2023
Ny fomba nandraisan’ny Mpamonjy ny vehivavy
Martsa 2023


“Ahoana ny fomba nandraisan’ny Mpamonjy an’ireo vehivavy?,” Ho zatovo mahery!, mar. 2023.

Ahoana ny fomba nandraisan’ny Mpamonjy an’ireo Vehivavy

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy sy fanajana an’ireo vehivavy eo amin’ny fiainantsika.

Sary
Jesoa Kristy sy Maria Magdalena

Sary nataon’i Rose Datoc Dall

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Jesoa Kristy dia mazàna nampianatra zavatra tsy nampoizina. (Toy ny ao amin’ny hoe: isika dia tokony hitia ireo fahavalontsika ary hivavaka ho an’ireo izay manenjika antsika?1)

Ny sasany amin’ireo fampianarana ireo dia nanohitra ny kolontsaina tamin’izany fotoana. Saingy Jesoa dia tsy niezaka ny nanao izay nampifanarahana izany. Niezaka nampianatra lalàna ambony izy sy naneho antsika ny fomba fifampitondrana. Nametraka ohatra naneho fitiavana Izy izay tsy voafetra amina taona, na amin’ny maha-lahy sy vavy na amin’ny firenena niaviana.

Noraisina ho toy ny ambany ny vehivavy tamin’ny andron’i Jesoa. Ary amin’ny kolontsaina sasany ankehitriny, ny vehivavy amin’ny ankapobeny dia tsy hajaina. Angamba miaina amin’ny toerana tahaka izany ianao. Raha izany no izy, dia afaka mametraka ohatra toy izay nataon’i Kristy ianao eo amin’ny fiarahamonina misy anao, amin’ny fanaovana tsara fanahy sy fanehoana fanajana ny olona tsirairay—tafiditra ao anatin’izany ireo tovovavy sy vehivavy eo amin’ny fiainanao.

Sary
vehivavy tamin’ny andron’i Kristy.

Jesoa nikarakara ny Reniny

Ny fahagagana teo imason’olona voalohany nataon’i Jesoa Kristy dia ilay nanampiany ny reniny. Ny reniny no tompon’andraikitra tamin’ny famahanana ny olona tamin’ny fampakaram-bady. Rehefa tsy nisy nosotroina izy ireo dia nanova ny rano ho divay i Jesoa mba ho ampy ho an’ny vahiny.

Mety ho maharary amin’ny sofintsika amin’izao fotoana izao ny maheno ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ny reniny ao anatin’izany fifampiresahana izany: “Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao?” (Jaona 2:4). Saingy nazavain’i Joseph Smith fa i Jesoa dia nanontany ny reniny raha misy zavatra nilainy: “Ravehivavy, inona no tianao ataoko ho azy ireo?”2. Ary ny fiantsoana olona hoe “ravehivavy” tamin’izany fotoana izany dia fanehoana fanajana. Niteny Izy hoe, “Tompokovavy, na inona na inona angatahinao amiko am-pinoana dia homeko anao izany.”3

Fotoana haingana teo amin’ny telo taona teo. Taloha kelin’ny nahafatesany teo ambony hazofijaliana, ny zavatra iray nataon’i Jesoa farany dia naka antoka fa hokarakaraina ny reniny.

“Hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! “Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao!! Ary tamin’izany ora izany dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy” (Jaona 19:26–27).

Nandray tamim-panajana ireo vehivavy nolavin’olona i Jesoa

Manana ohatra roa isika farafahakeliny izay misy ny Mpamonjy mandray amim-panajana ireo vehivavy izay nolavin’ny fiarahamonina.

Nanao tsinontsinona ny vahoaka Samaritana ny ankabeazan’ny Jiosy tamin’ny andron’ny Mpamonjy. Saingy rehefa nifanehatra tamin’ny vehvavy Samaritana iray teo am-pantsakana i Jesoa Kristy dia nandray azy tamim-pitserana sy tamim-panajana Izy. Ary ny lehibe kokoa noho izany, tamin’ny fotoana niresahany taminy no voalohany nanambarany ny Tenany ho ilay Mpamonjy nampanantenaina!4 (Jereo ny Jaona 4.)

Tamin’ny toe-javatra iray hafa dia nisy vehivavy tratra nanao fahotana goavana. Tokony ho hotoraham-bato ho faty izy araka ny lalàn’ny Jiosy. Rehefa nitondra io vehivavy io teo anatrehan’ny Mpamonjy ireo mpitondra, dia nanontany azy ireo fanontaniana Izy izay nahatonga azy ireo hiato ka hieritreritra. Tsy nitora-bato azy izy ireo. Avy eo ny Mpamonjy dia nanasa azy hibebaka, niteny hoe, “Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:11).

Niseho tamin’ny vehivavy i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty

Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia niseho tamin’i Maria Magdalena aloha Izy, izay nitomany teo amin’ny fasany (jereo ny Jaona 20:11–18). Vehivavy hafa toa an’i—Johana, sy Maria, renin’i Jakoba ihany koa —dia anisan’ireo voalohany nahafantatra ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Nasain’ireo anjely izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’izay zavatra hitany. (Jereo ny Lioka 24:1–10.)

Sary
vehivavy tamin’ny andron’i Kristy.

Afaka manaraka ny ohatra nasehony isika

Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra fanajana nasehon’ny Mpamonjy tamin’ireo vehivavy?

Ny mpaminanintsika, Filoha Russell M. Nelson, dia manana fampiharana betsaka amin’io sehatra io. Nanana zanakavavy sivy sy zanakalahy iray izy tamin’i Dantzel vadiny. Rehefa maty ny vadiny dia nanambady an’i Wendy Nelson izy.

“Manaja ireo rahavavy isika—tsy ireo izay ao amin’ny fianakaviantsika mivantana ihany fa ireo rahavavy mahafinaritra rehetra eo amin’ny fiainantsika,” hoy izy nampianatra.5

Andeha ity volana ity ataontsika ho volan’ny fitiavana feno herim-po sy hatsaram-panahy tahaka ny an’i Kristy ho an’ireo vehivavy eo amin’ny fiainantsika. Matanjaka ianao ka afaka hanova izao tontolo izao, fifandraisana kely isaky ny mandeha!

Fanamarihana

  1. Jereo ny Matio 5:43–44.

  2. Dikan-tenin’i Joseph Smith, Jaona 2:4.

  3. Jereo ny Robert and Marie Lund, “The Savior’s Respect for Women,” Ensign,Mar. 2015, 51.

  4. Jereo ny M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Ensign, Apr. 2002, 66.

  5. Russell M. Nelson, “Our Sacred Duty to Honor Women,” Apr. 1999 general conference (Ensign, May 1999, 39).

Hamoaka printy