2023
Afaka mibebaka isika
Martsa 2023


“Afaka mibebaka isika,” Ho zatovo mahery! mar. 2023.

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy

Ireo tanora dia mizara ny fomba nahazoan’izy ireo hery tao amin’i Kristy mba hanaovana zavatra sarotra (jereo ny Filipiana 4:13).

Afaka mibebaka isika

Sary
zatovolahy

Na dia efa vita batisa aza aho fony aho valo taona dia tsy nanao ny zavatra tsara foana. Fony aho zatovo dia nanomboka niditra tanaty vondrona lehilahy aho ary nanomboka tafiditra tanatin’ireo zavatra izay fantatro hoe tsy dia tsara.

Nanampy ahy niverina tao amin’ny Fiangonana ny rahavaviko taorian’ny nanambadiany. Nianatra ny maha zava-dehibe ny Tenin’ny fahendrena aho sy ny fomba fikarakarana tsara ny vatako.

Kanefa indray andro dia mbola nanao fahotana goavana hafa aho. Tsapako fa tsy afaka manana ny Fanahy aho na ny herin’ny fisoronana miaraka amiko. Nahatsapa ho tena tsy mendrika aho ary tsy nieritreritra ny ho afaka hanatontosa ireo andraikitro ato amin’ny Fiangonana intsony, toy ny manamasina sy mizara ny fanasan’ny Tompo.

Saingy nampianatra ahy ny filazantsara fa afaka mibebaka mandrakariva isika. Sarotra ny nandeha nijery ny evekako sy ny nibaboka tamin’ny fahotako. Sarotra ny mahafantatra hoe misy olona mety hahita ahy mandeha miditra ao amin’ny biraon’ny eveka. Saingy naniry ny fiadanan’ny Tompo aho, te hibebaka aho.

Nivavaka niaraka tamiko ny evekako ary nilaza tamiko izy fa mamindra fo mandrakariva amin’ireo izay mikatsaka ny hibebaka ny Tompo ary ho afaka ny ho sitrana amin’ny fahadisoako aho. Ankehitriny aho nanomboka namaky ny soratra masina sy nivavaka ary fantatro fa manampy ahy hanohitra ny fakampanahy izany.

Raha toa ka sarotra aminao ny dingan’ny fibebahana, dia tokony hahatsiaro lalandava ny fanomezam-pahasoavan’i Jesoa Kristy ianao sy ny Sorompanavotany mahagaga. Manota sy manao fahadisoana avokoa isika rehetra ary tsy hahazo ny fahatanterahana eto amin’ity fiainana ity isika. Saingy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny ra nalatsany ho antsika dia afaka mibebaka mandrakariva isika. Afaka manohy mankany amin’ny fahatanterahana isika miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Kenneth B., Tonga

Hamoaka printy