy