2023
Vonona ho misiônera
Martsa 2023


“Vonona ho misiônera,” Ho zatovo mahery! Mar. 2023.

Vonona ho misiônera

Ahoana no hahafantaranao fa vonona ny hanao asa fitoriana ianao?

Sary
misiônera

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara, ary namporisika ireo zatovolahy sy zatovovavy izy mba hiomana ny hanompo.1 Mitaky asa ny maha- misiônera amin’ny fotoana feno, fa toy izany koa ny fahatongavana ho misiônera!

Ny fiomanana ho misiônera indraindray dia tsapa ho mavesatra satria toa betsaka ny zavatra atao amin’izany:

“Mila manangom-bola aho.”

“Tokony mandalina ny Torio ny filazantsarako.aho”

“Ahoana no fomba hahandroako ny sakafoko sy hanasako ny lambako?”

“Tokony hametraka fotoana amin’ny evekako aho.”

“Mahatoky tena tsara ve aho hizara ny filazantsara?”

Mitombina ireo eritreritra sy ahiahy ireo. Na izany aza dia tsara ny mifantoka amin’ny ambahindain’ny tanjon’ny fanompoanao.

Ny antony hanaovanao izany

Mety hanampy ny fametrahanao fanontaniana amin’ny tenenao hoe: “Nahoana aho no te hanao asa fitoriana?”

Mety mahatsapa ianao hoe adidinao izany. Mety mientanentana ianao hiaina toerana vaovao sy fiteny vaovao. Angamba te hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay ianao. Na, mino ianao araka ny nambaran’ny Filoha Nelson fa, “ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.”2

Ny antony sasany hanaovana asa fitoriana dia tsara kokoa noho ny antony hafa, ary misy antony tsara hafa miohatra ny iray handehanana. Ireo antony handehananao amin’ny farany dia tokony hifantoka manodidina ny fitiavanao ny Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Eritrereto ny momba ny antony handehananao, eritrereto raha toa izy ireny ka manampy anao hanompo ny Tompo ”amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjakao rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2). Ary raha tsy manana faniriana ianao dia afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra hanampy anao hanana izany.

Sary
Vehivavy misiônera manao asa fanompoana

Ny fijoroanao ho vavolombelona

“Moa ve aho manana fijoroana vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Ary tena mino marina ve aho fa Izy no miantso ahy hanompo?”

Ny tanjon’ny misiônera dia ny manasa ireo olona hanatona an’i Kristy. Zava-dehibe ny fanananao fijoroana ho vavolombelona ho anao manokana rehefa manasa olona hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ianao.

Tsy ilaina hoe tonga lafatra ny fijoroanao ho vavolombelona, hisy foana ny toerana hanamafisanao orina izany. Ny tena manan-danja dia ny fototra: Jesoa Kristy. Ho lasa mahafantatra Azy ianao rehefa mandalina ny teniny ao amin’ny soratra masina, sy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anarany ary miezaka ny hiaina tahaka Azy.

Ny hoe misiônera matanjaka dia tsy midika hoe matanjaka foana ianao rehefa miresaka amin’ny olona, na mahatadidy tsianjery ny soratra masina tsirairay (na dia afaka manao sy manatsara ny talentanao hatrany aza ianao). Rehefa mitoky hatrany amin’ny Tompo ianao sy mino Azy ary vonona hanao ny asany dia Izy no hampitombo ny ezaka ataonao sy hahatonga anao ho misiônera mahomby.

Sary
vehivavy misiônera

Ny fanafiana masin’ny tempoly ho anao

“Mahatsapa ho vonono handeha ho any amin’ny tempoly ve aho?”

Mialoha ny handehananao hanao asa fitoriana dia handray ny fanafiana masin’ny tempoly ho anao ianao raha tsy mbola nanao izany.

Ny fitahian’ny Tempoly dia “lafiny iray manan-danja nefa adinodino matetika ao amin’ny fiomanana amin’ny antso mba hiasa.” Ary ny “famendrehan’ny tena manokana no ilay fepetra manan-danja indrindra takiana amin’ny fandraisana ireo fitahian’ny tempoly.”3 Rehefa miomana sy mendrika ny ho any amin’ny tempoly ianao ary manao ireo fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra dia ho vonona koa ny tenanao ho misiônera ho Azy (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:33; 109:22).

Any amin’ny farany ianao dia afaka manao kilasy fiomanana ho any amin’ny tempoly. Kanefa etsy an-daniny dia afaka manao ny fandalinanao sy ny fiomananao manokana ianao. Nanome soratra masina sasany sy lohahevitry ny filazantsara mikasika ny Tempoly ny Filoha Nelson izay azonao halalinina sy hianarana.4 Afaka mianatra misimisy ianao ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
asa misiônera amin’ny solosaina

Mendrika sy vonona

Averiko indray fa maro ireo lafiny mikasika ny fanomanana ny asa fitoriana. Eny, ianao dia tokony hanangom-bola sy hitandrina ny tenanao mba ho tomombana ara-batana, ary hianatra ireo fahaiza-manao fototra toy ny fanasana lamba sy fahandroana sakafo. Efa afaka manana ireo tanjona ireo ianao.

Saingy aza avela hanavesatra anao ireo antsipiriany. Ny fanomanana manan-danja azonao atao dia izay mahatonga anao ho fitaovana mendrika sy mahomby eo am-pelatanan’ Andriamanitra.

Raha toa ianao mahatsiaro tena ho tsy mahay, na mikorotan-tsaina na tsy mahazo antoka mikasika ny fanompoana dia tsy hafahafa izany. Tsarovy fotsiny fa tian’ny Tompo hahomby ianao! Rahefa mitoky Aminy ianao sy manaraka ny fitarihan’ny Fanahy dia hanampy anao hiomana ho misiônera tsara izay azonao hahatongavana Izy.

Hamoaka printy