2023
Fiadanana hiatrehana ny tafiotry ny fiainana
Martsa 2023


“Fiadanana hiatrehana ny tafiotry ny fiainana,” Ho zatovo mahery!, mar. 2023.

Fiadanana hiatrehana ny tafiotry ny fiainana

Hoy Jesoa Kristy miteny aminao mandritra ny tafiodrivotry ny fiainanao hoe: “Mangina, mitsahara.”

Sary
Dieter F. Uchtdorf

Loholona Uchtdorf miaraka amin’ny zatovo tamin’ny filazana mikasika ny BYU–Pathway Worldwide ny 7 febroary 2017.

Rehefa avy nampianatra nandritra ny tontolo andro teo amoron-drano ny Tompo Jesoa Kristy, dia nandroso hevitra tamin’ireo mpianany Izy ny hita ho eny am-pitan’ny Ranomasin’i Galilia. Rehefa niainga izy ireo dia nahita toerana nakàna aina tao anaty sambokely i Jesoa ary resin-tory.

Vetivety dia rakotra haizina ny lanitra “ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno” (jereo ny Marka 4:37).

Maro tamin’ireo mpianatr’i Jesoa no mpanjono efa za-draharaha ka nahafantatra ny fomba fanamoriana sambokely. Saingy nahery ny tafio-drivotra ka nanonomboka nikoropaka izy ireo. Nila ho rendrika ilay sambokely.

Nandritra izany rehetra izany, dia mbola natory i Jesoa.

Tsy haintsika hoe hafiriana no nanana olana tamin’ny tafio-drivotra ireo mpianatra saingy tsy naharitra intsony izy ireo nony farany. Namoha an’i Jesoa izy ireo ary nihiaka hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” (Marka 4:38).

Sary
sambo eo amin’ny ranomasina

Sary nataon’i Adam Howling

Ireo tafio-drivotry ny fiainana

Samy miatrika tafio-drivotra tampoka avokoa isika rehetra eo amin’ny fiainana. Mety hoe mijery ireo olana misy manerana izao tontolo izao ianao na ny toe-javatra misy anao manokana ka mahatsiaro mijaly sy kivy ary diso fanantenana. Mety hoe vaky ny fonao noho ianao ihany na noho ny olona iray izay tinao. Mety hoe miahiahy na matahotra ianao ary mahatsapa fa namela anao mandrakizay ny fanantenana.

Amin’ireny fotoana ireny dia mety hihiaka tahaka ireo mpianatr’i Jesoa ianao hanao hoe, “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesako izao?”

Fony aho tamin’ny taonanareo dia anisan’ny fihirana tiako indrindra ny “Maitre, la tempête lance.”1 Azoko sary an-tsaina aho ao anatin’ilay sambokely rehefa “indro ny rivo-mahery fa nifofofo ery!” Ny ampahany manan-danja sy kanto indrindra amin’ilay fihirana dia izao: “Ny rivotra sy ny onja hankato Anao: Mitonia.” Ary avy eo dia tonga ilay hafatra manan-danja hoe: “[Na rano lalina mampimalo] tsy misy atahorana satria ao ilay Tompon’izao rehetra izao.”

Rehefa avy niantsoantso nitady fanampiana ny mpianany dia indro i Jesoa “nitsangana sy niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina manonja hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.” (Marka 4:39).

Raha toa ianao mandray an’i Jesoa Kristy ilay, “Andrian’ny Fiadanana” (Isaia 9:6), ho ao anatin’ny sambokelinao dia afaka ahita fiadanana eo anivon’ny tafio-drivotra mahery sy mampitahotra izay mitambolona ao anatinao sy manodidina anao.

Ireo teny izay nolazain’i Jesoa teo amin’ny ranomasin’i Galilia tamin’io alina efa ela izay feno tafio-drivotra io ihany no hambarany aminao mandritra ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainanao hoe: “Mangina, mitsahara.”

Sary
sambokely anatina tafio-drivotra sy fahatoniana

Miantehitra amin’ny hery mampitony ananany

Azonao sary an-tsaina ve ny zavatra tsy maintsy tsapan’ireo mpianatra raha vantany vao nahita ny rivotra sy ny orana ary ny ranomasina nankatò ny baikon’ny Mpampianatra azy ireo? Ny hany zavatra azon’izy ireo nolazaina dia hoe, “Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?” (Marka 4:41).

Tsy nitovy tamin’ny olona rehetra izay nandeha teto amin’ity tany ity i Jesoa Kristy. Tonga mba hamonjy antsika Izy. Nandoa ny saran’ny fahotantsika rehetra Izy tao amin’ny Zaridainan’i Getsemane. Nizaka ny fanaintainantsika sy ny fijaliantsika rehetra ihany koa Izy. Izany fijaliana lehibe sy tsy manam-petra izany dia nahatonga Azy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra (jereo ny Lioka 22:44; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18).

Tsy haiko takarina ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’ny fitiavana tonga lafatra. Saingy fantatro fa nataony ho ahy izany sy ho an’ny olona tsirairay izay efa niaina sy mbola hiaina rehetra. Nanome ny zava-drehetra Izy mba hahafahantsika mandray ny zavatra rehetra.

Tsy misy na iza na iza hiaina ny fijalian’i Jesoa saingy izaho sy ianao dia hanana tafio-drivotra maizina sy mangidy hatrehana manokana. Raha toa mampitodika ny fonao amin’ny Tompo ianao dia hampangina ny tafio-drivotrao Izy satria efa niainany daholo izany rehetra izany. Nijaly tanaty fandavan-tena ho anao Izy ary manana ny hery hampatanjahana sy hankaherezana ary hitahiana anao.

Nampanantena Izy hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).

Ireo fomba mitondra mankamin’ny fiadanana

Nanome ireo fomba hahafahanao mahatsapa fiadanana ny Tompo Jesoa Kristy. Ho Izy, “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23).

Mianatra Aminy amin’ny alalan’ny fandalinana ny fiainany sy ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina. Asandrato amin’ny alalan’ny vavaka ny fonao. “Mitsangàna … eo amin’ny toerana masina,” anisan’izany ny tempoly (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; jereo ihany koa ny 45:32).

Henoy ny teniny amin’ny alalan’ireo mpaminany velona. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ampiasao ny fanomezam-pahasoavana masin’ny fibebahana. Tongava ao amin’ny Fiangonany mba hifampinamana sy ho ampianarina ary hofahanana amin’ny teny soan’ Andriamanitra.

Mandehana amin’ny fahalemem-panahin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanaovanao ny tokantranonao ho toerana hahatsapana ny Fanahiny. Ampio ny hafa ary manompoa Azy amim-pifaliana. Tsarovy fa, “Misy fiadanana ao anatin’ny asa tsara (La paix suit la justice).”2 Miezaha hitoetra ho mahatoky sy ho “[mpanaradia] bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3).

Raha toa ianao ka hianatra sy hihaino ary handeha hiaraka amin’ny Tompo dia ho tonga ny fampanantenany lehibe: Ho tonga aminao ny fiadanany.

Finoana ny hitsahatra

Miaraka amin’ny finoana an’ny Tompo Jesoa Kristy dia afaka ny “hitsahatra” ianao rehefa tonga eo aminao ny tafio-drivotry ny fiainana. Mety tsy ho eo no eo toy ny tamin’ireo mpianatra teo amin’ny ranomasin’i Galilia ny fiadanana, saingy hampahatanjaka anao ny Tompo hamakivaky ireo tafio-drivotra atrehanao.

Ry namako malala, mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy.

Tia anao Izy.

Fantany ianao.

Mahatakatra ny mahazo anao Izy.

Tsy hamela anao tsy hisy mpikarakara izy amin’ny fotoana maha sahirana anao.

Ao Aminy sy amin’ny alalany ihany no hahatongavan’ny fiadanana marina. Natao ho an’ireo rehetra izay hitodika Aminy ny fiadanany.

Fanamarihana

  1. “Maitre, la tempête lance,” Cantiques, no. 56.

  2. “Bien choisir,” Cantiques, no. 154.

Hamoaka printy