2023
“Ahoana no hanampiako kokoa ireo namako izay tsy mavitrika ato amin’ny Fiangonana mba hanamafy orina ny fijoroana vavolombelona ananan’izy ireo?”
Martsa 2023


“Ahoana no hanampiako ireo namako izay tsy mavitrika ato amin’ny Fiangonana mba hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo?,” Ho zatovo mahery!, Mar. 2023.

Fanontaniana sy valiny

“Ahoana no hanampiako ireo namako izay tsy mavitrika ato amin’ny Fiangonana mba hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo?”

Meteza ho fitahiana ho an’ny hafa

Sary
zatovovavy iray

“Rehefa miezaka manampy namana iray manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelony manokana aho dia miezaka ho fitahiana sy tohana eo amin’ny fiainany. Miezaka ny ho ohatra sy maneho aminy aho fa ny filazantsaran’i Kristy dia afaka manamafy orina ny finamanana sy ny fifandraisan’ny fianakaviana raha toa izy miezaka ny hanakatò sy ho marina. Tiako ny manampy azy hahatsapa hoe tiana.”

Selina O., 19 taona, Bolivia

Manasa lalandava

“Afaka mampianatra ireo namanao momba ny fitiavana sy famindrampon’i Jesoa Kristy ianao sy ny fomba hanampiany azy ireo. Afaka hanampy azy ireo ho tonga any am-piangonana izany sy hanatrika ny kilasin’ny zatovo miaraka aminao. Afaka manampy azy ireo hampivelatra ny fijoroany ho vavolombelona matanjaka momba an’i Jesoa Kristy izany.”

Shara R., 12 taona, Colombia

Aoka ho naman’izy ireo aloha

Sary
zatovovavy iray

“Miezaka ho mpandray ny hafa hatrany aho ary maka antoka hoe fantr’ireo namako fa mieritreritra azy ireo aho. Fantatro fa afaka ny ho fahazavana ho azy ireo aho raha mitazona ny finamanana sy ny fitiavanay. Afaka manasa ireo namako aho hanatrika ny fiarahamientana ao amin’ny Fiangonana kanefa naman’izy ireo foana aloha aho voalohany indrindra. Hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona ireo namanao rehefa mahita ny ohatra feno fitiavana sy fanohanana ara-pinamanana asehonao.”

Mia D., 19 taona, Florida, Etazonia

Hanampy anao i Kristy

“Mety ho tena sarotra ny manana namana tsy dia mazoto ato am-piangonana kanefa tiako ny manasa ireo namako hanatrika ireo fiarahamientana mahafinaritra ho an’ny tanora na ho aty amn’ny fiangonana rehefa manao lahateny aho. Raha liana izy ireo dia omeko ny Bokin’i Môrmôna asiako ny fijoroako vavolombelona sy ireo andininy voaloko izay manan-danja amiko. Tsarovy fa hanampy anao amin’ny toe-javatra rehetra i Kristy.”

Elise B., 15 taona, Floride, Etazonia

Manaova tsara fanahy fotsiny

Sary
zatovolahy

“Napetrako tamin’ny mpampianatro seminera ity fanontaniana ity. Hoy izy, ‘manaova tsara fanahy fotsiny ry Jordan. Efa manao ny zavatra tsara ianao.’ Tamin’ny voalohany aho nieritreritra hoe, ‘Tsy ampy ny manao tsara fanahy fotsiny.’ Fa avy eo aho nieritreritra nynamako iray izay nila ny finamanako sy ny ohatra asehoko. Nanampy ahy ho tsara fanahy sy hahafantatra izay tokony ho lazaiko ny Fanahy. Ankehitriny izy te ho atao batisa indray andro any!”

Jordan S., 17 taona, Utah, Etazonia

Hamoaka printy